Dans la mme rubrique

Fanafihana « CASH POINT » Ampefiloha « Efa vita tetika mialoha ny tifitr’ireo jiolahy mpandroba»

22/10/2019

Tifitra in-telo no nahazo ilay lehilahy raha vao niala ny môtô izay nanaterany ny vadiny sy ny sakaosy nisy vola hampiasaina amin’ny toeram-pandraisana sy fametrahana vola manoloana ny efitrano fidiovam-bahoaka manamorona ny lalamby Ampefiloha.

Fanafihana « CASH POINT » Ampefiloha « Efa vita tetika mialoha ny tifitr’ireo jiolahy mpandroba»

Hamaky ny tohiny...

Asan-jiolahy eto Iarivo 6 hetsy no vidin’ny basy iray

21/10/2019

Tra-tehaka ny mpivarotra basy poleta sy bala efatra izay mbola anaty fonony.

Asan-jiolahy eto Iarivo 6 hetsy no vidin’ny basy iray

Hamaky ny tohiny...

Mpanendaka teny 67Ha Nofandrihan’ny polisy miendrika sivily

21/10/2019

Lehilahy roa no voasambotry ny polisy miasa ao Isotry ny sabotsy 19 oktobra teo teny amin’ny faritra CENAM 67ha iny tamin’ny

Mpanendaka teny 67Ha Nofandrihan’ny polisy miendrika sivily

Hamaky ny tohiny...

AMBODIN’ISOTRY Voasambotra ny mpanendaka mpamerin-keloka

21/10/2019

Miandrandra fanavaozana ny lalàna fanafaizana ireo mpamerin-keloka ho fitandroana ny fandriampahalemana ny mpanara-baovao. Nandritra ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana no fantatra fa efa mpamerin-keloka ireo roalahy avy eny Ambodin’Isotry nifanenjehana ka voasambotry ny polisy teny 67ha.

AMBODIN’ISOTRY Voasambotra ny mpanendaka mpamerin-keloka

Hamaky ny tohiny...

Talatamaty Maty tsy tra-drano ilay mpitondra môtô

18/10/2019

Tsy an-kijanona intsony lozam-pifamoivoizana izay mahafaty ny mpandeha moto. Omaly dia nisy iray hafa indray namoy aina tetsy Talatamaty.

Talatamaty Maty tsy tra-drano ilay mpitondra môtô

Hamaky ny tohiny...

Zandary mamo nitifitra tamin’ny basiny Divi-janahary no tsy nahavoa ilay tovolohy

18/10/2019

Karohina ilay manamboninahitra izay “commandant de compagnie” teo aloha tao Ampanihy-Andrefana voalaza ho nanaotao foana ny talata teo.

Zandary mamo nitifitra tamin’ny basiny Divi-janahary no tsy nahavoa ilay tovolohy

Hamaky ny tohiny...

AMBATOMARO Mpifoka rongony nifanenjehan’ny polisy

18/10/2019

Vao nahita ireo mpitandro filaminana ireo mpifoka rongony eny Ambatomaro dia nirifatra nitsoaka.

AMBATOMARO Mpifoka rongony nifanenjehan’ny polisy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Ambovombe Androy Zaza tsy ampy taona no atidohan’ny fanafihana

25/09/2019

Zaza tsy ampy taona roa tamin’ireo tompon’ny atidohan’ny fanafihana no nidoboka am-ponja vonjimaika niaraka tamin’ireo lehilahy roa hafa.

 

 

Nitrangana  fanafihana nisesisesy tao an-tampon-tanàna’Ambovombe Androy ny volana septambra lasa teo iny. Nanao ny  fanadihadiana ny polisy mahakasika ireo fanafihana misesy nianjady tamin’ny mponina tany an-toerana ireo. Nisy ny vaovao azo avy amin’ny olona tsara sitrapo tany an-toerana ny 15 septambra lasa teo ka fantatra avokoa ireo olon-dratsy nanao ireo fanafihana.

Nametraka paik’ady ny polisy any an-toerana ka ny 16 septambra lasa teo dia tra-tehaky ny polisy ny lehilahy miisa efatra izay mpanao an’ireo asa ratsy ireo ka tsy ampy taona ny roa amin’izy ireo. Rehefa nohadihadiana tany amin’ny kaomisaria izy ireo dia niaiky ny heloka nataony fa izy ireo no tompon’andraikitra tamin’ny fanafihana nisesy tao Ambovombe. Nidoboka am-ponja vonjimaika izy 4 mirahalahy rehefa natolotra ny fampanoavana. Tsy any Ambovombe irery ihany fa saika manerana ny Nosy no mahazo vahana ny asa ratsin’ny zaza tsy ampy taona.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana