Dans la mme rubrique

Mpamaky trano tetsy Mandroseza Noraisim-potsiny niaraka tamin’ny basy kilalao

11/10/2019

Tratra teny amin’ireo roalahy mpamaky trano ny fitaovana entina mampihorohoro izay hotafihany, dia ny basy kilalao sy antsy lava iray.

Mpamaky trano tetsy Mandroseza Noraisim-potsiny niaraka tamin’ny basy kilalao

Hamaky ny tohiny...

AMBOHIMAHITSY SY AMBATOMARO Mpanendaka efa gadralava sarona

11/10/2019

Rehefa nohadihadian’ny polisy ireo lehilahy roa, 20 sy 25 taona voasambotra teny Ambatomaro sy Makoline/Ambohimahitsy ny

AMBOHIMAHITSY SY AMBATOMARO Mpanendaka efa gadralava sarona

Hamaky ny tohiny...

Fanendahana ao Mahajanga Tratra ireo nahafaty mpialasasatra

11/10/2019

Misy faritra mena fanendahan’ireo jiolahy mpanindrona antsy any Mahajanga, tahaka ny any Tsararano.

Fanendahana ao Mahajanga Tratra ireo nahafaty mpialasasatra

Hamaky ny tohiny...

Hiondrana any Italia an-tsokosoko Kaomorianina 2 sarona tany Nosy Be

11/10/2019

Teratany kaomorianina roa nikasa hiondrana an-tsokosoko ho any Italia sy tsy manana taratasy ho eto Madagasikara no voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny sisin-tany PAF Nosy Be, ny 8 oktobra teo tamin’ny 6ora sy 30mn maraina.

Hiondrana any Italia an-tsokosoko Kaomorianina 2 sarona tany Nosy Be

Hamaky ny tohiny...

AMBOHIMANDROSO RN7 Zazarano vavikely enim-bolana hitan'ny fokonolona

10/10/2019

Mbola mitohy ny fikarohan’ny mpitandro filaminana ny nahavanon-doza.

AMBOHIMANDROSO RN7 Zazarano vavikely enim-bolana hitan'ny fokonolona

Hamaky ny tohiny...

Mpitaingina moto voahitsaky ny kamiao Niparitaka ny atidohan’ilay tovovavy

08/10/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina tetsy Manakambahiny, akaikin’ny Le Quartz omaly tokony ho tamin’ny 02 ora folakandro tany ho any.

Mpitaingina moto voahitsaky ny kamiao Niparitaka ny atidohan’ilay tovovavy

Hamaky ny tohiny...

Olona ara-panambadiana Olona 11 indray maty noho ny gidragidra

08/10/2019

Olona 11 no indray namoy ny ainy vokatry ny tsy fitovian-kevitra tamina fisaraham-panambadiana tao amin’ny fokontany Anonobe, Kaominina Emagnabo Distrikan’i Tolagnaro Faritra Anôsy ny faran’ny herinandro lasa teo.

Olona ara-panambadiana Olona 11 indray maty noho ny gidragidra

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

13/09/2019

Nitrangana hain-trano tao amin’ny distrikan’Antalaha. Trano manodidina ny 430 tafo no indray kila sy hotohoton’ny afo. Tao amin’ny fokontany Antanandavabe, kaominina Ambalabe, distrikan’Antalaha, faritra SAVA, no nirangan’ny loza.

 

 

 

 

 Tanàna iray manontolo mihitsy ity levon’ny afo ity, ny alarobia alina lasa teo, hoy ny fanazavana voaray.  May avokoa ny fitaovan’ny mpianatra hiatrehana ny fanadinana bakalorea, toy izany koa ny entana sy ny biby fiompy rehetra ary ny tahirim-bokatra samihafa. Tsy mbola fantatra ny niavian’ny afo, hoy ny fanazavana fa niainga tamina tokantrano iray. Niitatra iny ary izao niteraka famaizana tokantrano an-jatony izao. Tsy nisy ny naratra sy ny aina nafoy fa ny famaizan’ny tanàna no tsy hita pesimpesenina.  Nidina tany an-toerana ny tompon’andraikitra, nahitana ny ben’ny tanàna, ny lehiben’ny distrika, nitondra fanampiana ho an’ireo olona an’arivony izay traboina. Mangataka amin’ireo izay malala-tanana koa izy ireo, mba hanao vonjy rano vaky sy vonjy aina ho an’ireto olona tsy manan-kialofana ireto. Nanokatra ny fanadihadiana mikasika ity hain-trano goavana ity ny mpitandro ny filaminana, nahitana polisy, zandary ary ny tafika.

Sitraka r.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana