Dans la mme rubrique

Tolo-dalàna momba ny fanoherana “Hifikirana eo amin’ny fahefana fotsiny…”

22/10/2019

“Mitaky hatrany ny didy fampiharana ny sata mifehy ny fanoherana ny antoko Tiako i Madagasikara.

Tolo-dalàna momba ny fanoherana “Hifikirana eo amin’ny fahefana fotsiny…”

Hamaky ny tohiny...

Savorovoro mitranga etsy sy eroa Hampihena ny isam-baton’ny IRD…

22/10/2019

Sivy volana nitondrana ny firenena izay ny filoha Andry Rajoelina sy ny ekipany. Maro ny vava sy ny fampanantenana mbola nitosaka tao anatin’izany.

Savorovoro mitranga etsy sy eroa Hampihena ny isam-baton’ny IRD…

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana ny firenena Miha mitoka-monina Rajoelina

22/10/2019

Raha atao ny asa marika tsotsotra dia miiba ny asa vitan’ny fitondram-panjakana nahazo fahefana ny janoary 2019 hatreto aloha. Olana no betsaka, mitarazoka ny fipoiran’ny vahaolana fa tsy arakarak’ilay hoe mandeha haingana be na “ TGV”.

Fitantanana ny firenena Miha mitoka-monina Rajoelina

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa Tana-masoandro Miantso fifampidinihana ny depiote Alain Ratsimbazafy

22/10/2019

Miantso fifampidinihana eo amin’ny fitondram-panjakana sy ireo vahoaka voakasik’ilay tetikasa Tana-masoandro ny solombavambahoaka voafidy eny Atsimondrano Atoa Alain

Tetikasa Tana-masoandro Miantso fifampidinihana ny depiote Alain Ratsimbazafy

Hamaky ny tohiny...

Mihary Andriantsilavo Vonona hampandroso an’Ambohidrapeto

21/10/2019

Vonona hitondra fampandrosoana sy ainga vao ho an’Ambohidrapeto, distrikan’Antananarivo Atsimondrano Atoa Andriantsilavo Mihary,

Mihary Andriantsilavo Vonona hampandroso an’Ambohidrapeto

Hamaky ny tohiny...

Tsena moran’ny fanjakana Miharihary ny fanaovana propagandy

21/10/2019

Mifanandrify tanteraka amin’ny vanim-potoanan’ny fifidianana ny tsena mora tanterahin’ny fanjakana amin’izao fotoana.

Tsena moran’ny fanjakana Miharihary ny fanaovana propagandy

Hamaky ny tohiny...

Vaky ny adin’ny MAPAR Tsy ho zakanareo ny alahelonay, hoy i Rossy

18/10/2019

Nanaitra ny maro ny hafatra navoakan’ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy tao amin’ny tambajotran-tserasera omaly,

Vaky ny adin’ny MAPAR Tsy ho zakanareo ny alahelonay, hoy i Rossy

Hamaky ny tohiny...


Politique

Kandidà IRD Hialokalofan`ny mpamadika palitao

18/09/2019

Amin`ny 24 septambra izao no hivoaka ny tatitra ofisialy havoakan` ny CENI momba ireo kandidà hirotsaka hofidiana ben`ny tanàna ary

 

tsikaritra fa saika hialokalofan`ireo mpamadika palitao ny vovonana IRD. Ho an`ny kaominina Ivato, Rasoamiaramanana Goddefrin no kandidàn’ ity vondrona antoko ity. Marihana fa efa nitondra ny kaominin`Ivato in-droa miantoana talohan`ny nitantanan`ny ben`ny tanàna Randrianarisoa Penjy izy tamin`ny lokon`ny antoko Tiako I Madagasikara. Nifaninana taminy ihany koa tamin`ny fifidianana ben`ny tanàna farany teo tamin`ny antoko HVM indray saingy resy, Niverina nirotsaka indray natolotry ny IRD. Antony iray goavana mampikatso ny fampandrosoana dia io toe-tsain`ny mpanao politika io ary ilàna fanovana goavana. Tsy mpamadika palitao sy mpanao sakaizan’ny mpandresy izany hoe tsy manana foto-kevitra mazava ijoroana fa olona tena tia tanindrazana ary miasa ho an`ny soa iombonana no ilain`ny vahoaka, indrindra ny eny ifotony.

 

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana