Dans la męme rubrique

« Tosika Fameno » Nisy nanodinkodina ny tao Moramanga ?

11/08/2020

Fianakaviana 100 mahery ao Moramanga no mahatsiaro voarirarira ka mitaky ny anjara « Tosika Fameno » tokony sitrahan’izy ireo. Nahazo hafatra tamin’ny finday avy izy ireo, mampahafantatra azy ireo ny nomerao sy ny banky na toerana handraisana ny vola 100.000 Ariary

« Tosika Fameno » Nisy nanodinkodina ny tao Moramanga ?

Hamaky ny tohiny...

Androndrakely Ampamantanana Mbola tsy milamina ny fanisam-bahoaka vaovao

11/08/2020

Na dia efa ny mpitandro ny filaminana aza no mirotsaka an-tsehatra manao fanisam-bahoaka ao amin’ny Fokontany Androndrakely Ampamantanana

Androndrakely Ampamantanana Mbola tsy milamina ny fanisam-bahoaka vaovao

Hamaky ny tohiny...

Sosialim-bahoaka Hatao peta-drindrina eny amin’ny fokontany ny lisitra

11/08/2020

Tsy voatery ireo noraisina anarana amin` ireny lisitra ireny no hisitraka ny sosialim-bahoaka hoy Hery Rasoamaromaka, governoran` ny faritra Analamanga.

Sosialim-bahoaka Hatao peta-drindrina eny amin’ny fokontany ny lisitra

Hamaky ny tohiny...

Anosiala Nahitana fatin-dehilahy niboridana

10/08/2020

Lehilahy iray izay voalaza fa efa tsy misy aina intsony no sady niboridana no hita tao amin’ny Fokontany Andoharano, Soamanandray Anosiala,

Anosiala Nahitana fatin-dehilahy niboridana

Hamaky ny tohiny...

Fandriana Mitotongana ny vidin’ny ravim-paraky

10/08/2020

Mitaraina ireo tantsaha mivelona amin ny fambolena paraky any amin’ny distrikan’i Fandriana Faritr’Amoron’i Mania fa mora loatra ka toy ny manambaka

Fandriana Mitotongana ny vidin’ny ravim-paraky

Hamaky ny tohiny...

Fiovan’ny kalitaon’ny rano Nivondrona hamonjy an’Andraikiba ny fikambanana maro

10/08/2020

Taorian’ny fandinihana natao nahitana fa miha ratsy ny kalitaon’ny rano ao amin’ny farihin’Andraikiba dia nivondrona ny avy eo anivon’ny Jirama ao an-toerana, ny fiadidiana ny faritr’I Vakinankaratra,

Fiovan’ny kalitaon’ny rano Nivondrona hamonjy an’Andraikiba ny fikambanana maro

Hamaky ny tohiny...

MYRIAM Nisy nanolana, lasa simba hatramin’ny sainy

10/08/2020

Tovovavy kely tena tia fianarana no sady nahay i Myriam. Teo-amin'ny faha 15 taonany anefa dia nisy nanolana izy. Simba tanteraka ity tovovavy kely ity noho izany.

MYRIAM Nisy nanolana, lasa simba hatramin’ny sainy

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

Raharaha Ambohitrimanjaka Mikoropaka ny fitondrana !

30/09/2019

Re izao fa may volon-tratra ny ao an-dapa, indrindra fa ny ekipa eny Ambohitsorohitra izay misy ny departemanta serasera eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika na ny Prezidansa.

 

 

 Ny fihetsiketsehana nataon’ny mponin’Ambohitrimanjaka ho fanoherana ny fanotofana tanimbary noho ny fananganana ilay tanàna goavambe Tanà-masoandro no fantatra fa anton’izao fikoropahana izao. Hetsika ampilaminana no nataon’ireo mponina avy eny Ambohidrapeto, Ambohitrimanjaka, Ankadimanga, Fiombonana,… Niainga teny Mahitsy Ambany ny diabe hatreo amin’ny sampanana Ambohitrimanjaka. Naseho tamin’ny alalan’ny sorabaventy ny tsy fankasitrahany, toy ny hoe : ” Tsy manaiky ny hanotorana ny tanimbarinay izahay tantsaha eto amin’ny kaominina Ambohidrapeto – Fiombonana”, “Projet Tanamasoandro dehors !” “Non au remblai de nos rizières !” “Tsy manaiky ny hanotorana ny tanimbarinay eto Ambohitrimanjaka”, “Tsy ekena ny fanotofana ny tanimbarinay satria tsy mifanaraka amin’ny politikam-panjakana izany, izay milaza fa hampitombo ny fambolena vary !”, “Izahay vahoaka eto Lehilava Ambohitrimanjaka dia tsy manaiky ny hanotofana ny tanimbarinay”, “Fokontany Beloha – Tsy manaiky ny hanotofana ny tanimbarinay eto Ambohitrimanjaka”, “Tsy ekenay totofana ny tanimbarinay  Ataovy any amin’izay tianareo amindrana azy ny Tanamasoandro”,…

 

Mifamome tsiny

Re fa efa mandeha sahady ny fifanomezan-tsiny eo amin’ireo samy mpiara-miasa akaikin’ny filoham-pirenena. Raha tena mafy tokoa mantsy ny serasera mialoha sy nandritra ny propagandy dia hita ho niha maivana izany rehefa tena tonga teo amin’ny fitondrana tokoa i Andry Rajoelina. Vaky vava mihitsy ny mpanara-baovao hoe : sao dia any amin’ny resaka fikarakarana lanonana tokoa aza no manavanana an-draprezy sy ny ekipany fa raha serasera any anaty politika dia sahirana ry zareo. Maivana tokoa mba tsy ilazana hoe tsy nisy ny serasera fanazavana sy fandresen-dahatra tena matotra momba ny tetikasa “Tanàmasoandro” ary na ny velaran-tany asiana izany aza dia efa manjavozavo hoe firy hektara marina. Azo natao tsara anefa dieny vao tonga teo amin’ny fitondrana ny volana janoary 2019 ny nanao serasera faran’izay matanjaka sy nandamina izay tokony halamina rehetra fa tsy aty amin’ny volana septambra, ao anatina vidim-piainana efa tena mamay be sy fotoanan’ny fanadinana (BEPC, BACC..) vao hoe hihaona sy hiresaka amin’ireo mpandraharaha, mandresy lahatra ny isan-tokantrano sy isam-pianakaviana eny Ambohitrimanjaka sy ny manodidina. Hita tokoa fa mazoto mampiasa ny tambajotran-tserasera facebook ireo mpiara-miasa amin’ny filoham-pirenena saingy tsy any anaty facebook kosa angamba no handresena lahatra ny olom-pirenena amina tetikasa goavam-be sy mahakasika ny fiainana fianakaviana maro… toa manomboka miseho hatrany ilay nahian’ny maro hatramin’izay hoe sao lahy ka resaka kitaitaitra fotsiny no hakana fitondrana fa tsy vonona tsara akory ny ekipa sy ny mpiara-miasa, hany ka mampiseho fomba fiasa tsy matotra hatrany… ary maro ny fanapahan-kevitra hita mibaribary izao hoe kitoatoa fa dia terena ho mety sy marina fotsiny ka atao laza masaka hoe voambolana fotsiny no novaina fa mitovy amin’ny lehiben’ny faritra ihany ny governora. Ahiana hivadika zavatra hafa ary mety tena hanohintohina ny fitondram-panjakana ity raharaha Ambohitrimanjaka ity, tahaka ny raharaha Soamahamanina fony fitondrana HVM sy ny nanenjehan’ny mpiara-dia amin’i Andry Rajoelina tamin’ny 2008 fa hoe mivarotra tanindrazana amin’ny Daewoo Corporation i Marc Ravalomanana….Dia efa fantatra ihany ny tohiny avy eo moa .

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana