Dans la mme rubrique

Malagasy ao La Réunion Hajao ny zon’ny Malagasy tompon-tany

22/10/2019

Miitatra hatrany ampitan-dranomasina ny raharaha Ambohitrimanjakana amin’izao.

Malagasy ao La Réunion Hajao ny zon’ny Malagasy tompon-tany

Hamaky ny tohiny...

Bemasoandro Itaosy Olona 130 voapoizina ara-tsakafo

22/10/2019

Tafakatra 130 ankehitriny ireo olona lasibatra vokatry ny fahapoizinana ara-tsakafo nitranga teny Bemasoandro Itaosy ny 13 oktobra lasa teo.

Bemasoandro Itaosy Olona 130 voapoizina ara-tsakafo

Hamaky ny tohiny...

Homamiadana sy aretin’ny vanintaolana Mitarika fanaintainana mafy

22/10/2019

Betsaka ireo olona miaina fanaintainana hatrany eto amintsika eo amin’ny lafiny ara-pahasalamana.

Homamiadana sy aretin’ny vanintaolana Mitarika fanaintainana mafy

Hamaky ny tohiny...

Fokontany Mahavoky Lakan-drano mirefy 1.900 metatra nodiovina mandritry ny 20 andro

22/10/2019

Anisan’ny fokontany manainga zipo rehefa avy ny orona, eny Mahavoky, Besarety iny.

Fokontany Mahavoky Lakan-drano mirefy 1.900 metatra nodiovina mandritry ny 20 andro

Hamaky ny tohiny...

Vola lany amin’ny fanafody 5.000 ka hatramin’ny 100 000 ariary ho an’ ny olona iray

22/10/2019

Mandany any amin’ny 5.000 ariary, ka hatramin’ny iray hetsy ariary ny vola lany amin’ny fanafody.

Vola lany amin’ny fanafody 5.000 ka hatramin’ny 100 000 ariary ho an’ ny olona iray

Hamaky ny tohiny...

Fanirisoa Ernaivo "Aza manao didin'ny be sandry..."

21/10/2019

Tsy hoe rehefa fanesorana ny olona amin’ny taniny (expropriation) dia azo ekena na tiana na tsy tiana na mety na tsy mety fa misy lalàna mandamina azy io,

Fanirisoa Ernaivo "Aza manao didin'ny be sandry..."

Hamaky ny tohiny...

Vonjy Be Sady an-tsaha no an-tanàna ety Antehiroka

21/10/2019

Midina ifotony mijery ny zava-misy, mihaino sy mifanakalo hevitra amin’ny tantsaha.

Vonjy Be Sady an-tsaha no an-tanàna ety Antehiroka

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

Fitrandrahan’ny Base Toliara Ahiana hivadika ra mandriaka…

25/09/2019

Manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana, ny solontenan’ny mponina sy ny zanaky ny faritra, avy any amin’ny faritra atsimo andrefana, izay mipetraka eto an-drenivohitra,

 mba hampitsahatra sy hampijanona avy hatrany ny fitrandrahana fasimainty, izay ataon’ny “Base Toliara”, amin’izao fotoana izao. Mba tsy hisian’ny fifandonana sy ny korontana ary ny mba hialana sy hisorohana, ny mety hisian’ny ra mandriaka, dia mangataka ny hanajanonana io fitrandrahana fasimainty ao Toliara io, ireto mponina avy any Atsimo andrefana ireto. Antony maromaro no nambaran’izy ireo, fa tokony hanajanonana izay fitrandrahana izay. Ka anisan’ireny ny mety hisian’ny fisandohana sy ny fisolokiana ataon’ny olon-kafa. Faharoa,  simba ny tontolo iainana, izay miteraka tsy fahasalamana ho an’ireo mponina manodidina, indrindra fa ireo zaza mbola minono. Nilaza ny zanaky ny faritra sy ny solontenan’ny mponina ireto fa efa nisy ny hetsika nataon’ny mponina ho fanoherana io fitrandrahana io, volana vitsy lasa izay, ka niteraka fisamborana sy faharatrana ho an’ireo mpanao fihetsiketsehana (ndlr: manohitra ny fitrandrahana). Mba tsy hisian’ny fifandonana sy ny ra mandriaka intsony, dia mangataka amin’ny mpitondra izy ireo, mba hampitsahatra io fitrandrahana fasimainty ao “Base Toliara” io, hoy ny hetahetan’ireo mponina ireo. Nambaran’izy ireo fa samy tsy misy mahazo tombontsoa amin’ny fisian’io korontana io, na iza na iza, hoy hatrany ireto mponina ireto. Etsy an-kilan’izay anefa manohy ny asany ny orinasa “Base Toliara” ary efa mandefa ireo zanaky ny faritra hianatra sy hiofana any ivelany, misy maharitra 2 taona ny fianarana atao any, ary ireo no hiverina hiasa aty Madagasikara avy eo. Tsy manana eritreritra ny hampiato ny asany mihitsy ny ao amin’ny “Base Toliara” ary manohy ny fampiasam-bola ataony; tena mihenjan-droa ny tady, araka izany.

 

Sitraka r.   

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana