Dans la mme rubrique

Fankalazana ny fetim-pirenena Tsy azon’ ny rehetra hatrehina

28/05/2020

Noho ny fiparitahan’ny tsimok’aretina Covid 19 eto amintsika sy ho fanajana ny fepetra ara-pahasalamana rehetra dia fantatra fa tsy azon’ny rehetra hatrehina toy ny isan-taona ny fankalazana ny fety amin’ity taona 2020 ity.

Fankalazana ny fetim-pirenena Tsy azon’ ny rehetra hatrehina

Hamaky ny tohiny...

Orinasa Ambatovy Mpiasa 850 handao an’i Madagasikara

28/05/2020

Nianga omaly tao Toamasina ireo vazaha mpiasan'Ambatovy. Fiaramanidina miisa telo an’ny Tsaradia, rantsan’ny kaompania Air Madagascar no naka azy ireo tao Ambalamanasa nihazo an’Antananarivo, avy eo mandray ny sidina manokana mankany ivelany.

Orinasa Ambatovy Mpiasa 850 handao an’i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Ikongo Foto-drafitrasa vita tamin'ny fanjanahantany no betsaka

28/05/2020

Mbola foto-drafitrasa vita tamin'ny andron'ny fanjanahantany teto amintsika no betsaka mitsangana any amin'ny distrikan'Ikongo V7V misy anay, hoy ny depiote Razafitsiandraofa Jean Brunel

Ikongo Foto-drafitrasa vita tamin'ny fanjanahantany no betsaka

Hamaky ny tohiny...

Faritra Vakinankaratra "Ambulance" tratra nitondra olona an-tsokosoko

27/05/2020

Fiara mpitondra marary iray no saron’ny zandary nitondra olona an-tsokosoko avy any Antananarivo tany amin’ny Faritra Vakinankaratra.

Faritra Vakinankaratra "Ambulance" tratra nitondra olona an-tsokosoko

Hamaky ny tohiny...

Lakandranon’i Pangalana Hita fatin’ilay zandary latsaka tanaty rano

27/05/2020

Hita ny marainan'ny omaly 26 mey 2020 tamin'ny 6 ora ny vata mangatsiakan' Itompokolahy Tsilangoui Angelico, Zandary kilasy faharoa niasa tao amin'ny

Lakandranon’i Pangalana Hita fatin’ilay zandary latsaka tanaty rano

Hamaky ny tohiny...

Raharaha CVO sy Coliseum Izay miresaka ao Ambohitsorohitra dia miova hevitra

27/05/2020

Mampahatsiaro ny fanambaran’ny akademian’ny fitsaboana taorian’ny fotoana nampahafantarana voalohany ny fisian’ny tambavy CVO na Covid organics ny zava-mitranga ihany koa amin’ny ady hevitra tsy mety vita momban’ny

Raharaha CVO sy Coliseum Izay miresaka ao Ambohitsorohitra dia miova hevitra

Hamaky ny tohiny...

Androhibe Antsahadinta Olona 29 avy any Ambatolampy tratra niditra an-tsokosoko

26/05/2020

Lehilahy miisa 29 avy any Ambatolampy no tratra niditra an-tsokosoko tao Androhibe Antsahadinta omaly.

Androhibe Antsahadinta Olona 29 avy any Ambatolampy tratra niditra an-tsokosoko

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Asa ratsy amin’ny fesiboky Lasibatra ny anaran’ny praiminisitra

26/09/2019

Nanamafy ny fanambarana efa nataony ny eiadidian’ny Primatiora manoloana ny fampiasana ny anaran’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta amina asa fisolokiana samihafa, indrindra fa ny tambajotran-tserasera.

 

Noho ny fahitana fampiasana hosoka eny amin’ireo tambajotran-tserasera izay ataon’ny olona manana fikasan-dratsy, indrindra fa ao amin’ny tambajotra facebook, dia manao fanambarana ampahibemaso, amin’ny anarany manokana sy amin’ny maha lehiben’ny governemanta azy, ny praminisitra Ntsay Christian, fa tsy mbola nanana ary tsy nampiasa « facebook » mihitsy ny tenany, ary tsy tompon’andraikitra amin’izay mety ho fampiasana ny anarana « Christian Ntsay » na « Ntsay Christian » ao amin’izany tambajotra izany, hoy ny fanambarana. Misaotra sy manantena ny fahamalinan’ny olom-pirenena rehetra ny praiminisitra, mikasika io resaka io. Lasibatra hatramin’ny lehiben’ny governemanta izany amin’ny resaka fisandohana sy asa ratsy amin’ny tambajotran-tserasera, izay tokony handraisana fepetra hentitra kokoa ary tsy hasiana tombo sy hala. Mila jerena akaiky ihany koa ny karazana fandranitana sy fanalam-baraka amin’ny endriny maro.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana