Dans la mme rubrique

Vaky ny adin’ny MAPAR Tsy ho zakanareo ny alahelonay, hoy i Rossy

18/10/2019

Nanaitra ny maro ny hafatra navoakan’ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy tao amin’ny tambajotran-tserasera omaly,

Vaky ny adin’ny MAPAR Tsy ho zakanareo ny alahelonay, hoy i Rossy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana any Betafo Kandidam-panjakana no tsy maintsy holaniana?

18/10/2019

Manoloana ny fanambarana ny hoe : “Ity no KANDIDAM-PANJAKANA, TSY MAINTSY io no LANIANA !

Fifidianana any Betafo Kandidam-panjakana no tsy maintsy holaniana?

Hamaky ny tohiny...

SEFOM-POKONTANY AO IVATO Fito no indray nalana tamin’ny toerany omaly

18/10/2019

Herinandro vitsivitsy sisa no isaina dia hiditra tanteraka anatin’ny fifidianana Ben’ny tanàna isika.

SEFOM-POKONTANY AO IVATO Fito no indray nalana tamin’ny toerany omaly

Hamaky ny tohiny...

Vahoaka Malagasy Hobadoin’ny mpitondra…

18/10/2019

Tafiakatra 60 000 ariary na 80 000 ariary ny saram-pisoratana anarana eo anivon’ny EPP, CEG… amin’izao.

Vahoaka Malagasy Hobadoin’ny mpitondra…

Hamaky ny tohiny...

Fanendrena governora Toa tanteraka moana ny HCC…

18/10/2019

Naninona no maika be ny fanendrena ireo governora andiany voalohany ireny nefa ny andiany faharoa toa nihisatra ?

Fanendrena governora Toa tanteraka moana ny HCC…

Hamaky ny tohiny...

Politika sy afera Ambohitrimanjaka Nampitandrina Ravalomanana

17/10/2019

Tsy misy izany governora izany ao anaty lalàmpanorenena. Ao anatin’ny firenena federaly io fa tsy misy eto amintsika.

Politika sy afera Ambohitrimanjaka Nampitandrina Ravalomanana

Hamaky ny tohiny...

Tetibola ho an’ny CLD “Tokony hotantanin’ny kaominina mivantana”

17/10/2019

Ny komity ifotony ho an’ ny fampandrosoana(CLD), hatramin’izay, dia ny eo anivon’ny distrika sy ny depiote no nitantana azy.

Tetibola ho an’ny CLD “Tokony hotantanin’ny kaominina mivantana”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fampandrosoana an’Ambohimanambola Vonona ny kandida Nantenaina atolotry ny TIM

12/09/2019

Ramatoa Nantenaina Rahagarison dia ben’ny tanàna lefitra teo anivon’ny kaominina Ambohimanambola. Maro ireo asa fampandrosoana vitany ka nangataka ny hirotsahany ho ben’ny tanana ny vahoaka.

 

 

Nitsinjo hatrany ny mponina izy ary teo anivon-dry zareo hatrany na tamin’ny fanatanterahana ny asa na tamin’ny famahana ny olana.  Nametraka ny fitokisana taminy koa ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM) koa dia nanendry azy tsy am-pisalasalana ho kandidan’ny antoko eny Ambohimanambola. Manana fomba fiasa maty paika izy ary hentitra amin’ny fomba fitantanana. Ny fomba fiasany mangarahara koa no nahatokisan’ireo mpamatsy vola sy orinasa eo an-toerana azy. Hita taratra izany amin’ny firoboroboan’ny fiaraha-miasa eo anivon’ny kaominina. Nanambara izy fa vonona tanteraka amin’ny fandraisana andraikitra. Ankoatra ny fianarana momba ny fitantanana norantoviny teny amin’ny sekoly ambony dia nilaza izy fa ampy ho azy ny traikefa sy ny fiofanana maro efa nataony mba hitantanany ny kaominina. Fampandrosoana ifotony miantraika amin’ny fiainan’ny isan-tokantrano no tanjony. Izany hoy izy dia tratrarina amin’ny alalan’ireo drafitrasa omban-paikady  izay efa hananana. Notsongaina manokana ireo ho mpanolotsaina mba tena olona avy amin’ny vahoaka ary mahalala ny filan’ny vahoaka. Miantso ireo mitovy hevitra aminy sy maniry ny hampandroso izy hiara-miasa aminy. Tsy ho vitany samirery anefa izany fa ilana ny fiaraha-mientan’ny tsirairay satria ny miasa miaraka no fahombiazana, hoy Rtoa Nantenaina Rahagarison.

Toky R 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana