Dans la męme rubrique

Akaiky ny fifidianana Vola sandoka 400 tapitrisa ariary sarona

17/10/2019

Vola sandoka mitentina 20 tapitrisa ariary no sarona tao Vavatenina ny talata 15 oktobra 2019.

Akaiky ny fifidianana Vola sandoka 400 tapitrisa ariary sarona

Hamaky ny tohiny...

KIDNAPPING AMBOHIMANGAKELY 10 no voarohirohy hiakatra fampanoavana anio

16/10/2019

Olona folo no voarohirohy tamin’ny kidnapping zazavavy kely 1 taona sy tapany teo Ambohimangakely ny faran’ny herinandro teo. Mbola mitohy hatrany ny famotorana raha ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena.

KIDNAPPING AMBOHIMANGAKELY 10 no voarohirohy hiakatra fampanoavana anio

Hamaky ny tohiny...

Entana tamina fiarabe nampiahiahy Sarona teny amin’ny lalam-pirenena faha-7

16/10/2019

Olona efatra mpiray tsikombakomba miaraka amin’ny mpamilin’ilay fiara feno entana tsy nazava no voarohirohy ary eo am-panohizana ny fanadihadiana ny vondron-tobim-paritry ny zandary ao Ambatolampy.

Entana tamina fiarabe nampiahiahy Sarona teny amin’ny lalam-pirenena faha-7

Hamaky ny tohiny...

TSY FANARAHAN-DALANA Manadio ny olony ny polisim-pirenena

16/10/2019

Fiverenana an-doharano. Manoloana ny tsy fanarahan-dalana hita eo amin’ireo mpitandro filaminana, tapa-kevitra tanteraka ny tomponandraikitra eo anivon’ny polisim-pirenena fa atomboka amin’ireo mpianatra ny fisorohana izany.

TSY FANARAHAN-DALANA Manadio ny olony ny polisim-pirenena

Hamaky ny tohiny...

TALATA-VOHIMENA MANANDRIANA Dahalo 1 lavo, kalaky 1 azon’ny fokonolona

15/10/2019

Resin’ny tanam-polo ny dahalo 30 nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika.

TALATA-VOHIMENA MANANDRIANA Dahalo 1 lavo, kalaky 1 azon’ny fokonolona

Hamaky ny tohiny...

TANANDAVA BEKILY Mpiandry vala lavo, omby 56 tafaverina

15/10/2019

Efa naverina amin'ny tompony ao Satra Tanandava ny omby miisa 56 raha maty voatifitra ny 3.

TANANDAVA BEKILY Mpiandry vala lavo, omby 56 tafaverina

Hamaky ny tohiny...

Mpamaky trano tetsy Mandroseza Noraisim-potsiny niaraka tamin’ny basy kilalao

11/10/2019

Tratra teny amin’ireo roalahy mpamaky trano ny fitaovana entina mampihorohoro izay hotafihany, dia ny basy kilalao sy antsy lava iray.

Mpamaky trano tetsy Mandroseza Noraisim-potsiny niaraka tamin’ny basy kilalao

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Famadihana nivadika zava-doza Maty teo am-pamonosan-damba ilay ramatoa

01/10/2019

Nampihetsika ny aretimpon’ny renim-pianakaviana iray izay nananika ny 60 taona,

  avy any Antaninandro Ambodifarihy, Ambatolampy ny nanatrehany ny famadihana ny vadiny sy ny zafikeliny, iray volana lasa izay. Izany no anisan’ny nahaosa ka nindaosin’ny fahafatesana an’i Marie Razafindrakoto, tamin’ny herinandro ambony teo, raha ny filazan’ny reniny. Nanamafy ny dadany fa : « Nijery an’i Nenitoa aho tamin’ny kabary nitokanana ny tsangam-bato vaovao fa tsy nahatomany izy. Hitako gina fotsiny io zanako vavimatoa io nandritra ny namonosana lamba vao ny vadiny sy ny zafikeliny. Raymond Razafindrakoto, vadiny izay maty tampoka noho ny hain-trano taty an-drenivohitra ; ny zafikeliny, Safidy kosa voan’ny vy an’ny hersa nandritra ny fanetsana farany teo ka na efa nialana nenina tany Ambatolampy sy taty taty an-drenivohitra aza tsy tana ny ainy noho ny tetanosy izay nianjady azy», hoy ny dadan’i Marie izay efa mahery ny 80 taonany. Araka ny voalazan’ireo fianakaviany, tapa-bolana mialoha ny famadihana izay hahavitan’ity mpananon-tena sy ny zanany 7 mianadahy ilay fasana vaovao dia niakatra hatrany ny hafanany sy malemilemy ary kely aina izay heverina fa efa aretim-po, hoy ny dokotera. Nandritra ny fotoanan’ny famadihana, tsy nahatelina sakafo mihitsy izy. Torana saika tsy velona ahiana saika nanaraka azy koa ny zanany faravavy raha vao maty ity renim-pianakaviana ity.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana