Dans la mme rubrique

Fanamboarana ny R44 Tapaka noho ny hadalan’ny fanjakana?

22/10/2019

Nalaza omaly ny resaka fa niala sy nanatsahatra ny asa fanamboarana ny lalàm-pirenena faha-44 ny orinasa nahazo ny tsenan’asa, ary efa notaomina niala tany avokoa ny fitaovana na ireo “engins” hampiasain’ilay orinasa sinoa nahazo ny tsenan’asa.

Fanamboarana ny R44 Tapaka noho ny hadalan’ny fanjakana?

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Ambohitrimanjaka Niditra an-tsehatra ny Loholona

22/10/2019

Nanatanteraka fidinana ifotony teny Ambohitrimanjaka omaly alatsinainy 21 oktobra 2019 ireo Loholon’i Madagasikara avy amin’ny Faritanin’Antananarivo izay nahitana ny Loholona Ramalason Olga,

Raharaha Ambohitrimanjaka Niditra an-tsehatra ny Loholona

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Tena nilaharana ny solika

22/10/2019

Hatramin’ny alim-be omaly dia mbola nilahatra lasantsy ny olona teto Antananarivo Renivohitra.

Antananarivo Tena nilaharana ny solika

Hamaky ny tohiny...

Toamasina Misy manampahefana mivoy adim-poko

22/10/2019

Voizina be ny resaka adim-poko amin’izao ao Toamasina ao. Raha ny vaovao azo mantsy dia mandeha ny feno fa tokony ho zanak’i Toamasina

Toamasina Misy manampahefana mivoy adim-poko

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Ambohitrimanjaka “Mbola miady amin’ny fahafatesana ilay zandary”

22/10/2019

Voalaza fa mbola miady amin’ny fahafatesana ilay zandary teny Ambohitrimanjaka naratra izay tsaboina ao amin'ny Hjra.

Raharaha Ambohitrimanjaka “Mbola miady amin’ny fahafatesana ilay zandary”

Hamaky ny tohiny...

Solika Hiakatra ny vidiny?

21/10/2019

Tsy fantatra intsony izay tena marina fa maro ny toby fivarotan-tsolika tsy nanana solika teto Antananarivo tamin’iny faran’ny herinandro iny. Tsy vao izao io fa matetika tato ho ato.

Solika Hiakatra ny vidiny?

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Ambohitrimanjaka Manondrana ny fanjakana

21/10/2019

Diso daty ny taratasim-panjakana, toa namboamboarina haingana mba hilazana fa efa ela ny fanjakana no nampahafantatra ny hisian’ny tetikasa,

Raharaha Ambohitrimanjaka Manondrana ny fanjakana

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Fivoriamben’ny ONU any New York Tsy sahy nankany ny filoha Rajoelina ?

25/09/2019

Tanterahina any New York any Etazonia nanomboka omaly 24 septambra ny fivorianambe faha-74 ho an’ny Firenena Mikambana na ny ONU.

 

  Filoham-panjakana sy governemanta hatrany amin’ny 143 no mpandray anjara. Ho an’i Madagasikara, dia ny praiminisitra sady mitazona ny toeran’ny minisitry ny raharaham-bahiny no nalefa any, fa tsy ny filoham-pirenena Andry Rajoelina mivantana.Ity anefa no fivorian’ny ONU voalohany tokony ho natrehany amin’ny maha filoha voafidy azy, ary tena misy lanjany goavana. Raha ny fihetsiny tao anatin’izay 8 volana mahery izay, dia tsy ny filoha Rajoelina mihitsy no hamela fahatany izany fotoan-dehibe izany tsy hatrehiny fa misy “raha” ao, matoa nisafidy ny tsy nandeha. Tsikaritra ho very tanteraka ny fanjakana Rajoelina ao anaty Diplomasia. Vao mainka teboka ratsy ho an’ny fanjakana ny taratasy nalefan’ny Vondrona Eoropeanina ho an’ny momba ny raharaha famatsiam-bola sy fampiasam-bola momba ny lalana, izay nezahina notakonana satria dian-tanan’ny teo aloha, ka ny asa mandeha indray no ahiana ho tapaka. Ny filoha fony izy kandida no nanabatibaty ny fiaraha-miasa amin’ny mpamatsy vola mahazatra, ka nilazana an’i Marc Ravalomanana fa ny hitrosa amin’ny vahiny no mahamaika azy. Vao nivoaka ny firenena voalohany anefa i Andry Rajoelina taorian’ny naha filoha azy, dia ny hanafainganana ny fanampiana an’i Madagasikara no fangatahana voalohany. Tsy misy olona ao anaty fanjakana tena afaka miresaka ka maharesy lahatra ny mpamatsy vola. Maloto pasipaoro hatrany am-boalohany nanomboka tamin’ny fanonganam-panjakana 2009, ary mbola nitohy tamin’ny fifidianana filoha farany teo ny ahiahy. Toa tratry ny tsy fahombiazana ara-diplomatika na « échec diplomatique » ny fitondrana, ka mizotra mankany amin’ny fitadiavana làlam-bola hafa na “financement parallèle”, ka mitangirika any amin’ny sinoa sy ny hafa.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana