Dans la mme rubrique

Talatamaty Maty tsy tra-drano ilay mpitondra môtô

18/10/2019

Tsy an-kijanona intsony lozam-pifamoivoizana izay mahafaty ny mpandeha moto. Omaly dia nisy iray hafa indray namoy aina tetsy Talatamaty.

Talatamaty Maty tsy tra-drano ilay mpitondra môtô

Hamaky ny tohiny...

Zandary mamo nitifitra tamin’ny basiny Divi-janahary no tsy nahavoa ilay tovolohy

18/10/2019

Karohina ilay manamboninahitra izay “commandant de compagnie” teo aloha tao Ampanihy-Andrefana voalaza ho nanaotao foana ny talata teo.

Zandary mamo nitifitra tamin’ny basiny Divi-janahary no tsy nahavoa ilay tovolohy

Hamaky ny tohiny...

AMBATOMARO Mpifoka rongony nifanenjehan’ny polisy

18/10/2019

Vao nahita ireo mpitandro filaminana ireo mpifoka rongony eny Ambatomaro dia nirifatra nitsoaka.

AMBATOMARO Mpifoka rongony nifanenjehan’ny polisy

Hamaky ny tohiny...

TOAMASINA Tra-tehaka ireo mpitondra « tuc tuc » mpanendaka

18/10/2019

Efa maro no lasibatra ka fantatry ny ankamaroan’ny mponin’ny Toamasina ny endrik’ireo jiolahy sy ny fihetsiny ary ny bajaj fitondrany. T

TOAMASINA Tra-tehaka ireo mpitondra « tuc tuc » mpanendaka

Hamaky ny tohiny...

Akaiky ny fifidianana Vola sandoka 400 tapitrisa ariary sarona

17/10/2019

Vola sandoka mitentina 20 tapitrisa ariary no sarona tao Vavatenina ny talata 15 oktobra 2019.

Akaiky ny fifidianana Vola sandoka 400 tapitrisa ariary sarona

Hamaky ny tohiny...

KIDNAPPING AMBOHIMANGAKELY 10 no voarohirohy hiakatra fampanoavana anio

16/10/2019

Olona folo no voarohirohy tamin’ny kidnapping zazavavy kely 1 taona sy tapany teo Ambohimangakely ny faran’ny herinandro teo. Mbola mitohy hatrany ny famotorana raha ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena.

KIDNAPPING AMBOHIMANGAKELY 10 no voarohirohy hiakatra fampanoavana anio

Hamaky ny tohiny...

Entana tamina fiarabe nampiahiahy Sarona teny amin’ny lalam-pirenena faha-7

16/10/2019

Olona efatra mpiray tsikombakomba miaraka amin’ny mpamilin’ilay fiara feno entana tsy nazava no voarohirohy ary eo am-panohizana ny fanadihadiana ny vondron-tobim-paritry ny zandary ao Ambatolampy.

Entana tamina fiarabe nampiahiahy Sarona teny amin’ny lalam-pirenena faha-7

Hamaky ny tohiny...


Tranga

FANAFIHAN-JIOLAHY AMBOHIMANARINA Manomboka tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana

13/09/2019

Efa nandrasan’ny maro ny fahatongavan’ny mpitandro filaminana ara-potoana rehefa misy fanafihana. Folo minitra teto dia tonga ny polisy ka tra-tehaka ilay mpanao ratsy.

 

 

 

Mitohy ny fisafoana amin’ny alina  ataon’ny polisin’ny boriborintany fahenina eny amin’ny faritra Ambohimanarina sy ny manodidina. Ny alatsinainy 9 septambra tokony ho tamin’ny 10 ora alina, nisy lehilahy  nisaoty tamboho tao amina orinasa iray eny amin’ny faritra Ambohimanarina.

Tsikaritry ny mpiambina ity tovolahy ity rehefa tafiditra tao an-tokotanin’ilay orinasa  ambenany izy ka niantso polisy avy hatrany. 10 minitra taorian’ny antso, tra-tehaky ny polisy teo am-pibatana ireo vy tao amin’ilay orinasa ilay lehilahy. Nosamborina avy hatrany ary nofotorana. Niaiky ny helony avy hatrany izy. Efa natolotra ny fampanoavana ary miandry ny fitsarana azy any am-ponja ny lehilahy.

Fihetsika toy izao no andrandrain’ny mpitandro filaminana hitandrovana ny ain’ny olona. Miantso ny mpitandro filaminana izay arifomba ara-pitaovam-piadiana no vahaolana fa tsy ny miatrika ireo jiolahy mirongo fitaovam-piadiana. Efa miezaka tsy miandry ela aorian’ny antso hatrany ireo mpitandro filaminana.

Haja Nirina

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana