Dans la mme rubrique

Malagasy ao La Réunion Hajao ny zon’ny Malagasy tompon-tany

22/10/2019

Miitatra hatrany ampitan-dranomasina ny raharaha Ambohitrimanjakana amin’izao.

Malagasy ao La Réunion Hajao ny zon’ny Malagasy tompon-tany

Hamaky ny tohiny...

Bemasoandro Itaosy Olona 130 voapoizina ara-tsakafo

22/10/2019

Tafakatra 130 ankehitriny ireo olona lasibatra vokatry ny fahapoizinana ara-tsakafo nitranga teny Bemasoandro Itaosy ny 13 oktobra lasa teo.

Bemasoandro Itaosy Olona 130 voapoizina ara-tsakafo

Hamaky ny tohiny...

Homamiadana sy aretin’ny vanintaolana Mitarika fanaintainana mafy

22/10/2019

Betsaka ireo olona miaina fanaintainana hatrany eto amintsika eo amin’ny lafiny ara-pahasalamana.

Homamiadana sy aretin’ny vanintaolana Mitarika fanaintainana mafy

Hamaky ny tohiny...

Fokontany Mahavoky Lakan-drano mirefy 1.900 metatra nodiovina mandritry ny 20 andro

22/10/2019

Anisan’ny fokontany manainga zipo rehefa avy ny orona, eny Mahavoky, Besarety iny.

Fokontany Mahavoky Lakan-drano mirefy 1.900 metatra nodiovina mandritry ny 20 andro

Hamaky ny tohiny...

Vola lany amin’ny fanafody 5.000 ka hatramin’ny 100 000 ariary ho an’ ny olona iray

22/10/2019

Mandany any amin’ny 5.000 ariary, ka hatramin’ny iray hetsy ariary ny vola lany amin’ny fanafody.

Vola lany amin’ny fanafody 5.000 ka hatramin’ny 100 000 ariary ho an’ ny olona iray

Hamaky ny tohiny...

Fanirisoa Ernaivo "Aza manao didin'ny be sandry..."

21/10/2019

Tsy hoe rehefa fanesorana ny olona amin’ny taniny (expropriation) dia azo ekena na tiana na tsy tiana na mety na tsy mety fa misy lalàna mandamina azy io,

Fanirisoa Ernaivo "Aza manao didin'ny be sandry..."

Hamaky ny tohiny...

Vonjy Be Sady an-tsaha no an-tanàna ety Antehiroka

21/10/2019

Midina ifotony mijery ny zava-misy, mihaino sy mifanakalo hevitra amin’ny tantsaha.

Vonjy Be Sady an-tsaha no an-tanàna ety Antehiroka

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

Faritra Atsinanana Hambolena zanakazo 10 tapitrisa fototra

25/09/2019

Naompana tamin’ny lafiny tontolo iainana ny andiany fahadimy amin’ny hetsika Tagnamaro nandraisan’ireo sehatra maro samy hafa anjara tamin’ny alalan’ny fanomanana zanakazo ka miisa 70.000 fototra no vita tamin’izany.

 

 

 

Ho an’ny minisiteran’ny tontolo iainana Atsinanana dia zanakazo samy hafa karazana sy haingam-pitombo miisa 10 tapitrisa fototra no tanjona amin’ity taona 2019 ity,hoy ny Talem-paritra vaovao,Tezena  Lionel Armando izay  hotsinjaraina amin’ireo Distrika mandrafitra ny Faritra Atsinanana. Napetraka koa ny Cite Geante mirefy  5 ha izay hiarahan’ny Tafika sy ny DREED Atsinanana miasa hamolavolana ny zanakazo mialohan’ny hambolena azy tamin’ity herinandro ity satria faritra Atsinanana miverina maitso no tanjona, hoy ny fanazavana. Asa goavana no ho tanterahina ao amin’ity Cite Geante ity izay efa misy ireo voa nafafy ka afaka 15 na 20 andro dia efa azo afindra, hoy ny teknisianina. Ny toerana rahateo mety tsara sy mamaly ny filan’ny famolavolana ny toeram-pamokaran-janakazo. Velaran-tany mirefy 40.000 ha no horakofana ala amin’ity taona ity raha ny vina voalaza ka ny volana novambra izao dia efa hiasa ny Drone hanaparitaka ireo voankazo handrakofana ny ala Atsinanana.Tafiditra anatin’ny politikan’ny minisitera amin’ny ady hiarovana ny tontolo iainana io, hoy ny fanazavana, ary tsy ho tratra ny tanjona raha tsy misy ny fiaraha-mientan’ny rehetra izay mianga amin’ny vahoaka ifotony sy ny minisitera tomponandraikitra.

J. Mirija

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana