Dans la mme rubrique

Fanamboarana ny R44 Tapaka noho ny hadalan’ny fanjakana?

22/10/2019

Nalaza omaly ny resaka fa niala sy nanatsahatra ny asa fanamboarana ny lalàm-pirenena faha-44 ny orinasa nahazo ny tsenan’asa, ary efa notaomina niala tany avokoa ny fitaovana na ireo “engins” hampiasain’ilay orinasa sinoa nahazo ny tsenan’asa.

Fanamboarana ny R44 Tapaka noho ny hadalan’ny fanjakana?

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Ambohitrimanjaka Niditra an-tsehatra ny Loholona

22/10/2019

Nanatanteraka fidinana ifotony teny Ambohitrimanjaka omaly alatsinainy 21 oktobra 2019 ireo Loholon’i Madagasikara avy amin’ny Faritanin’Antananarivo izay nahitana ny Loholona Ramalason Olga,

Raharaha Ambohitrimanjaka Niditra an-tsehatra ny Loholona

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Tena nilaharana ny solika

22/10/2019

Hatramin’ny alim-be omaly dia mbola nilahatra lasantsy ny olona teto Antananarivo Renivohitra.

Antananarivo Tena nilaharana ny solika

Hamaky ny tohiny...

Toamasina Misy manampahefana mivoy adim-poko

22/10/2019

Voizina be ny resaka adim-poko amin’izao ao Toamasina ao. Raha ny vaovao azo mantsy dia mandeha ny feno fa tokony ho zanak’i Toamasina

Toamasina Misy manampahefana mivoy adim-poko

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Ambohitrimanjaka “Mbola miady amin’ny fahafatesana ilay zandary”

22/10/2019

Voalaza fa mbola miady amin’ny fahafatesana ilay zandary teny Ambohitrimanjaka naratra izay tsaboina ao amin'ny Hjra.

Raharaha Ambohitrimanjaka “Mbola miady amin’ny fahafatesana ilay zandary”

Hamaky ny tohiny...

Solika Hiakatra ny vidiny?

21/10/2019

Tsy fantatra intsony izay tena marina fa maro ny toby fivarotan-tsolika tsy nanana solika teto Antananarivo tamin’iny faran’ny herinandro iny. Tsy vao izao io fa matetika tato ho ato.

Solika Hiakatra ny vidiny?

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Ambohitrimanjaka Manondrana ny fanjakana

21/10/2019

Diso daty ny taratasim-panjakana, toa namboamboarina haingana mba hilazana fa efa ela ny fanjakana no nampahafantatra ny hisian’ny tetikasa,

Raharaha Ambohitrimanjaka Manondrana ny fanjakana

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Vilany vita gasy Voarara ao La Réunion fa mankarary

25/09/2019

Tombanana ho olona 400 isan’andro, maneran-tany no mamoy ny ainy vokatry ny aretina antsoina hoe :

 

 

 « saturnisme », izay azo mivantana na an-kolaka avy amin’ny firaka (plomb). Anisan’ny ahitana azy io ny vilany vita amin’ny viraty (aluminium), amboarin’ny mpanao asa tanana malagasy. Tahaka izany koa ireo kojakoja hafa vita amin’ny viraty, toy ny sotro sy ny lapoaly, araka ny fitiliana nataon’ny DIECCTE, izay sampandraharaha iray misahana ny asa sy ny fanjifana ao amin’ny nosy La Réunion. Mihoatra avo 3 hatramin’ny 4.600 heny amin’ny ara-dalàna ny firaka avoakan’ny vilany gasy anankiray, araka io fanadihadiana io. Vokatr’izany dia voarara tsy azo ampidirina ao La Réunion intsony ny vilany sy kojakoja vita amin’ny viraty avy aty Madagasikara. Misy fiantraikany ara-pahasalamana maro mantsy ny fitelemana firaka. Mety miantraika any amin’ny atidoha izany, indrindra eo amin’ny ankizikely, ka miteraka fahataran’ny saina. Miteraka voka-dratsy hafa ihany koa eo amin’ny fiasan’ny voa ary koa any amin’ny fo sy ny lalandra. Nanomboka tamin’ny zoma 20 septambra teo no nandraisan’ny fitondrana renioney an’izao fanapahan-kevitra izao ary nesorina teny amin’ny tsena ihany koa ireo izay efa amidy any an-toerana.

 

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana