Dans la mme rubrique

Kolikoly an-jatony miliara Efa tafatsoaka any Frantsa i Peta

16/10/2019

Voarohirohy amina kolikoly avo lenta an-jatony miliara ariary Rtoa Razafindrabakoarisoa Marie Jocelyne Léonard na Peta.

Kolikoly an-jatony miliara Efa tafatsoaka any Frantsa i Peta

Hamaky ny tohiny...

Fananganana Tana-masoandro Mifanenjana ny samy depiote

16/10/2019

Miteraka resabe tao anaty herinandro maromaro ny fanaganana tanàna vaovao eny anivon’ny fiarahamonina. Samy maneho ny heviny ireo mpanao lalàna:

Fananganana Tana-masoandro Mifanenjana ny samy depiote

Hamaky ny tohiny...

Raharaham-pitsarana malagasy Milona loatra, hoy ny Maitre Olala

16/10/2019

Marina ny tenin’ny filoham-pirenena, ny minisitry ny fitsarana ary ny Amnesty international, hoy ny mpahay lalàna Olala na Willy Razafinjatovo,

Raharaham-pitsarana malagasy Milona loatra, hoy ny Maitre Olala

Hamaky ny tohiny...

Olona manana fahasembanana Hofanina ho matihanina amin’ny kanto

16/10/2019

Nosokafana omaly ny hetsika mitondra ny lohateny hoe “Festival inclusive pluridisciplinaire” andiany voalohany izay hifarimbonan’ireo olona manana fahasembanana sy tomombana ara-batana etsy amin’ny Parvis Analakely.

Olona manana fahasembanana Hofanina ho matihanina amin’ny kanto

Hamaky ny tohiny...

Mendri-piderana-Miaramilan’ny ZRPS Delta Nanampy ireo tanora tra-doza tany amin’ny RN4

16/10/2019

Nijanona nanampy ary nitondra ireo maratra mafy ao Maevatànana ny miaramila ao amin'ny ZRPS DELTA omaly raha nahita lozam-pifamoivozana tamin'iny lalam-pirenena faha efatra iny.

Mendri-piderana-Miaramilan’ny ZRPS Delta Nanampy ireo tanora tra-doza tany amin’ny RN4

Hamaky ny tohiny...

Zandary tsy nanaja zon’olombelona Niditra an-tsehatra ny masoivoho iray

15/10/2019

Manoloana ny fihetsika tsy manara-dalàna, tsy manaja ny zon’olombelona,

Actualits

Filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara Notafihan’ny dahalo ny tanànany, very ny omby 50

20/09/2019

Notafihan’ny andian-dahalo nirongo fitaovam-piadiana ny tanàna niavian’ny filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasika na ny SMM, Atoa Clément Jaona.

 Tao amin’ny vakim-paritra Maroaboaly,  fokontany Mariarano, kaominina Ankorahotra, distrikan’Ambatoboeny, faritra Boeny no nitrangan’ny fanafihana, ny alin’ny talata hifoha ny alarobia lasa teo. Omby manodidina ny 50 isa misy marika avokoa no voaroban’ireto andian-dahalo ireto. Voalaza, fa niditra an-keriny tao an-tanàna ireo malaso miisa enina, sady nanapoaka basy, nentina nampitahorana ny mponina tao an-toerana, mba tsy hivoaka sy tsy hanara-dia. Tsy ny ombin’io filohan’ny Smm io ihany no lasibatra tamin’izany, hoy ny fanazavana voaray, fa nisy tamin’ireo tokantrano vitsivitsy koa no very omby aman’osy tamin’io izay tsy fantatra isa. Tsara homarihana fa maty nisy namono nandritra fanafihana malaso ny 16 mey 2018 ny zandrin’ny filohan’ny Smm ary velon’ahiahy ny fianakaviany fa misy mihitsy ny atidoha mikotrika ny fampihorohoroana sy fisomparana azy ireo. Efa mandeha moa amin’izao fotoana ny fanadihadiana mba hikarohana ny marina rehetra.

Sitraka r.

 <<Retour

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana