Dans la mme rubrique

Antsirabe Ho tapaka ny jiro amina toerana maro

03/07/2020

Ao anatin’ny fanatsarana famatsiana angovo ao Antsirabe dia nojerena hatry ny omaly ny hahafahan’ny orinasa Jirama manatontosa izany.

Antsirabe Ho tapaka ny jiro amina toerana maro

Hamaky ny tohiny...

Fitsarana Anosy Hisokatra amin’ny alatsinainy ny fotoam-pitsarana

03/07/2020

Hisokatra amin’ny alatsinainy ho avy izao ny fotoam-pitsarana voalohany eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany etsy Anosy rehefa nisy fiatoana nandritra ny fotoana maharitra noho ny hamehana ara-pahasalamana.

Fitsarana Anosy Hisokatra amin’ny alatsinainy ny fotoam-pitsarana

Hamaky ny tohiny...

Voly anaty « serres » Toerana 5 no hanaovana izany eto Madagasikara

03/07/2020

Araka ny fankatoavana nataon' ny Filankevitry ny governemanta ny 01 jolay lasa teo,

Voly anaty « serres » Toerana 5 no hanaovana izany eto Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Ady amin` ny kolikoly Hokitihana ny lalàna mifehy ny PAC?

03/07/2020

Araka ny loharanom-baovao eo anivon` ireo fiarahamonim-pirenena sasantsany misahana ny ady amin` ny kolikoly sy mikatsaka ny mangarahara, ny tamberin’andraikitra ary ny fahitsiana, dia mikasa hikitika ny lalàna mifehy ny PAC (Poles Anti-Corruption) ny governemanta kanefa dia tsy misy akory fampilazana sy fakan-kevitra ataony.

Ady amin` ny kolikoly Hokitihana ny lalàna mifehy ny PAC?

Hamaky ny tohiny...

Ramatoa Christine Naolan’ny mpitandro ny filaminana…

02/07/2020

Renim-pianakaviana iray antsoina hoe : Christine, 46 taona, no fantatra fa naolana mpitandro ny filaminana rehefa tsy nahita taksibe intsony ny 29 may lasa teo.

Ramatoa Christine Naolan’ny mpitandro ny filaminana…

Hamaky ny tohiny...

Lalàna mifehy ny serasera Lany tamin` ny endriny teo aloha!

02/07/2020

Nolanian` ireo solombavambahoaka tamin’ny endriny tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovana ny lalàna lah. faha 004-2019 tamin’ny 02 oktobra 2019 mifehy ny fifandraisana amin’ny haino aman-jery, omaly teny amin` ny CCI Ivato.

Lalàna mifehy ny serasera Lany tamin` ny endriny teo aloha!

Hamaky ny tohiny...

Dr Emmanuel Rakotovahiny Nodimandry omaly teo amin’ny 81 taonany

02/07/2020

Nindaosin’ny fahafatesana omaly hariva i Dr Emmanuel Rakotovahiny rehefa nolazoin’ny aretina fotoana lavalava ary notsaboina tamin’ny klinika tsy miankina iray teny Ilafy teny. 81 taona i Dr Emmanuel Rakotovahiny izao nodimandry izao. Dokotera mpitsabo biby izy.

Dr Emmanuel Rakotovahiny Nodimandry omaly teo amin’ny 81 taonany

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Fanamboaran-dàlana Misy olana goavana ny famatsiam-bola…

24/09/2019

Hentitra ny Vondrona Eoropeanina nandefa taratasy ofisialy niantefa tamin’ny fanjakana tamin’ny Alalan’ny Minisitry ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy, Atoa Hajo Andrianainarivelo.

 

 

 

Nijery akaiky ny fanovan’ny fanjakana ny FER Fonds d’Entretien Routier ho “Fonds Routier” ary ny « Autorité Routière de Madagascar », lasa « Agence Routier de Madagascar ». Nandefasana dika mitovy ny Minisitry ny toekarena, AFD, Banky Iraisam-pirenena, BAD. Araka ny efa fantatrao, ny Vondrona Eoropeanina dia manampy an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny tetikasa maro, toy ny « Rocade d’Antananarivo », izay misy fidirana an-tsehatry ny Banky Eoropeanina ho an’ny fampiasam-bola (BEI) sy ny AFD. Isan’izany ny fampanaraham-penitra natomboky ny BEI ho an’ny RN13 sy RN6; ny tandavan-dàlana iarahana amin’ny BAD ho an’ny RN9 sy RNT12…, hoy ny Vondrona Eoropeanina. Mitana anjara toerana goavana ny ARM ao anatin’ny fanatanterahana ireo tetikasa, ary misintona ny sainao hitodika amin’ny fiantraikany ateraky ny fanovana sy ny fikitikitihina nateraky ny fanovana ara-panjakana sy araka ny lalàna, ao anatin’ny fotoana andehanan’ny tetikasa goavana, hoy ny ambangovangon’ny taratasy. Ny fikitihana sy fanovana ny sata dia midika sy mitarika amin’ny fanovana sy fanavaozana tanteraka ny fifaranahana. Noho io fanovàna an-tsitra-po ny anaran’ny FER sy ARM io dia foana sy tsy manan-kery toy ny tsy misy intsony ireo fifandraharahana sy fifanarahana goavana izay efa natao sy efa vitan'ny Filoha teo aloha Rajaonarimampianina tamin'ny mpamatsy vola sy mpampiasa vola vahiny talohan'ny nametrahany fialàna, raha halalinina ny raharaha. Tsy maintsy havaozina avokoa ny taratasy fifanarahana ara-panjakana rehetra, izany hoe naman’ny haverina hatramin’ny voalohany indray ny fitadiavana mpamatsy vola sy ny fifanarahana manontolo, rehefa tena dinihina. Tena nibedy sy nampiaka-peo ny  mpampindram-bola mahazatra, ary tsapa ho tsy manana fahatokisana ny mpitondra ankehitriny.   Noho ny tsy fananana fanetren-tena sy fahitsiana  na « honnêteté » eo anatrehan’ny fitohizan’ny fitantanan-draharam-panjakana lazaina fa veliranon’ny Filoha ankehitriny no nitarika an’izao, raha halalinina.  Na naneho ny fahavononany hatrany aza ny Vondrona Eoropeanina, dia nanaitra ny voalaza tany am-piafaran’ny taratasiny, fa io olana hita amin’io tetikasa sy programa niarahana taminy io, dia mety ho voavahan’ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika hafa. Ny vahoaka no tena voa amin’ny tahaka izao. Raha miverina amin’ny tantara isika, dia ny oktobra 2002 i Marc Ravalomanana no nitondra ary taty amin’ny volana mey 2008, vao nahazo taratasy “rappel à l’ordre” tahaka izao, raha toa 9 volana monja ny fanjakana Rajoelina dia efa izao sahady.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana