Dans la mme rubrique

Edito Tontolo samy hafa

29/01/2020

Milamina ny firenentsika, hoy ny filohan’ny CENI omaly. Zava-dehibe ny nahafahantsika nametraka tontolo tony, hoy kosa ny filohan’ny HCC.

Edito Tontolo samy hafa

Hamaky ny tohiny...

Edito Inona ilay tokony ho nohenoina ?

27/01/2020

“800fmg ny 1FF tamin’ny fitondrako”, “raha nihaino ny teniko tsy ho toy izao mihitsy ny firenena”.

Edito Inona ilay tokony ho nohenoina ?

Hamaky ny tohiny...

Efa rano raraka

21/01/2020

Toy ny vao omaly ilay raharaha 2009 nivoizana fa namadika tanindrazana ny mpitondra teto Madagasikara, raha saika hampanofa tany ny orinasa Koreanina iray.

Efa rano raraka

Hamaky ny tohiny...

Mba rahoviana

20/01/2020

Itodihana ny lasa, atrehina ny ny ankehitriny, banjinina ny ho avy.

Mba rahoviana

Hamaky ny tohiny...

Edito Demokrasian’ny fanagiazana

17/01/2020

Tsaroana ny fanakianan’ny mpanohitra azy ilay filoham-pirenena iray ho mpanao ampihimamba.

Edito Demokrasian’ny fanagiazana

Hamaky ny tohiny...

Be loatra ny mpamosavy malemy

16/01/2020

Tsy takona afenina intsony fa mikorontana ny firenena. Tsy mahavaha olana ny fitondram-panjakana.

Be loatra ny mpamosavy malemy

Hamaky ny tohiny...

Edito Maty paika !

15/01/2020

Misasaka sahady ity ny volana janoary. Be izay hita tao anatiny izay.

Edito Maty paika !

Hamaky ny tohiny...


Edito

Ny henjana ihany !

01/10/2019

Fitenin’ny tanora amin’izao fotoana indray ankehitriny ilay hoe « ny henjana ihany ! » ity rehefa te haneho sarisary mikasika asa na

 

 

fampanantenana iray sarotra tanterahana na mety tsy azo tanterahana mihitsy aza kanefa dia misy sahy miteny fa vitany. Saika hita isan’andro io ao anaty tambajotran-tserasera ao. Ny henjana ihany, hono, no mahavita mamelona tantsaha amin’ny alalan’ny fanotofana tanimbary na koa hoe “Ny henjana ihany no mahavita asa tsy vita tao anatin’ny 58 taona ao anatin’ny 5 taona”. Tsy itarina lava be intsony fa miara-mamehy izany ny rehetra fa andron’ny « henjana » izao vanim-potoana iainantsika izao, raha ny vazivazin’ireo tanora. Dia samy miandry izay hafitsoky ny henjana eto daholo tokoa aloha ny rehetra. Samy mamakafaka ny zava-nisy tao anatin’izay 9 volana nisian’ny fitondrana vaovao izay. Samy mahatsapa tokoa aloha ny rehetra, fa tsy hoe ny sehatra iraisampirenena ihany, fa i Madagasikara dia tara an-taonany maro eo amin’ny lafiny fampandrosoana. Arahaba soa, arahaba tsara tokoa raha tena misy ilay « henjana » ara-bakiteny maromaro tafatsangana amin’izao vaninandro izao hanavotra azy. Manana ny rehetra isika ahafahana miavotra, hoy ny filoham-pirenena, volana vitsy lasa izay raha naneho hevitra tamina gazety boky iraisampirenena iray. Rahoviana ary no hampiasaina amin’ny tokony hilana azy izay rehetra ananana izay no efa ho herintaona izao tsy mety teraka Ambatobevohoka ? Tsy misy izay tsy mikaikaika amin’ny vidim-piainana miakatra sy ny tsy fandriampahalemana aloha raha mbola vahoaka Malagasy tsy mandady harona koa. Ny henjana ihany tokoa angamba sisa no mahita fa mizotra mankany amin’ny fahombiazana isika.

J. Mirija

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana