Dans la męme rubrique

Tetibolam-panjakana 2020 Homena 110 miliara ariary ireo governora…

18/11/2019

Hanokanan’ny fanjakana vola 5 miliara ariary isanisany ireo governora mitantana ny faritra araka ny voasoratra ao amin’ny volavolan-dalàna momba ny tetibola 2020.

Tetibolam-panjakana 2020 Homena 110 miliara ariary ireo governora…

Hamaky ny tohiny...

Varotra sy fanjifana Niaiky ny minisitra : “malemy ny fanjakana”

15/11/2019

Natomboka omaly ary hifarana anio etsy amin’ny tranoben’ny varotra etsy Antaninarenina ny atrikasa fampiofanana momba ny fampanarahana fenitra ny varotra sy fanjifana eto Madagasikara.

Varotra sy fanjifana Niaiky ny minisitra : “malemy ny fanjakana”

Hamaky ny tohiny...

Fifanakalozana ara-barotra amin’i Malaizia Maty antoka i Madagasikara hatreto

15/11/2019

Tafakatra 85 tapitrisa dolara ny fanafarana entana nataon’i Madagasikara avy any Malaizia raha 5 tapitrisa dolara monja ny fanondranana tamin’ny taona 2018,

Fifanakalozana ara-barotra amin’i Malaizia Maty antoka i Madagasikara hatreto

Hamaky ny tohiny...

Tahirim-bola Iraisam-pirenena Mila ezaka i Madagasikara amin’ny fampidiran-ketra

08/11/2019

Betsaka ireo ezaka mila iantsorohana hampiaingana ny toekaren’i Madagasikara, hoy ny solontenan’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena (FMI),

Tahirim-bola Iraisam-pirenena Mila ezaka i Madagasikara amin’ny fampidiran-ketra

Hamaky ny tohiny...

Fampiatoana ny fitrandrahana Base Toliara Misy akony amin’ny fandraharahana, hoy ny TI-IM

08/11/2019

Nanamafy ny Transparency International Initiative International (TI-IM) fa mampanjaka ny kolikoly ny tsy fisian`ny fanaraha-maso mazava amin`ny fitantanana ny fitrandrahana harena ankibon`ny tany.

Fampiatoana ny fitrandrahana Base Toliara Misy akony amin’ny fandraharahana, hoy ny TI-IM

Hamaky ny tohiny...

Fampandrosoana ara-toekarena Tokony hisokatra i Madagasikara

07/11/2019

Nanambara ny praiminisitra, Ntsay Christian nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba dinikasa sy fikaonan-doha afrikanina momba ny sehatra tsy

Fampandrosoana ara-toekarena Tokony hisokatra i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Kaompania Air Madagascar Ilaina ny fividianana firamanidina vaovao

04/11/2019

Tokony hitady vahaolana hatrany ho an’ny kaompania nasionaly Air Madagascar ireo tompon’andraikitra satria io no mitondra ny fanevan’ny firenena.

Kaompania Air Madagascar Ilaina ny fividianana firamanidina vaovao

Hamaky ny tohiny...


Toekarena

Fahazoana tany sy fandraharahana Songonan'ny vahiny eto amin'ny taniny ny Malagasy

24/09/2019

Tena mihazakazaka tato anatin'ny 10 taona izao ny fanotorana tany eto Antananarivo sy ny manodidina. Tahaka.izany koa ny famaritana velaran-tany goavambe eny hatramin'ny torapasika sy moron-dranomasina any amin'ny faritra maro.

 

Rehefa natao ny fanadihadiana dia ny vahiny no tena manao izany hananganana orinasa, trano, hotely. toeram-pitrandrahana, toeram-pambolena, fiompiana trondro, makamba... ka ireo karana, Frantsay Italiana, Sinoa no tena betsaka. Etsy ankilan'izay dia milendalenda, mitsiriritra sy mangetaheta ambony lakana fotsiny ireo mpandraharaha malagasy maro an'isa fa sahirana na dia handoa hifantrano misy ny orinasa sy ny saran'ny jirama aza; ny fandoavana karaman'ny mpiasa mampitaintaina isam-bolana. Misy mpandraharaha tena manambola saingy tsy tafavoaka fa nahoana? Hoy ny vazaha matetika hoe ny mpandraharaha Malagasy dia kanosa , tsy sahy miady na koa “vous n'etes pas agressifs en business”. Dia izay tokoa ve sa tena mbola tarazon'ilay tia kely sy mora mionona? Tsy misy mampionona aza mionona ihany, mainka moa fa misy anareo mankahery hoy ny firesaka izay. Malagasy daholo no mpiasan'ny fananantany, fandrefesantany, fitsarana kaominina ministera, ka nahoana no tsy mahay mifanaja sy mifampiresaka ny samy Malagasy fa ny vahiny no tafasandratra? Ny valiny dia milingilingy manao politika ny ankamaroan'ny mpandraharaha malagasy dia taraiky avy eo na diso kajy. Lasa manam-pahavalo teratany malagasy mitovy aminy sy vahiny satria nahatsiaro ireo fa tratry ny tsindry bokona sy fanaparam-pahefana. Eo ihany koa ny hoe tsy ampy fahasahiana ary tena mbola miraikitra ao an-doha ny fianarana na fiofanana natao tany ivelany.Tsy vitan'.ny Malagasy maro mihitsy ny mandresy ilay antsoina hoe “Syndrôme du colonisé”. Etsy ankilan` izay koa anefa mbola tsy mafy any anaty fifampiraharahana ary farany kanefa mety lehibe indrindra  dia tsy ampy fitiavan-tanindrazana fa kosa rakotry ny fitiavan-tena

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana