Dans la mme rubrique

Politika sy afera Ambohitrimanjaka Nampitandrina Ravalomanana

17/10/2019

Tsy misy izany governora izany ao anaty lalàmpanorenena. Ao anatin’ny firenena federaly io fa tsy misy eto amintsika.

Politika sy afera Ambohitrimanjaka Nampitandrina Ravalomanana

Hamaky ny tohiny...

Tetibola ho an’ny CLD “Tokony hotantanin’ny kaominina mivantana”

17/10/2019

Ny komity ifotony ho an’ ny fampandrosoana(CLD), hatramin’izay, dia ny eo anivon’ny distrika sy ny depiote no nitantana azy.

Tetibola ho an’ny CLD “Tokony hotantanin’ny kaominina mivantana”

Hamaky ny tohiny...

Olona efa nohelohin’ny fitsarana Kandidam-panjakana amin’ny fifidianana

17/10/2019

Araka ny didin’ny fitsarana ambony ady sivily laharana CATO-165-CO/18 ny 07 martsa 2018 dia nivoaka ny didy raikitry ny fitsarana teo amin’ny adin’ny Kin mpitory sy Randrianasolo José Clément ben’ny

Olona efa nohelohin’ny fitsarana Kandidam-panjakana amin’ny fifidianana

Hamaky ny tohiny...

Mponin’i Mahavoky Besarety Manohitra ny fanoloana ny sefom-pokontaniny

17/10/2019

Nisy ny fanangonan-tsonia nataon’ny mponina etsy Mahavokyfa tsy ankasitrahan’izy ireo ny fanendrena ny sefo fokontany vaovao.

Mponin’i Mahavoky Besarety Manohitra ny fanoloana ny sefom-pokontaniny

Hamaky ny tohiny...

Fivorian’ny Parlemantera maneran-tany Manana solontena lasa any Serbie isika

17/10/2019

Manana delegasionina manatrika ny fihaonambe iraisam-pirenena ho an’ny parlemantera mpikambana ao anatin’ny Mirenena Mikambana na ny UIP (Union Interparlementaire) andiany faha-141 nanomboka ny 13 hatramin’ny rahampitso 18 oktobra any

Fivorian’ny Parlemantera maneran-tany Manana solontena lasa any Serbie isika

Hamaky ny tohiny...

Rina Randriamasinoro “Tsy mitsoaka isika fa vitantsika io”

17/10/2019

Tonga omaly avy tany Eoropa sy Etazonia ny Kandida ben’ny tanànan’Antananarivo Rina Randriamasinoro atolotry ny antoko TIM,

Rina Randriamasinoro “Tsy mitsoaka isika fa vitantsika io”

Hamaky ny tohiny...

Julien Randriamorasata “Vitan’i Rina ny nampandeha ny CUA natao fahirano”

17/10/2019

Fantatro tsara ny kandida Rina Randriamasinoro satria zandriko io, nivoaka tao amin’ny sekoly ambony ENAM toa ahy ihany koa,

Julien Randriamorasata “Vitan’i Rina ny nampandeha ny CUA natao fahirano”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fifidianana ben’ny tanàna Tsy rototra ny olona fa efa leon’ny hosoka

12/09/2019

Ho tapitra anio ny fe-potoana handraisana ny antontan-taratasin’ireo kandida ben’ny tanàna sy mpanolotsaina kaominaly. 3 andro ny fotoana ananan’ny OVEC hanamarinana ny antontan-taratasy, ka ny 17 septambra ny CENI no hamoaka ny lisitr’ireo kandida.

 

 

Ireo toerana mety tsy hisy kandida mihitsy, dia hanaovana fifidianana manokana, izany hoe hihemotra, raha ny nambaran’ny filoha lefitry ny CENI Atoa Philbert Hervé Randriamanantsoa. Nitombo ny fahalainan’ny olom-pirenena amin’ny fanaterana antontan-taratasy filatsahan-kofidiana. Ireo mpifidy koa tsy rototra intsony amin’ny fanaraha-maso ny anarany anaty lisi-pifidianana ary tsy taitra amin’ny vaovao manodidina ny fifidianana ben’ny tanàna, na amin’ireo tanan-dehibe aza. Inona no mety ho antony ? Malaza ratsy ny fifidianana eto Madagasikara noho ny herin’ny vola sy ny fanararaotam-pahefana amin’ny endriny rehetra. Fividianana no misy fa tsy fifidianana. Malaina ireo kandida mianto-tena na avy amin’ny antoko satria efa mihevitra fa ny kandidam-panjakana no handrombaka ny fandresena. Tsy mahazo manolotra kandida ihany koa moa ny fikambanana fa tsy maintsy amin’ny anarana antoko na vovonana misoratra ara-dalàna eny amin’ny minisiteran’ny atitany. Raha hahemotra ny fandraisana dosie, dia ho hetihety be ny fotoana satria misy ireo efa nanatitra dosie mety efa hanao “pré-campagne” hifangaro voraka ao ny zava-drehetra ary mety hitarika savorovoro any anaty fiarahamonina io. Toa manaporofo izao fa tsy nilamina tokoa ny fifidianana filoham-pirenena sy depiote farany teo. Hihena ny tahan’ny  fandraisan’anjaran’ireo mpifidy, izany hoe ho lany amina isam-bato maivana ny ben’ny tanàna manaraka eo, ka mety tsy hanana erijika hampandrosoana ny kaominina tantanany satria tsy mavitrika ny olona handray anjara amin’izay zavatra atao. Hampalemy ny fahefam-panjakana izany ary hampikatso ny fanatanterahana ilay vina sy fandaharanasan’ny filoham-pirenena. Ny ben’ny tanàna mantsy no fototra mitantana sy mampandeha ny asa fampandrosoana. Ho mora ho an’ny mpanohitra ny hanakiana ny fitondrana noho io asa mihisatra io, ny vahoaka rahateo tsy hahatsapa fiovana eo amin’ny fiainana andavanandrony ka mety haneho ny fahasosorany amin’ny endriny isan-karazany tahaka ny fitokonana, fidinana an-dalambe,… izay efa hita tamin’ny olan’ny famatsiana rano sy ny delestazy ary ny tsy filaminana mahatonga fitsaram-bahoaka manerana ny nosy. Raha tsy misy ny fitoniana dia tsy hisy mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka ho avy eto izany, ka ho veloma ny “autoroute” sy ny “building”, trano 50 000 isa e….

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana