Dans la mme rubrique

Tolo-dalàna momba ny fanoherana “Hifikirana eo amin’ny fahefana fotsiny…”

22/10/2019

“Mitaky hatrany ny didy fampiharana ny sata mifehy ny fanoherana ny antoko Tiako i Madagasikara.

Tolo-dalàna momba ny fanoherana “Hifikirana eo amin’ny fahefana fotsiny…”

Hamaky ny tohiny...

Savorovoro mitranga etsy sy eroa Hampihena ny isam-baton’ny IRD…

22/10/2019

Sivy volana nitondrana ny firenena izay ny filoha Andry Rajoelina sy ny ekipany. Maro ny vava sy ny fampanantenana mbola nitosaka tao anatin’izany.

Savorovoro mitranga etsy sy eroa Hampihena ny isam-baton’ny IRD…

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana ny firenena Miha mitoka-monina Rajoelina

22/10/2019

Raha atao ny asa marika tsotsotra dia miiba ny asa vitan’ny fitondram-panjakana nahazo fahefana ny janoary 2019 hatreto aloha. Olana no betsaka, mitarazoka ny fipoiran’ny vahaolana fa tsy arakarak’ilay hoe mandeha haingana be na “ TGV”.

Fitantanana ny firenena Miha mitoka-monina Rajoelina

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa Tana-masoandro Miantso fifampidinihana ny depiote Alain Ratsimbazafy

22/10/2019

Miantso fifampidinihana eo amin’ny fitondram-panjakana sy ireo vahoaka voakasik’ilay tetikasa Tana-masoandro ny solombavambahoaka voafidy eny Atsimondrano Atoa Alain

Tetikasa Tana-masoandro Miantso fifampidinihana ny depiote Alain Ratsimbazafy

Hamaky ny tohiny...

Mihary Andriantsilavo Vonona hampandroso an’Ambohidrapeto

21/10/2019

Vonona hitondra fampandrosoana sy ainga vao ho an’Ambohidrapeto, distrikan’Antananarivo Atsimondrano Atoa Andriantsilavo Mihary,

Mihary Andriantsilavo Vonona hampandroso an’Ambohidrapeto

Hamaky ny tohiny...

Tsena moran’ny fanjakana Miharihary ny fanaovana propagandy

21/10/2019

Mifanandrify tanteraka amin’ny vanim-potoanan’ny fifidianana ny tsena mora tanterahin’ny fanjakana amin’izao fotoana.

Tsena moran’ny fanjakana Miharihary ny fanaovana propagandy

Hamaky ny tohiny...

Vaky ny adin’ny MAPAR Tsy ho zakanareo ny alahelonay, hoy i Rossy

18/10/2019

Nanaitra ny maro ny hafatra navoakan’ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy tao amin’ny tambajotran-tserasera omaly,

Vaky ny adin’ny MAPAR Tsy ho zakanareo ny alahelonay, hoy i Rossy

Hamaky ny tohiny...


Politique

Maitre Olala « Famitahana vahoaka foana ve no iainana eto ? »

18/09/2019

Mahagaga, hoy ny mpahay lalàna, Willy Razafinjatovo na Maitre Olala, fa efa tamin’ny 9 jolay no tafapetraka tao amin’ny biraon’ny fitsarana

 

avo ny fangatahako ny amin’ny mba hampiatoana ny didy mikasika ny fampiatoana ahy amin’ny asako na « suspension d’exécution », raha nanazava ny momba ilay fiakarany filankevi-pitsipika na Codis farany teo. Raha ny tokony ho izy dia 20 na farafahelany 1 volana izany dia tokony hivaly. Hatramin’izao anefa, hoy izy, 2 volana aty aoriana dia mbola tehiriziny ao foana. Mikasika ny resaka fifidianana ben’ny tanàna kosa dia nambarany fa tsy mahagaga raha miha vitsy sy miha kamo hatramin’ny olona hilatsaka hofidiana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina ankehitriny satria ny fisehoan’ny fikarakarana aza tsy ahitana fanabeazana politika. Nahagaga fa tamin’ny fifaranan’ny fisoratana anarana, 600 mahery no isan’ireo birao tsy misy mpilatsaka. Tampotampoka teo anefa dia feno ny isa. Sarotra, hoy izy, ny tsy hiahiahy fa nofenoina ny lisitra. “Dia famitahana vahoaka foana ve no hiainana eto ? Raha hatramin’ny olona hofidiana aza malaina dia inona intsony no antenaina amin’io fifidianana ho avy io ?”, hoy izy

J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana