Dans la mme rubrique

Fanamboarana ny R44 Tapaka noho ny hadalan’ny fanjakana?

22/10/2019

Nalaza omaly ny resaka fa niala sy nanatsahatra ny asa fanamboarana ny lalàm-pirenena faha-44 ny orinasa nahazo ny tsenan’asa, ary efa notaomina niala tany avokoa ny fitaovana na ireo “engins” hampiasain’ilay orinasa sinoa nahazo ny tsenan’asa.

Fanamboarana ny R44 Tapaka noho ny hadalan’ny fanjakana?

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Ambohitrimanjaka Niditra an-tsehatra ny Loholona

22/10/2019

Nanatanteraka fidinana ifotony teny Ambohitrimanjaka omaly alatsinainy 21 oktobra 2019 ireo Loholon’i Madagasikara avy amin’ny Faritanin’Antananarivo izay nahitana ny Loholona Ramalason Olga,

Raharaha Ambohitrimanjaka Niditra an-tsehatra ny Loholona

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Tena nilaharana ny solika

22/10/2019

Hatramin’ny alim-be omaly dia mbola nilahatra lasantsy ny olona teto Antananarivo Renivohitra.

Antananarivo Tena nilaharana ny solika

Hamaky ny tohiny...

Toamasina Misy manampahefana mivoy adim-poko

22/10/2019

Voizina be ny resaka adim-poko amin’izao ao Toamasina ao. Raha ny vaovao azo mantsy dia mandeha ny feno fa tokony ho zanak’i Toamasina

Toamasina Misy manampahefana mivoy adim-poko

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Ambohitrimanjaka “Mbola miady amin’ny fahafatesana ilay zandary”

22/10/2019

Voalaza fa mbola miady amin’ny fahafatesana ilay zandary teny Ambohitrimanjaka naratra izay tsaboina ao amin'ny Hjra.

Raharaha Ambohitrimanjaka “Mbola miady amin’ny fahafatesana ilay zandary”

Hamaky ny tohiny...

Solika Hiakatra ny vidiny?

21/10/2019

Tsy fantatra intsony izay tena marina fa maro ny toby fivarotan-tsolika tsy nanana solika teto Antananarivo tamin’iny faran’ny herinandro iny. Tsy vao izao io fa matetika tato ho ato.

Solika Hiakatra ny vidiny?

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Ambohitrimanjaka Manondrana ny fanjakana

21/10/2019

Diso daty ny taratasim-panjakana, toa namboamboarina haingana mba hilazana fa efa ela ny fanjakana no nampahafantatra ny hisian’ny tetikasa,

Raharaha Ambohitrimanjaka Manondrana ny fanjakana

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Bokan-trosa 1600 miliara Ar ny Jirama Hakarina tsikelikely ny vidin-jiro…

25/09/2019

Vita ny fanadihadiana lalina nataon’ny Cabinet Castalia Limited hoenti-mamantatra ny tena olan’ny orinasam-panjakana Jirama hahafaha-manarina azy io.

 

Manana olana goavana ara-bola ny Jirama ary mila vahaolana maika. Ny fampiakarana tsikelikely ny saran’ny herinaratra no isan’ny vahaolana, raha ny tatritr’io fanadihadiana io, ka nambara fa ireo orinasa lehibe no hanaovana izany izay tokony hakarina 10 hatramin’ny 13% eo. Nanomboka ny taona 2018 moa no nampanaovan’ny Banky Iraisam-pirenena fanadihadiana lalina hahafaha-mandrafitra tondrozotra hoenti-manarina ny JIRAMA. Ny saran’ny herinaratra miditra amin’ny kitapom-bolan’ny Jirama, dia zara raha ny antsasaky ny vola saran’ny fiodinany no voaefa amin’izany. Bokan-trosa hatramin’ny 1600 miliara ariary ny Jirama hatramin’ny volana jona teo, ka ho an’ny taona 2018 fotsiny dia 290 miliara ariary ny fatiantoka, na dia nisy aza ny tohana fanentsenam-bidy na “subvention” 315 miliara ariary nampidirina aza tao. Raha tsy misy ny fandraisana fanapahan-kevitra haingana dia hahatratra 1400miliara ariary any ho any ny fatiantoka hatramin’ny 2025. Raha ny tena zava-misy, dia ny vahoaka sy ny tontolon’ny indostria sy ny orinasa mila herinaratra hatrany no mizaka ny tsy eran’ny aina amin’io saran’ny herinaratra sokajiana ho isan’ny lafo indrindra aty Afrika io. Ny fanjakana no tena tsy mpandoa vidin-jiro, ary maro ny fandanilaniam-poana tsy mampidi-bola mila fehezina. Misy rahateo moa hatramin’izay ny fanetsenam-bidy na “subvention” avy any anaty kitapom-bolam-panjakana, ka misy vola mifampiditra mazava ho azy, dia samy vitavita ho azy eo.

Angovo azo havaozina no vahaolana…     

Manodidina ny 15% amin’ny Malagasy no misitraka herinaratra hatreto. Raha ny fanadihadiana lalina nataon’ny “Eonomic Developpement Board of Madagascar” na ny EDBM ny taona 2016, dia saika ny 75,9% amin’ny famokarana angovo eto dia amin’ny alalan’ny milina mandeha amin’ny solika (Thermique), 24,0% amin’ny alalan’ny riandrano (Hydroéléctrique), ary 0,01% avy ny “Biomasse”, ny avy amin’ny masoandro na “Solaire”, ary ny avy amin’ny rivotra na “Eolien”. Tao anatin’ny NPE (Nouvelle Politique Energétique) ny taona 2015, dia fanamby ny hanatsimbadika izany ka ho   15% ny “thermique”, 5% ny avy amin’ny rivotra, 5% ny avy amin’ny rivotra, ary 75% ny avy amin’ny riandrano na ny “hydroélectrique” hatramin’ny 2030.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana