Dans la mme rubrique

Ady amin`ny kolikoly Hiara-kiasa akaiky kokoa amin’i Madagasikara ny Afrikanina

21/11/2019

Rafitra roa nahazo fahefana avy amin’ny Vondrona Afrikana hanatanteraka ireo hetsika hisorohana sy hiadiana amin’ny kolikoly ny Filankevitra miandraikitra ny ady amin’ny kolikoly eo anivon’ny Vondrona Afrikana (CCUAC) sy ny fikambanan’ireo fahefana avo miady amin’ny kolikoly aty Afrika (AAACA).

Ady amin`ny kolikoly Hiara-kiasa akaiky kokoa amin’i Madagasikara ny Afrikanina

Hamaky ny tohiny...

Ady amin`ny kolikoly Hiara-kiasa akaiky kokoa amin’i Madagasikara ny Afrikanina

21/11/2019

Rafitra roa nahazo fahefana avy amin’ny Vondrona Afrikana hanatanteraka ireo hetsika hisorohana sy hiadiana amin’ny kolikoly ny Filankevitra miandraikitra ny ady amin’ny kolikoly eo anivon’ny Vondrona Afrikana (CCUAC) sy ny fikambanan’ireo fahefana avo miady amin’ny kolikoly aty Afrika (AAACA).

Ady amin`ny kolikoly Hiara-kiasa akaiky kokoa amin’i Madagasikara ny Afrikanina

Hamaky ny tohiny...

Fitrandrahana fasimainty Mampiahiahy ny fanjakana ny QMM

21/11/2019

Misy mampiahiahy ve ny fitrandrahana ataon’ny orinasa QMM ao Tolagnaro sa inona no tena tian’ny fanjakana hahatongavana ?

Fitrandrahana fasimainty Mampiahiahy ny fanjakana ny QMM

Hamaky ny tohiny...

Fandraisana miaramila Misy misoloky ihany koa

21/11/2019

Mandeha ny hafatra sy ny fampilazana fiantsoana samy hafa fa misy ny fandraisana ireo zatovolahy nahavita fanompoam-pirenena horaisina miaramila raikitra any anaty tambajotran-tserasera any.

Fandraisana miaramila Misy misoloky ihany koa

Hamaky ny tohiny...

Famonoana 3 mianaka 1 migadra mandra-pahafaty, afaka ny ambiny

21/11/2019

Olona iray migadra mandra-pahafaty. Afaka noho ny fisalasalana kosa ireo ambiny voarohirohy tamin’ny vono olona

Famonoana 3 mianaka 1 migadra mandra-pahafaty, afaka ny ambiny

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny fizahantany Mpizahatany 500 000 amin’ny taona 2020

20/11/2019

Maro ireo fomba hisarihana mpizahatany ho avy eto Madagasikara. Anisan’izany ny fahatongavan’ny sambo lehibe na « paquebot ».

Minisitry ny fizahantany Mpizahatany 500 000 amin’ny taona 2020

Hamaky ny tohiny...

Fanafenana an’i Tania kely Olona iray nidoboka am-ponja

20/11/2019

Nokarohina tamin’ny alalan’ny finday nifampiantsoana no nahafantaran’ny polisy fa tany Antanifotsy i Tania kely ka hita afak’omaly atoandro ary tonga teto an-drenivohitra tamin’ny 5 ora harivan’ny alatsinainy teo.

Fanafenana an’i Tania kely Olona iray nidoboka am-ponja

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Raharaha Helikoptera Mpanao gazety 2 voaheloka handoa10 tapitrisa Ar avy

20/09/2019

Sazy henjana, dia fandoavana lamandy 10 tapitrisa ariary no nomen’ny Fitsarana an’i Nadia Raonimanalina talen’ny famoahan’ny gazety Le Quotidien sy Mahery Rabearivony gazetin’ny 24h Mada,

 

 araka ny didim-pitsarana omaly. Afaka madiodio kosa i Arphine Rahelisoa mpanao gazetin’ny Valosoa sady miandraikitra ny seraseran’ny kaominina Antananarivo (CUA) sy ny talen’ny kolontsaina eo anivon’ny CUA  Patrick Andriamisa. Raha tsiahivina, notorian’ny fanjakana tamin’ny alalan’ny Etamazaoron’ny Tafika noho ny famoaham-baovao tsy marina tamin’ny tambajotra fesiboky momba ilay angidimby nisidina tao amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny 30 aogositra teo izy 4 mianadahy ireo. Resaka « cybercriminalité » no nentina niampangana an-dry zareo, ka nilatsahan’izao sazy izao, raha jerena amin’ny heloka. Ny andininy faha-20 amin’ny lalàna mifehy io « cybercriminalité » io no nampiharina. Tsy rariny ilay didim-pitsarana. Nambara fa fanalam-baraka tamin’ny alalan’ny lahatsoratra. Tsy nisy filazana hoe tafika Malagasy mihitsy tao, hoy kosa ny mpisolovava Vivier Raoelson. Tsy miditra lalina amin’ny fitsarana mpanao gazety ny minisiteran’ny serasera, hoy kosa ny Tale jeneraly Atoa Fanahimanana Tiaray, izay milaza fa mampanaja ny etika sy deontolojia no anjaran’izy ireo. Nisy fanjakana niongana ve teo sa nisy firenena nikorontana noho ny zavatra navoakan’izy ireo ? Sazy tsy misy famonjana ary ambara fa fananarana amin’ny alalan’ny fandoavana lamandy no natao ho an’ny mpanao gazety tamin’ny hadisoana arak’asa. Onitra volabe 10 tapitrisa ariary, izay mety ho karaman’ny mpanao gazety an-taonany maro. Firy ny orinasan-gazety afaka hiaina amin'izany . Na ny orinasa an-gazety mpiandany amin’ny fitondrana aza tsy manakarama ireo mpiasany amina volabe afaka hiatrehana ny tahaka izao. Firy amin'ireo orinasan-gazety eto amintsika no afaka handoa io ? Azo natao ny fandisoana sy fanitsiana ny vaovao na “démenti”, saingy tsy te hahalala ny fanjakana. Ampahafirin’ny fanalam-baraka sy fanompana maro samihafa ao anaty “facebook” ny nataon’izy mianadahy ireo. “Rehefa tena tiana hovonoina ny alika dia lazaina fa romotra”, hoy ny fitenenana. Maro ny pejy, indrindra fa ireo manao seraseran’ny mpitondra no manao zavatra mamohehitra lavitra noho ny heloka nataon’izy mianadahy ireo, saingy tsy voakitika ireny satria manasohaso fitondrana. Hampiakatra ny raharaha amin’ny ambaratongam-pitsarana ny mpiaro ny voaheloka anio amin’ny 10 ora sy sasany maraina, ka andrasana ny tohiny.

 

“Mampieritreritra ity tranga iray ity satria hikatona tsikelikely ny orinasan-tserasera ary ho very asa ireo mpanao gazety raha izao no mitohy. Samy efa nanao hadisoana avokoa ny rehetra raha amin’ity sehatry ny asa fanaovan-gazety ity no jerena. Akoho ve no vonoina dia hitondrana famaky?”, hoy Atoa Rakotonirina Gerard, filohan’ny holafitry ny mpanao gazety  na ny OJM. 

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana