Dans la mme rubrique

Mihorohoro amin’ny Barea i Afrika

20/11/2019

Nibata fandresena miezinezina tany an-tanin’olona ny Barean’i Madagasikara omaly, izay nanamontsana an’i Niger 6-2 tao amin’ny taniny.

Mihorohoro amin’ny Barea i Afrika

Hamaky ny tohiny...

Olana ara-piarahamonina Zaza 956 no very teto Antananarivo

20/11/2019

Nahatratra 956 ny fitarainana zaza very voarain’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona etsy Tsaralalana hatreto.

Olana ara-piarahamonina Zaza 956 no very teto Antananarivo

Hamaky ny tohiny...

Pro League andro faha-4 Mbola mitarika ny CNaPS Sport Itasy

20/11/2019

Taorian’ny nahavitan’ny andro faha-4 amin’ny fifaninana baolina kitra Pro League Malagasy tamin’ny alahady 17 sy tamin’ny alatsinainy 18 novambra teo ka

Pro League andro faha-4 Mbola mitarika ny CNaPS Sport Itasy

Hamaky ny tohiny...

UFFOI U15 2019 Lavon’i Djibouti ny Barea U15

20/11/2019

Araka ny vokatr’ireo lalao manasa-dalana notontosaina omaly talata 19 novambra tany amin’ny kianja Mfa Astro Turf sy tany amin’ny kianja St François Xavier samy atsy amin’ny nosy

UFFOI U15 2019 Lavon’i Djibouti ny Barea U15

Hamaky ny tohiny...

RUGBY – ELIMINATOIRE COUPE D’AFRIQUE 2010-2020 Handray an’i Nigeria etsy Mahamasina ny XV Makis

20/11/2019

Ny lalao rugby indray no hihanoka amin’ny fandraisana lalao iraisam-pirenena etsy amin’ny kianjan’i Mahamasina amin’ny alahady 01 desambra 2019 ho avy izao ka inoana fa hahafeno hipoka an’ity kianja ity indray amin’izany fotoana izany.

RUGBY – ELIMINATOIRE COUPE D’AFRIQUE 2010-2020 Handray an’i Nigeria etsy Mahamasina ny XV Makis

Hamaky ny tohiny...

Kandidà Gasy N°3 Nanolotra « Tournoi Pétanque » ho an’ny tanoran’Andoharanofotsy

18/11/2019

Nanolotra « Tournoi Pétanque » ho an’ny tanora tao Andoharanofotsy, ny kandida Ranary Lala na Gasy N°3 ao anaty bileta tokana.

Kandidà Gasy N°3 Nanolotra « Tournoi Pétanque » ho an’ny tanoran’Andoharanofotsy

Hamaky ny tohiny...

Fifanintsanana CAN 2021 Tsara toerana i Madagasikara

18/11/2019

Nahazo isa 3 sahady ny Barean’i Madagasikara eo amin’ny fifanintsanam-bondrona CAN 2021, andro voalohany, rehefa nandresy ny Walya Etiopianina tamin’ny 1-0 tetsy amin’ny kianjan’i Mahamasina tamin’ny sabotsy 16 novambra 2019.

Fifanintsanana CAN 2021 Tsara toerana i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...


Sport

Baolina kitra Afrikanina 2019 Raraka avokoa ny Fosa Juniors sy ny CNaPS Sport

30/09/2019

Nifarana teo amin'ny fihodinana faharoa ny lalana ho an'ny CNaPS Sport amin’ny fifaninanana fiadiana ny amboaran’ny kaonfederasiona Afrikanina 2019/2020.

 

 

 Lavon'ny TS Galaxy 3 no ho 1 teo amin’ny kianjany, tetsy Vontovorona, izy ireo tamin’ny sabotsy 28 septambra 2019 tolakandro teo amin’ny lalao miverina amin’ny fihodinana faharoa amin’ity fifaninanana ity rehefa resy 1-0 ihany koa tamin’ny lalao mandroso, tapa-bolana lasa izay, tany Afrika Atsimo. Nisy fiantraikany be teo amin’ny mpilalaon’ny CNaPS indray ny baolina tafiditr’izy ireo teo amin’ny minitra faha-5 tamin’ity sabotsy ity nefa nolavin’ny mpitsara fa hoe : “hors jeux”. Nilaza ny mpanazatra ny Ts Galaxy, Daniel Malesele, taorian’ny lalao fa “passion” ny an’ireo mpilalaony ny manao baolina kitra ary nahomby ny fianarana norantoviny tany amin’ny Akademia nisy azy ireo. Tany aminay ny CNaPS Sport no tena nilalao, hoy izy, fa tratran’ny “pression” izy ireo teto Vontovorona. Niaiky kosa ny mpanazatra ny CNaPS Sport, Andriambololona Tipeh, fa manatombo tamin’ny lafiny rehetra ny Ts Galaxy Fc izay efa zatra miaraka tanteraka hatrany amin’ny Akademia nisy azy ireo ary izahay kosa mbola nanavao mpilalao maro ka mbola eo am-pandaminana an’izany.  Nifarana teo amin’ny dingana savaranonando kosa teo amin’ny fiadiana ny amboran’i Afrika amin’ireo ekipa tompondaka 2019/2020 ny tompondaka Malagasy, Fosa Juniors Boeny, fa resin’ny ekipan’ny Tp Mazembe tany Congo 3-1 ihany omaly alahady 29 septambra 2019 teo amin’ny lalao miverina. Marihana fa mbola 1-1 ny isa teny amin’ny tabilao teo am-pialantsasatra ka mbola tafita ny Fosa raha nahay nitazona an’io isa io hatramin’ny farany saingy ry zareo Mazembe no nahatafiditra baolina roa hafa indray. Mbola afaka hilalao ami’ny playoffs CAF Confederation Cup (25 oktobra - 4 novambra) ny Fosa Juniors FC. Raha tafita amin'io lalao mandroso/miverina io izy ireo dia handray anjara amin'ny lalao isambondron'ny Confederation Cup. Amin'ny 9 oktobra ny antsapaka hahafantarana ny mpifanandrina aminy.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana