Dans la mme rubrique

Ambanin’Ampamarinana Fianakaviana 29 tafo no tandindomin-doza…

14/11/2019

Manomboka mirotsaka ny ranon’orana eto an-drenivohitra. Maro ireo faritra ahiana hampidi-doza noho izany toy ireo faritra avo izay misy ireo vatobe mandondona. Ho an’ny fokontany

Ambanin’Ampamarinana Fianakaviana 29 tafo no tandindomin-doza…

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo Nanolotra 500.000 dolara ny USAID

14/11/2019

Iray amin’ny roa ireo ankizy latsaky ny dimy taona eto amintsika no lasibatry ny tsy fanjarian-tsakafo.

Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo Nanolotra 500.000 dolara ny USAID

Hamaky ny tohiny...

Mponin’Ambohidratrimo Mandeha taksibe vao mahita rano vidiana

13/11/2019

Velon-taraina tanteraka ireo mponina eny Ambohidratrimo noho ny tsy fisian’ny rano fisotro madio.

Mponin’Ambohidratrimo Mandeha taksibe vao mahita rano vidiana

Hamaky ny tohiny...

Tania, zazavavy kely 10 taona Vehivavy roa no naka an-keriny azy

13/11/2019

Tovovavy kely iray vao 10 taona monja antsoina hoe Tania, monina eny Avarabohitra Soavimasoandro no tsy hita nanomboka ny alatsinainy lasa teo.

Tania, zazavavy kely 10 taona Vehivavy roa no naka an-keriny azy

Hamaky ny tohiny...

Lalam-pïofanana lalàna Mbola tena mahaliana ny mpianatra

13/11/2019

Anisan’ny lalam-piofanana mbola tena mahaliana ireo tanora mpianatra vao afa-panadinana Bakalôrea amin’izao ny lalàna.

Lalam-pïofanana lalàna Mbola tena mahaliana ny mpianatra

Hamaky ny tohiny...

Orinasa mpanao Goudron eny Alasora Mbola olana tsy mety voavaha…

12/11/2019

Taorian’ny hetsika nataon’ireo mponina monina eny Ankazobe Alasora mikasika ny tokony hanalana tsy misy hatak’andro ilay orinasa mpanodina goudron terena hatsangana eny an-toerana dia nisesy ny fidinana ifotony nataon’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny toy ny avy ao amin’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany, ny ofisim-pirenena misahana ny tontolo iainana…

Orinasa mpanao Goudron eny Alasora Mbola olana tsy mety voavaha…

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa PECEB via logiciel VIEN Tsy ho taraiky amin’ny fahaizana lalàna intsony ny vahoaka

12/11/2019

Tsy mahay lalàna ny ankamaroan’ny sarambabem-bahoaka ankoatra ireo nianatra izany manokana.

Tetikasa PECEB via logiciel VIEN Tsy ho taraiky amin’ny fahaizana lalàna intsony ny vahoaka

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

Gidragidran’ny Tanà-Masoandro Lasa resaky ny moana sy marenina

02/10/2019

Adihevitra tsy mety vita ary mbola hitohy ny mahakasika ny tetikasa « Tanà-Masoandro »,

hisiana fanotofana tany lehibe eny Ambohitrimanjaka sy ny manodidina. Tsy misy tetikasa sy vinam-pampandrosoana ratsy izany, ary tena zava-dehibe ilain’Antananarivo amin’izao fotoana izao ny fanitarana ny renivohitra. “Zone résidentielle, industrielle commerciale sy administrative kasaina haorina amin'ny velarana 1000Ha, mety handray mponina hatramin'ny 350 000 », ambara fa hitazona ny 42% amin’ny harin-karena eto Madagasikara. Ny olana mipetraka kosa dia ny fanotorana tany, izay mahatonga ny olona hitroatra. Tsy ampy fandresen-dahatra sy serasera ary fandalinana lalina ny fanjakana Rajoelina amin’io. Toa any amin’ny tetikasa teo aloha indray aza no handaniana ron-doha hoe nahoana tamin’ny fanamboaran-dalana, toy ny “Rocade” no tsy nanohitra ny olona. Mifandraika betsaka amin’ny soatoavina Malagasy ny resaka tany ka marary ny olona. Ny tany Soamahamanina aza tsy tanimbary fa havoana lohasaha no notrongisin’ny sinoa, saingy nitsahatra tanteraka. Ny olon’ny fitondrana ankehitriny dia anisan’ny niady mafy ny hampitsaharana izany. Mitentina 2575 miliara ariary na 650 tapitrisa dolara ny «cœur du projet », izay nambara tany aloha fa 370Ha eo. Ankehitriny mihena ho 100Ha indray no hatao aloha. 380.000Ar isaky ny m2 ary 250Euros raha « zone résidentielle », ka 120 000Ar ny tomban'ny « viabilisation » ao anatin’ny tombam-bidin’ny fanorenana.
Any amin’ny fanotorana no toa mahamaika ny fanjakana fa izay hamatsy vola mbola baraingo. Volam-panjakana sa volan’iza ? Tsy maintsy miainga amin’ny 3P (Partenariat Public Privé) ny famatsiam-bola fa tsy volam-panjakana. Inona no tambin’izay ? Tsy tena mazava ny bokin’andraikitra sy ny ho tombontsoan’ny olona ao anatin’io. Zary milentika ao an-tsain’ny maro ny hoe: natao ho an’ny vahiny sy ny manan-katao io fa tsy ho an’ny sarambabem-bahoaka. Raha ny tantara no zohiana, efa tamin’ny andron’ny faha mpanjaka no nanajariana iny lemak’i Betsimitatatra andrefan’Antananarivo iny hisorohana amin’ny tondra-drano eto Antananarivo. Rano mahatratra 15.000.000 m2 no angoniny tsy hahatondraka ny tanàna. Efa voadinika lalina ve izany ? Tena tsy maintsy eny ve no hanatanterahana azy ? Lasa resaky ny moana sy ny marenina ny raharaha.

 

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana