Dans la mme rubrique

Mihary Andriantsilavo Vonona hampandroso an’Ambohidrapeto

21/10/2019

Vonona hitondra fampandrosoana sy ainga vao ho an’Ambohidrapeto, distrikan’Antananarivo Atsimondrano Atoa Andriantsilavo Mihary,

Mihary Andriantsilavo Vonona hampandroso an’Ambohidrapeto

Hamaky ny tohiny...

Tsena moran’ny fanjakana Miharihary ny fanaovana propagandy

21/10/2019

Mifanandrify tanteraka amin’ny vanim-potoanan’ny fifidianana ny tsena mora tanterahin’ny fanjakana amin’izao fotoana.

Tsena moran’ny fanjakana Miharihary ny fanaovana propagandy

Hamaky ny tohiny...

Vaky ny adin’ny MAPAR Tsy ho zakanareo ny alahelonay, hoy i Rossy

18/10/2019

Nanaitra ny maro ny hafatra navoakan’ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy tao amin’ny tambajotran-tserasera omaly,

Vaky ny adin’ny MAPAR Tsy ho zakanareo ny alahelonay, hoy i Rossy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana any Betafo Kandidam-panjakana no tsy maintsy holaniana?

18/10/2019

Manoloana ny fanambarana ny hoe : “Ity no KANDIDAM-PANJAKANA, TSY MAINTSY io no LANIANA !

Fifidianana any Betafo Kandidam-panjakana no tsy maintsy holaniana?

Hamaky ny tohiny...

SEFOM-POKONTANY AO IVATO Fito no indray nalana tamin’ny toerany omaly

18/10/2019

Herinandro vitsivitsy sisa no isaina dia hiditra tanteraka anatin’ny fifidianana Ben’ny tanàna isika.

SEFOM-POKONTANY AO IVATO Fito no indray nalana tamin’ny toerany omaly

Hamaky ny tohiny...

Vahoaka Malagasy Hobadoin’ny mpitondra…

18/10/2019

Tafiakatra 60 000 ariary na 80 000 ariary ny saram-pisoratana anarana eo anivon’ny EPP, CEG… amin’izao.

Vahoaka Malagasy Hobadoin’ny mpitondra…

Hamaky ny tohiny...

Fanendrena governora Toa tanteraka moana ny HCC…

18/10/2019

Naninona no maika be ny fanendrena ireo governora andiany voalohany ireny nefa ny andiany faharoa toa nihisatra ?

Fanendrena governora Toa tanteraka moana ny HCC…

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fifidianana ben’ny tanàna Hampandresy an’i Rina ny depiote TIM

27/09/2019

Nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny fanohanany amin’ny heriny rehetra an’i Rina Andriamasinoro kandida ben’ny tanàna eto Antananarivo atolotry ny Antoko Tiako i Madagasikara na ny TIM ireo depiote 6 avy amin’io antoko io lany teto an-drenivohitra.

 

 Efa miomana sy efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanomanana ny fifidianana ben’ny tanàna sy ny mpanolotsain’ny tanàna izy ireo. Nametraka ny rafitra sy ny rindran-damina manokana hoenti-mampandany ny kandida Ben’ny tanàna eto Antananarivo Riana Randriamasinoro izy ireo omaly ary nitsodrano ity kandida ity hahaleo hahalasana. Mino izahay fa ho lany ny kandida Rina Andriamasinoro satria  ny depiote TIM 6 mianadahy lany teto Antananarivo dia ao an-damosiny sy manampy sy hampandany azy amin’ny lafiny maro, ary miantso ny vahoaka rehetra ihany koa amin’izay fotoana izay, fa amin’izao aloha tsy mbola ao anatin’ny fotoanan’ny propangady, hoy ny fanambaran’ireo depiote ireo tamin’ny alalan’ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa. Nanome toky ny hiara-dalana amin’ity kandida ben’ny tanàna ity sy ireo mpanolotsaina miaraka aminy mandritra ny fotoana rehetra hanaovana ny fifidianana ireo depiote lany tamin’ny boriborintany enina teto Antananarivo ireo. Raha hatambatra ny isam-bato azon’ireo nitaha tamin’ny mpifanandrina tamin’ny fifidianana solombavambahoaka, dia nandresy ny mpifanandrina ireto depiote TIM ireto. Tsy afaka ny hahatoky tena be loatra anefa ny TIM fa mila mahazo vato fanampin’ireo efa azo tamin’ny fifidianana filoha sy solombavambahoaka mba hanamarina ny fandresena, ary mila mailo tanteraka. Ao anatin’ny fotoanan’ny « Pré-campagne » tanteraka isika amin’izao fotoana izao, fotoana hahafahan’ny kandida mampahafantara ny tenany, manangana ny komity mpanohana, ahafahan’ny vondron-kery politika na vondron’olona manao fanambarana fanohanana kandida, Amin’ny 6 novambra izao kosa no hanomboka ny fampielezan-kevitra.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana