Dans la mme rubrique

Fanamboarana ny R44 Tapaka noho ny hadalan’ny fanjakana?

22/10/2019

Nalaza omaly ny resaka fa niala sy nanatsahatra ny asa fanamboarana ny lalàm-pirenena faha-44 ny orinasa nahazo ny tsenan’asa, ary efa notaomina niala tany avokoa ny fitaovana na ireo “engins” hampiasain’ilay orinasa sinoa nahazo ny tsenan’asa.

Fanamboarana ny R44 Tapaka noho ny hadalan’ny fanjakana?

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Ambohitrimanjaka Niditra an-tsehatra ny Loholona

22/10/2019

Nanatanteraka fidinana ifotony teny Ambohitrimanjaka omaly alatsinainy 21 oktobra 2019 ireo Loholon’i Madagasikara avy amin’ny Faritanin’Antananarivo izay nahitana ny Loholona Ramalason Olga,

Raharaha Ambohitrimanjaka Niditra an-tsehatra ny Loholona

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Tena nilaharana ny solika

22/10/2019

Hatramin’ny alim-be omaly dia mbola nilahatra lasantsy ny olona teto Antananarivo Renivohitra.

Antananarivo Tena nilaharana ny solika

Hamaky ny tohiny...

Toamasina Misy manampahefana mivoy adim-poko

22/10/2019

Voizina be ny resaka adim-poko amin’izao ao Toamasina ao. Raha ny vaovao azo mantsy dia mandeha ny feno fa tokony ho zanak’i Toamasina

Toamasina Misy manampahefana mivoy adim-poko

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Ambohitrimanjaka “Mbola miady amin’ny fahafatesana ilay zandary”

22/10/2019

Voalaza fa mbola miady amin’ny fahafatesana ilay zandary teny Ambohitrimanjaka naratra izay tsaboina ao amin'ny Hjra.

Raharaha Ambohitrimanjaka “Mbola miady amin’ny fahafatesana ilay zandary”

Hamaky ny tohiny...

Solika Hiakatra ny vidiny?

21/10/2019

Tsy fantatra intsony izay tena marina fa maro ny toby fivarotan-tsolika tsy nanana solika teto Antananarivo tamin’iny faran’ny herinandro iny. Tsy vao izao io fa matetika tato ho ato.

Solika Hiakatra ny vidiny?

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Ambohitrimanjaka Manondrana ny fanjakana

21/10/2019

Diso daty ny taratasim-panjakana, toa namboamboarina haingana mba hilazana fa efa ela ny fanjakana no nampahafantatra ny hisian’ny tetikasa,

Raharaha Ambohitrimanjaka Manondrana ny fanjakana

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Fifanitsahana andraikitra Vaky ny adin’ny Fitsarana sy Prezidansa

23/09/2019

Raikitra ny ady eo amin’ny minisitry ny fitsarana Randrianasolo Jacques sy ny Talen’ny Birao mpandray fitarainana na « Bureau des doléances », eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, Rakotomanana Richardson.

 

 

 

Tsy fanatanterahana didim-pitsarana mikasika ady tany tao Sambava no anton’io. Raha ny fizotry ny tantara, nitarika delegasiona namita iraka mikasika ady tany tao Sambava io Talen’ny « Bureau des doléances » eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika io. Voalaza fa nanao fihaonana mikaton-trano tamin’ireo nahazo rariny teny amin’ny Fitsarana mikasika io ady tany io, ny ny zoma 20 septambra teo. Nizotra tany amin’ny vahaolana hafa fa tsy fampiharana didim-pitsarana. Tsy nahafaly ny minisitry ny fitsarana io tsy fanatanterahana didim-pitsarana io, izay nosokajiany ho fanakorontanana sy fampisaraham-bazana  ary fanosoram-potaka ny filoham-pirenena mihitsy. « Inona no maha tany tan-dalàna an’i Madagasikara, raha didim-pitsarana izay efa didy raikitra no tsy ampiharina », hoy io minisitra io, izay nidina tany Sambava mihitsy  ny sabotsy 21 septambra teo, izay nifanojo rahateo tamin’ny lanonana amin’ny hanorenana fonja vaovao ao an-toerana. « Mandray fitarainana no andraikitry ny « Bureau des doléances », dia mandinika izany ary manao tolo-kevitra », hoy izy. « Efa nalefako any amin’ny Procureur de la République ny baiko mampisambotra ireo olona ireo ary ny hampidirana azy am-ponja fa manao « entrave à la justice ». Heloka izany tsy fanatanterahana didy izany », hoy ny minisitra Randrianasolo Jacques tamin'ny teny hentitra. Tsy vao izao no handrenesana resaka fanohintohinana fanatanterahana didim-pitsarana raikitra tahaka izao ataon’ny olona avy ao amin’io « Bureau de Doléances » io. Ohatra iray ny raharaha ady tany tetsy Andavamamba vao tsy ela, raha ny fanazavan’ny vadin-tany iray. Nandeha ny fitsarana ambaratonga voalohany resy ireo mipetraka eo, nisy fampiakarana tamin’ny ambony kokoa mbola resy, tany amin’ny fitsarana mpandrava didy mbola resy ihany. Teo am-panatanterahana ny didy raikitra nanesorana ireo voalaza fa mibodo tany vadin-tany no nisy ny olona nilaza fa avy any amin’io “Bureau de doléances” ao amin’ny fiadidian’ny Repoblika nitondra fiara takelaka mena nanao tsindry bokotra tamin’ny filazana hoe : « ajanony io fa efa saisie ny présidence ». Tsy voahaja izany ny fisaraham-pahefana, dia ny fahefam-pitsarana sy ny fahefana mpanatanteraka fa raikitra ny fifampitsabahana sy ny tsindry bokotra. Izany ve ilay antsoina hoe fanjakana tan-dalàna ?

 

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana