Sosialy
Fiatrehana ny fidiran’ny mpianatra Hanampy ireo ray aman-dreny ny CISCO Tana Ville
16/09/2019
Mifanakaiky loatra ny fotoam-pialantsasatra lehibe sy ny fidiran’ny mpianatra tamin’ity taona 2019 ity.
Iray volana monja raha betsaka no fotoana nahafahan’ny ray aman-dreny niomana, ka tsy vitsy ireo kivy sy mitaraina. Vonona ny hanamaivana izany ny eo anivon’ny Fari-piadidiam-pampianaran’Antananarivo Renivohitra tarihin-dRamananantony Lalaina. Nihaona sy nitafa tamin’ny mpanao gazety izy sy ireo mpiara-miasa aminy ny faran’ny herinandro teo ary fantatra fa hikarakara varavarana misokatra hihaonana mivantana amin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra. Ny 09 ka hatramin’ny 13 oktobra ho avy izao no hanatanterahany izany ka tranoheva am-polony no handray anjara, izay handraisan’ireo sekoly tsy miankina anjara ihany koa. Tanjon’ireo mpikarakara ny hisian’ny fifanakalozana eo amin’izy ireo sy ny ray aman-dreny ao anatin’ilay antsoina hoe : sekolin’ny ray aman-dreny. Lohalaharana ny fanatsarana ny fanabeazana sy ny fitaizana ny mpianatra, ny fampiharana ny fitsipi-pifehezana…. Hisy ireo karazana kilalaon-tsaina maro samihafa hanitarana sy hampivelarana ny sain’ny ankizy.
Pati