Dans la mme rubrique

Iavoloha Fatin-dehilahy mifono mistery…

21/11/2019

Lehilahy iray no hita faty anaty tatatra fandehanan’ny rano maloto teny Iavoloha, teo amin’ny sampanana mihazo ny Lapam-panjakana omaly vao maraina.

Iavoloha Fatin-dehilahy mifono mistery…

Hamaky ny tohiny...

ANOSY Zazavavy kely 4 taona nazeran'ny taksibe

21/11/2019

Ankizy vavy kely sahabo ho efatra taona no nianjera tampoka teny ambony taksibe teo Anosy omaly maraina tamin'ny 6ora sy sasany. Sady niteny ilay mpamily hoe :

ANOSY Zazavavy kely 4 taona nazeran'ny taksibe

Hamaky ny tohiny...

Antsirabe 10 tapitrisa ariary ny kilaon’ny taolam-paty

20/11/2019

Araka ny fanadihadian'ny polisim-pirenena ao amin'ny kaomisarian' Antsirabe, 10 000 000 Ariary no noheverin'ireo mpamaky fasana tao Ambatomenaloha Tsaravavaka,

Antsirabe 10 tapitrisa ariary ny kilaon’ny taolam-paty

Hamaky ny tohiny...

Hopitalim-panjakana tsy misy fanafody 10 000Ar ny “consultation” any Namahora

20/11/2019

Velon-taraina ny olona any Morondava noho ny tsy fisiana fanafidy ao amin’ny Hopitaly Namahora.

Hopitalim-panjakana tsy misy fanafody 10 000Ar ny “consultation” any Namahora

Hamaky ny tohiny...

Halatra moto Atolotra fampanoavana anio ilay mpisera

20/11/2019

Halatra moto Atolotra fampanoavana anio ilay mpisera

Hamaky ny tohiny...

Famonoana mpiandry ondry sy osy tany Mahajanga Naiditra am-ponja vonjimaika ilay nahavanon-doza

20/11/2019

Any am-ponjan'ny Mahajanga no miandry fitsarana ilay namono nahafaty ny tovolahy 15 taona izay mpiandry ondry sy osy amam-polony maro.

Famonoana mpiandry ondry sy osy tany Mahajanga Naiditra am-ponja vonjimaika ilay nahavanon-doza

Hamaky ny tohiny...

Andapa Tsy mitombina ilay “halatra taova”

18/11/2019

Mihidy mialoha ny amin’ny 9 ora alina ny toeram-pisotroana, mitohy ny fanentanan’ny manampahefana any Andapa fa tsy mitombina ny feo niely tamin’ny tambajotran-tserasera mahakasika ny

Andapa Tsy mitombina ilay “halatra taova”

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fanafihana teny Ivato Nongotan’ireo jiolahy ny «grille de protection»

30/09/2019

Mahazo vahana ny asan-jioalhy eny Ivato sy ny manodidina ankehitriny.

 

Nitrangana fanafihana ny tokatrano iray ana fianakaviana efa-mianaka tao Ankadindravola Ivato. Afak’omaly tamin’ny roa ora

maraina no nisehoan’ny vaky trano. Nongotan’ireo olon-dratsy ny vy fiarovana teo amin’ny varavarankely na «grille de protection». Very nandritra ny fanafihan-jiolahy ny vola mitentina 520 000 ariary, zava-maneno subwoofer  iray, vilany telo, fanalahidin’ny fiara sy karatra fakana vola amin’ny banky ary antontantaratasy sarobidy maro tahaka ny kara-panondro, bokim-pianakaviana, taratasy fanomanana ny fisaraham-panambadiana. Tsy milamina iny faritra iny raha ny filazan’ireo mponina eny an-toerana. Mandry tsy lavo loha ny vahoaka. Miandrandra mpitandro filaminana manao fisafoana amin’ny alina ny kaominin’Ivato izay vavahady iraisam-pirenena amin’ny maha seranam-piaramanidina azy. Maro tovolahy mivezivezy amin’ny alina amin’iny faritra Ivato iny. Marihina fa teratany Malagasy ireto lasibatra very “passeport” ireto. Ny zandary eny an-toerana no mandray an-tanana ny tohin’ny fanadihadiana.

 

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana