Dans la mme rubrique

Orinasa Ambatovy Teratany vahiny 150 handeha hody

27/05/2020

Hiala any Toamasina anio ireo teratany vahiny niasa tao Ambatovy miisa 150 avy amina firenena samihafa. Hisy fiaramanidina manokana haka azy ireo, hitondra azy ireo hitodi-doha any amin’ny firenena nihaviany avy.

Orinasa Ambatovy Teratany vahiny 150 handeha hody

Hamaky ny tohiny...

Tranga vaovaon'ny Covid 19 Olona 108 tapitrisa naverina nahiboka any Chine

20/05/2020

Raha ny fitrangany manerana izao tontolo izao dia ity aretina Covid 19 ity no hita ho sarotra resana indrindra tamin’ireo aretina rehetra nihanaka teto ambonin’ny tany.

Tranga vaovaon'ny Covid 19 Olona 108 tapitrisa naverina nahiboka any Chine

Hamaky ny tohiny...

Burundi Noroahana ny solontenan’ny OMS

15/05/2020

Nisaoran’ny fitondram-panjakana burundey mba tsy hilazana hoe noroahany tao amin’ity firenena afrikanina ity ireo solontenan’ny sampan-draharahan’ny firenena mikambana misahana ny fahasalamana na OMS ao an-toerana.

Burundi Noroahana ny solontenan’ny OMS

Hamaky ny tohiny...

Frantsa tao anaty fihibohana Olona 12 tapitrisa no very asa

12/05/2020

Niala tanteraka ny fihibohana raha nihidy aman-trano nandritra ny 55 andro i Frantsa nanomboka omaly. Misokatra avokoa ireo toeram-pivarotana, sekoly, … ary afaka mifamezivezy an-kalahahana ny rehetra.

Frantsa tao anaty fihibohana Olona 12 tapitrisa no very asa

Hamaky ny tohiny...

Joe Biden kandida ho filoha Amerikanina Misy manenjika ho nanao fanararaotana ara-nofo

09/05/2020

Na mbola ady tsy fanta-piafarana aza hatreto ny resaka Coronavirus, dia efa manomboka mifantoka amin’ny fifidianana Filoham-pirenena afaka enim-bolana ny any Etazonia firenena isan’ny be matin’io valanaretina io.

Joe Biden kandida ho filoha Amerikanina Misy manenjika ho nanao fanararaotana ara-nofo

Hamaky ny tohiny...

Rosia 10 000 mahery iray andro, voa ny praiminisitra ...

07/05/2020

Taorian’ny fotoana lava dia isan’ireo firenena tsy mba voakasika firy i Rosia, izay 2200 teo ny olona voa tany amin’ny faran’ny volana martsa.

Rosia 10 000 mahery iray andro, voa ny praiminisitra ...

Hamaky ny tohiny...

Eoropa Mihena ny isan'ny maty

05/05/2020

Manomboka miala tsikelikely amin’ny fihibohana ny ankamaroan’ireo firenena any Eoropa,

Eoropa Mihena ny isan'ny maty

Hamaky ny tohiny...


Any Ivelany

Nodimandry i Jacques Chirac Niavaka ny fifandraisany tamin’i Madagasikara

27/09/2019

Nodimandry tao Paris omaly 26 septambra teo amin’ny faha-86 taonany ny filoha Frantsay teo aloha Jacques Chirac, rehefa nolazoan’ny aretina an-taonany maro.

 

 Nitondra an’i Frantsa teo anelanelan’ny taona 1995-2007, izany hoe nahavita fe-potoam-piasana roa, izay filoha faha-5 tao anatin’ny Repoblika faha-5 frantsay ny tenany. Mpitarika  politika malaza, ary izy no namorona ny Antoko RPR (Rassemblement pour la République). Anisan’ny nanamarika ny tontolo politika frantsay tao anatin’ny 40 taona, ary nandalo lalana maro satria efa mpanolotsaina monisipaly, mpanolotsaina jeneraly, depiote, minisitra tanora ary anisan’ny novolavolain’ny filoha Frantsay Georges Pompidou (Nitondra teo anelanelan’ny 1969-1974), ben’ny tanànan’i Paris (1977-1995) ary lasa filoham-pirenena avy eo. Efa praiminisitra tamin’ny fitondran’i Valéry Giscard d'Estaing sy François Mitterrand ihany koa izy. Raha ny fifandraisana ara-diplomatika teo amin’i Madagasikara sy Frantsa, dia nandamina ny amiraly Ratsiraka tamin’ny raharaha 2001-2002 i Jacques Chirac. Na somary nangatsiaka am-boalohany aza ny fifandraisana tamin’i Frantsa amin’ny ankapobeny taorian’ny krizy, dia nafana teo aminy sy i Marc Ravalomanana, ka niara-niasa tanteraka ny roa tonta. Novatsian’ny Frantsay vola ny tetikasa goavana, toy ny fanamboarana ny lalana Boulevard de l’Europe, Anosibe, fotodrafitrasa maromaro tao Mahajanga,... In-droa tonga teto izy, ka ny jolay 2005 no nitokana ireny fotodrafitrasa ireny. Nandeha an-tongotra tamin’iny lalana Anosibe iny izy sy ny filoha Marc Ravalomanana tamin’izany, ary nanamarika ny diany teto ny tsangambato teo Angarangarana Anosibe. Vao niala teo amin’ny fitondrana izy, dia toa nanaraka izay ny dian’i Marc Ravalomanana satria voatonontonona ho tao ambadiky ny raharaha 2009 ny filoha teo aloha Nicolas Sarkozy akaiky ny filoha Rajoelina, izay vao tamin’ny janoary lasa teo no nandalo teto. Omaly ihany moa dia nandefa taratasy fiaraha-miory amin’ny anaran’ny tenany manokana sy ny Vahoaka Malagasy any amin’ny filoha Frantsay Emmanuel Macron ny filoha Rajoelina. Notsiahiviny ny finiavana nananan’i Jacques Chirac tamin’ny fitsidihany teto ny taona 2005.

Toky R

 

    

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana