Dans la mme rubrique

Zotra nasionaly Mitokona ireo taksibrosin’ny RN1, RN4, RN6

15/11/2019

Nitokona ireo mpitatitra amin’ny zotra nasionaly mihazo ny lalam-pirenena voalohany, faha-4, ary faha-6 omaly, ka nivoaka ivelan’ny toby fiantsonana tetsy amin’ny Gara Maki Andohatapenaka.

Zotra nasionaly Mitokona ireo taksibrosin’ny RN1, RN4, RN6

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny kolikoly Hiara-kiasa ny JIRAMA sy ny BIANCO

15/11/2019

Hiara-kiasa hiady amin’ny kolikoly manomboka izao ny orinasa JIRAMA sy ny birao mahaleo tena iadiana amin’ny kolikoly na ny BIANCO.

Ady amin’ny kolikoly Hiara-kiasa ny JIRAMA sy ny BIANCO

Hamaky ny tohiny...

Fianarana any ivelany Firenena 4 no tena mahaliana ireo tanora Malagasy

15/11/2019

Tena mahaliana ny tanora Malagasy, indrindra ireo vao afa-panadinana Bakalôrea ny hanohy fianarana any ivelany.

Fianarana any ivelany Firenena 4 no tena mahaliana ireo tanora Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Ambanin’Ampamarinana Fianakaviana 29 tafo no tandindomin-doza…

14/11/2019

Manomboka mirotsaka ny ranon’orana eto an-drenivohitra. Maro ireo faritra ahiana hampidi-doza noho izany toy ireo faritra avo izay misy ireo vatobe mandondona. Ho an’ny fokontany

Ambanin’Ampamarinana Fianakaviana 29 tafo no tandindomin-doza…

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo Nanolotra 500.000 dolara ny USAID

14/11/2019

Iray amin’ny roa ireo ankizy latsaky ny dimy taona eto amintsika no lasibatry ny tsy fanjarian-tsakafo.

Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo Nanolotra 500.000 dolara ny USAID

Hamaky ny tohiny...

Mponin’Ambohidratrimo Mandeha taksibe vao mahita rano vidiana

13/11/2019

Velon-taraina tanteraka ireo mponina eny Ambohidratrimo noho ny tsy fisian’ny rano fisotro madio.

Mponin’Ambohidratrimo Mandeha taksibe vao mahita rano vidiana

Hamaky ny tohiny...

Tania, zazavavy kely 10 taona Vehivavy roa no naka an-keriny azy

13/11/2019

Tovovavy kely iray vao 10 taona monja antsoina hoe Tania, monina eny Avarabohitra Soavimasoandro no tsy hita nanomboka ny alatsinainy lasa teo.

Tania, zazavavy kely 10 taona Vehivavy roa no naka an-keriny azy

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

Mpamonjy voinan’Antananarivo Novatsian’ny CUA fitaovana

24/09/2019

Tafiditra ao anatin’ny ivon’ny fankalazana ny faha-70 taonan’ny Vondrona Mpamonjy Voina ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) niforona tamin’ny janoary 1949, ny andro omaly nanaovana hetsika teny amin’ny Parvis Analakely .

 

 

 

 Amin’ny maha Reny mpiahy ity Vondrona mpamonjy voina ity ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana dia namome toromarika sady nankahery ny mpamonjy voina izy, ary nankasitraka ny ezaka nataon’izy ireo. « Fitsipika, Fandavan-tena, Herim-po », io no teny filamatry ny mpamonjy voina nofidiana amin’izao fankalazana ny faha 70 taonany izao, ary “Mpamonjy Voina sy ny vahoaka miara-mientana amin’ny fisorohana sy fanalefahana ary fiatrehana ny loza” no iraisana amin’ny rehetra. Nanao antso avo amin’ny vahoaka koa ny ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana handray andraikitra feno hanaraka antsakany sy andavany ny torohevitra sy ny toromarika rehetra omena mikasika ny fisorohana ny loza. Efa misy rahateo ny paikady vaovao iarahan’ny rehetra hisorohana ny loza satria nitombo ny hain-trano etsy sy eroa tato ho ato. Ankoatra ny tsodrano dia notoloran’ny CUA, tamin’ny alalan’ny  Sekretera Jeneraly, Rina Randriamasinoro moto mitsoriaka misy fitaovana entina mamonjy voina haingana ny vondron’ny mpamonjy voina ary mbola hahazo avokoa ny Boriboritany enina rehetra. Nivoitra tao anatin’ny famelabelaran-kevitra narahana adihevitra tao amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, fa maro ny olana sedrain’ny mpamonjy voina, toy ny tsy fahampian’ny isan’ny mpiasa izay 150 monja, toraka izay koa ny fitaovana ampiasaina. Manampy trotraka ny fahateren’ny làlana hamonjena ny traboina, ny fahanteran’ny fitaovana eo ampelan-tànana,… Narahana fitsidihana tranoheva ny fotoana ary nisy ny fampisehoana (Démonstration) notanterahana tetsy amin’ny Parvis Analakely.


Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana