Dans la męme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanĂ na.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Faritr’i 67 Ha Tra-tehaka ilay gadra lava mpangarom-paosim-behivavy

11/09/2019

Any am-ponja no niandry ny fitsarana azy ny lehilahy iray izay efa nigadra in-telo.

 

 

Voasambotry ny polisim-pirenena avy ao 67ha teny amin’ny fiantsonan’ny taksibe Jovena 67ha, ny zoma farany teo rehefa avy nanendaka vehivavy tao anaty taksibe Ivato izy. Tamin’ny 8 ora maraina no niditra tamin’ilay taksibe teo 67ha avaratra ity lehilahy sahabo ho 35 taona ity. Nony tonga teo amin’ny fiantsonana Jovena 67ha anefa dia nidina ny fiara izy. Olona niray taksibe aminy ihany no nahita ny harom-paosiny tao anaty fiara ka niara-nidina taminy sady niantso ny polisy niasa teo amin’ny manodidina. Nanakana ilay tovolahy ary nitondra azy tany amin’ny paositry ny polisy hatao famotorana ireo polisy. Rehefa natao ny fanadihadiana dia vola 20.000 ariary no hita tao am-paosiny izay vao azony tamin’ny harom-paosy nataony tao anaty taksibe. Tamin’ny fanadihadiana no nahafantarana fa in-telo nigadra noho ny antony fanendahana miharo herisetra ity lehilahy. Mazana fantatry ny mpamily mpanampy ireo mpangarom-paosy mandeha dia midina fiantsonana iray fotsiny fa noho ny tahotra valifaty dia tsy sahy miantso mpitandro filaminana izy ireny.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana