Dans la mme rubrique

Fanafihana « CASH POINT » Ampefiloha « Efa vita tetika mialoha ny tifitr’ireo jiolahy mpandroba»

22/10/2019

Tifitra in-telo no nahazo ilay lehilahy raha vao niala ny môtô izay nanaterany ny vadiny sy ny sakaosy nisy vola hampiasaina amin’ny toeram-pandraisana sy fametrahana vola manoloana ny efitrano fidiovam-bahoaka manamorona ny lalamby Ampefiloha.

Fanafihana « CASH POINT » Ampefiloha « Efa vita tetika mialoha ny tifitr’ireo jiolahy mpandroba»

Hamaky ny tohiny...

Asan-jiolahy eto Iarivo 6 hetsy no vidin’ny basy iray

21/10/2019

Tra-tehaka ny mpivarotra basy poleta sy bala efatra izay mbola anaty fonony.

Asan-jiolahy eto Iarivo 6 hetsy no vidin’ny basy iray

Hamaky ny tohiny...

Mpanendaka teny 67Ha Nofandrihan’ny polisy miendrika sivily

21/10/2019

Lehilahy roa no voasambotry ny polisy miasa ao Isotry ny sabotsy 19 oktobra teo teny amin’ny faritra CENAM 67ha iny tamin’ny

Mpanendaka teny 67Ha Nofandrihan’ny polisy miendrika sivily

Hamaky ny tohiny...

AMBODIN’ISOTRY Voasambotra ny mpanendaka mpamerin-keloka

21/10/2019

Miandrandra fanavaozana ny lalàna fanafaizana ireo mpamerin-keloka ho fitandroana ny fandriampahalemana ny mpanara-baovao. Nandritra ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana no fantatra fa efa mpamerin-keloka ireo roalahy avy eny Ambodin’Isotry nifanenjehana ka voasambotry ny polisy teny 67ha.

AMBODIN’ISOTRY Voasambotra ny mpanendaka mpamerin-keloka

Hamaky ny tohiny...

Talatamaty Maty tsy tra-drano ilay mpitondra môtô

18/10/2019

Tsy an-kijanona intsony lozam-pifamoivoizana izay mahafaty ny mpandeha moto. Omaly dia nisy iray hafa indray namoy aina tetsy Talatamaty.

Talatamaty Maty tsy tra-drano ilay mpitondra môtô

Hamaky ny tohiny...

Zandary mamo nitifitra tamin’ny basiny Divi-janahary no tsy nahavoa ilay tovolohy

18/10/2019

Karohina ilay manamboninahitra izay “commandant de compagnie” teo aloha tao Ampanihy-Andrefana voalaza ho nanaotao foana ny talata teo.

Zandary mamo nitifitra tamin’ny basiny Divi-janahary no tsy nahavoa ilay tovolohy

Hamaky ny tohiny...

AMBATOMARO Mpifoka rongony nifanenjehan’ny polisy

18/10/2019

Vao nahita ireo mpitandro filaminana ireo mpifoka rongony eny Ambatomaro dia nirifatra nitsoaka.

AMBATOMARO Mpifoka rongony nifanenjehan’ny polisy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Halatra omby any Betroka Ny dahalo indray no namela-pandrika in-telo ny zandary

11/09/2019

Lavo teo am-pandosirana nandritra ny fifandonana teo amin'ny mpitandro filaminana sy ny dahalo 50 ny jiolahy raindahiny, “Revalala”, ny tolakandron'ny 5 septambra teo,

 tao Ambondro II Betroka. Mpanaradia iray mitantara ny zava-nisy : "Ny alin'ny talata  2 septambra tamin’ny 8 ora alina no niainga tao Betroka ireo zandary miisa 22 lahy niaraka tamin’ny mpanaradia hitady omby very any Bekininy, Andranomanga, distrika Iakora noho ny baikon’ny Fitsarana. Ny alakamisy maraina tamin’ny 5 ora no tafiditra tao an-toerana ka voasambotra ny dahalo roa Revalala sy Rekosy ary ombiasa niaraka tamina basy roa, ody gasy maro, bala mas36 iray ary omby miisa 14 izay anisan'ireo very.”

Nitondra ireo voasambotra hatao fomotorana any Betroka  ny zandary kinanjo nanao vela-pandrika ireo dahalo namany izay nikasa haka ireo olona telo voasambotra ireo. Raikitra ny fifandonana teo amin’ny  kizo atsinanan'ny tanàna Ambondro ll ka tsy nisy aina nafoy fa niroso hatrany ny dia. Afaka 10 km, raikitra indray ny fifandonana faharoa fa tsy nihemotra ireo zandary. 5km miala andrefan'ny Ambondro ll, nanao vela-pandrika farany ireo dahalo miisa 50 lahy, tamin’ny 4 ora tolakandro ka raikitra ny fifandonana, nanararaotra nitsoaka hamonjy ireo namany i Revalala ka maty voatifitra. Tonga tao Betroka  tamin’ny 12 ora alina niaraka tamin’ireo roalahy voasambotra mbola velona  ny mpanara-dia. Naiditra am-ponja vonjimaika ireto dahalo azo sambo-belona ary naverina amin'ny tompony ny omby.

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana