Dans la mme rubrique

Malagasy ao La Réunion Hajao ny zon’ny Malagasy tompon-tany

22/10/2019

Miitatra hatrany ampitan-dranomasina ny raharaha Ambohitrimanjakana amin’izao.

Malagasy ao La Réunion Hajao ny zon’ny Malagasy tompon-tany

Hamaky ny tohiny...

Bemasoandro Itaosy Olona 130 voapoizina ara-tsakafo

22/10/2019

Tafakatra 130 ankehitriny ireo olona lasibatra vokatry ny fahapoizinana ara-tsakafo nitranga teny Bemasoandro Itaosy ny 13 oktobra lasa teo.

Bemasoandro Itaosy Olona 130 voapoizina ara-tsakafo

Hamaky ny tohiny...

Homamiadana sy aretin’ny vanintaolana Mitarika fanaintainana mafy

22/10/2019

Betsaka ireo olona miaina fanaintainana hatrany eto amintsika eo amin’ny lafiny ara-pahasalamana.

Homamiadana sy aretin’ny vanintaolana Mitarika fanaintainana mafy

Hamaky ny tohiny...

Fokontany Mahavoky Lakan-drano mirefy 1.900 metatra nodiovina mandritry ny 20 andro

22/10/2019

Anisan’ny fokontany manainga zipo rehefa avy ny orona, eny Mahavoky, Besarety iny.

Fokontany Mahavoky Lakan-drano mirefy 1.900 metatra nodiovina mandritry ny 20 andro

Hamaky ny tohiny...

Vola lany amin’ny fanafody 5.000 ka hatramin’ny 100 000 ariary ho an’ ny olona iray

22/10/2019

Mandany any amin’ny 5.000 ariary, ka hatramin’ny iray hetsy ariary ny vola lany amin’ny fanafody.

Vola lany amin’ny fanafody 5.000 ka hatramin’ny 100 000 ariary ho an’ ny olona iray

Hamaky ny tohiny...

Fanirisoa Ernaivo "Aza manao didin'ny be sandry..."

21/10/2019

Tsy hoe rehefa fanesorana ny olona amin’ny taniny (expropriation) dia azo ekena na tiana na tsy tiana na mety na tsy mety fa misy lalàna mandamina azy io,

Fanirisoa Ernaivo "Aza manao didin'ny be sandry..."

Hamaky ny tohiny...

Vonjy Be Sady an-tsaha no an-tanàna ety Antehiroka

21/10/2019

Midina ifotony mijery ny zava-misy, mihaino sy mifanakalo hevitra amin’ny tantsaha.

Vonjy Be Sady an-tsaha no an-tanàna ety Antehiroka

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

Tandindomin-doza ny fiarahamonina Mpisotro toaka ny 77%-n’ny Malagasy

23/09/2019

Mampivarahontsana ny nandre ny tarehimarika : Malagasy 3 amin’ny 4 no misotro toaka, izany hoe 77%-n’ny Malagasy. Mitambatra ao avokoa rehefa zava-pisotro misy alikaola.

 

 

 

 

Ny tena loza dia latsaka ambany ny taonan’ny Malagasy misotro satria 9 ka hatramin’ny 64 no salan-taonan’ireo mpisotro, izany hoe misy ankizy latsaky ny 10 taona izany eto Madagasikara fa efa misotro toaka sahady. Fantatra ihany koa fa manodidina ny 25 tapitrisa tavoahangy no lany isam-bolana eto Madagasikara, ho ana orinasa mpamokatra iray monja io. Miandahy miambavy io fisotroana io ary tsy miandry misy fety na lanonana fa tena isan’andro. Tsy tapaka olona mihitsy eto aminay, hoy ny tompona BAR na toeram-pisotroana iray nanaovana fanadihadiana. Vao maraina amin’ny 6 ora dia efa misy tonga maka kely dia ireo olona handeha hiasa maraina toy ny dokera, mpitarika posy sy sarety … Misy koa ireo tra-maraina, izany hoe efa nisy dia nalehany ny alina ka efa nisotrosotro saingy mba maka vazony kely arak’ilay fomba fiteny. Aorian’io dia efa maresaka ny Bar maraina, atoandro, hariva, hatramin’ny alina. Voatondron’ny lalàna fa amin’ny 9 ora alina no tsy maintsy mikatona ny toeram-pisotroana rehetra eto Madagasikara saingy misy ihany ireo maningana. Fantatra fa misy mahalany 10 000 ka hatramin’ny 30 000 ariary isan’andro amin’ny fisotroana toaka ary io tsy hoe olona mpanefoefo fa Malagasy antonony. Misy aza ireo sokajiana sahirana saingy mahita vola foana hisotroana. Mandeha ihany koa moa ny tsipaipaika dia mitambatambatra eo ny vola ka mahamamo ihany ny farany. Tombanana ho manodidina ny 100 isan’andro ny olona mifamezivezy amina toeram-pisotroana iray raha ny fanadihadiana natao. Tsara homarihana fa ambony kokoa ny tahan’ny homamiadana amin’ny olona misotro toaka sy mifoka sigara. Manimba ireo taova ao anatin’ny vatan’olombelona toy ny vavony, aty, voa, tsinay koa ny fibobohana zava-pisotro misy alikaola. Misy akony ratsy any amin’ny atidoha ihany koa ny toaka sy ny rongony. Izay no maha zava-mahadomelina azy ireo. Maro ny milaza fa misotro satria mba te hanadino kely ny rotorotom-piainana. Efa lasa fomba amam-panaon’ny Malagasy ny misotro na an-kafaliana io na an-karatsiana. Misy maty na famadihana ao an-tanàna, misy toaka eo izay. Misy tera-bao, misy toaka eo izay; any anaty vodiondry sy mariazy ao foana ny toaka. Ny mampihoron-koditra dia ny ankizy mpianatra, tsy ampy taona efa misotro ihany koa. Mety izany ve no mahatonga ny voka-panadinana miha ratsy isan-taona eto Madagasikara ? Mety ho izany koa ve no mahatonga ny Malagasy tsy mety tafavoaka amin’ny fahantrana sy mikorotan-dava ?

RTT

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana