Dans la mme rubrique

Fanamboarana ny R44 Tapaka noho ny hadalan’ny fanjakana?

22/10/2019

Nalaza omaly ny resaka fa niala sy nanatsahatra ny asa fanamboarana ny lalàm-pirenena faha-44 ny orinasa nahazo ny tsenan’asa, ary efa notaomina niala tany avokoa ny fitaovana na ireo “engins” hampiasain’ilay orinasa sinoa nahazo ny tsenan’asa.

Fanamboarana ny R44 Tapaka noho ny hadalan’ny fanjakana?

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Ambohitrimanjaka Niditra an-tsehatra ny Loholona

22/10/2019

Nanatanteraka fidinana ifotony teny Ambohitrimanjaka omaly alatsinainy 21 oktobra 2019 ireo Loholon’i Madagasikara avy amin’ny Faritanin’Antananarivo izay nahitana ny Loholona Ramalason Olga,

Raharaha Ambohitrimanjaka Niditra an-tsehatra ny Loholona

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Tena nilaharana ny solika

22/10/2019

Hatramin’ny alim-be omaly dia mbola nilahatra lasantsy ny olona teto Antananarivo Renivohitra.

Antananarivo Tena nilaharana ny solika

Hamaky ny tohiny...

Toamasina Misy manampahefana mivoy adim-poko

22/10/2019

Voizina be ny resaka adim-poko amin’izao ao Toamasina ao. Raha ny vaovao azo mantsy dia mandeha ny feno fa tokony ho zanak’i Toamasina

Toamasina Misy manampahefana mivoy adim-poko

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Ambohitrimanjaka “Mbola miady amin’ny fahafatesana ilay zandary”

22/10/2019

Voalaza fa mbola miady amin’ny fahafatesana ilay zandary teny Ambohitrimanjaka naratra izay tsaboina ao amin'ny Hjra.

Raharaha Ambohitrimanjaka “Mbola miady amin’ny fahafatesana ilay zandary”

Hamaky ny tohiny...

Solika Hiakatra ny vidiny?

21/10/2019

Tsy fantatra intsony izay tena marina fa maro ny toby fivarotan-tsolika tsy nanana solika teto Antananarivo tamin’iny faran’ny herinandro iny. Tsy vao izao io fa matetika tato ho ato.

Solika Hiakatra ny vidiny?

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Ambohitrimanjaka Manondrana ny fanjakana

21/10/2019

Diso daty ny taratasim-panjakana, toa namboamboarina haingana mba hilazana fa efa ela ny fanjakana no nampahafantatra ny hisian’ny tetikasa,

Raharaha Ambohitrimanjaka Manondrana ny fanjakana

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Kariera ao Ikalamavony Manara-dalàna izahay, hoy ny tompony

23/09/2019

Lainga ary diso tanteraka ny filazana fa nisy ady sy fikasihan-tanana niteraka vono sy naharatrana olona tao amin'ny vohitr'i Befitsiotsy misy kariera ao Ikalamavony, hoy ireo tompon’io kariera io.

 

Fanasoketana avokoa, hoy ny nambaran’izy ireo no misy  ary azo ambara ho tena misy ambadika hafahafa mihitsy mba hoentina manesotra azy ireo  eo amin’io toerana io. “Manana taratasy fifanarahana ara-dalàna nividianana ny kariera izahay, hoy izy ireo, sy taratasy fahazoan-dalana avy amin’ny BCMM sy ny ON koa, ary manana ny patanty mazava. Olona an-jatony no mivelona amin’io kariera io ary fotodrafitrasa samihafa no efa najoro eo an-toerana hahafahan’ireo fianakaviana miaina ara-dalàna. Ny ben’ny tanàna ao no sady tia vola no tsy mahavita na inona na inona, ka mitady tetika hahazoany tombontsoa manokana. Mahavita mizara vary ho an’ny olona mihitsy izy ary manangon-tsonia hahafahana mitarika korontana ao an-toerana. Notsipihan’ny tompon’ny kariera anefa fa raha atambatra ny ora nijanonan’io ben’ny tanàna io tao amin’ny biraony hatramin’ny nahalany azy dia tsy nahafeno 24 ora akory. Ben’ny tanàna tsy mitazona ny teny sy ny toky nomeny io satria zatra mivadibadika palitao ka izao mitady hevitra hilomanosana izao indray.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana