Dans la męme rubrique

Elakelan-trano

21/04/2020

Ny ankamaroan'ny elakelan-trano eto an-drenivohitra toa an' Anosibe,Anosizato,Anosipatrana,ilanivato dia feno olona milalao baolina, loto, feno mpivarotra. Ny tsikaritra koa dia maloto tanteraka ny tanana

Elakelan-trano

Hamaky ny tohiny...

NOTSATOTSATOHANY ANTSY NY SIPANY

14/04/2020

Nidoboka am-ponja any Amiens ilay tovolahy malagasy izay namono nahafaty ny sipany.

NOTSATOTSATOHANY ANTSY NY SIPANY

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny Atitany “Na ianao te ho velona, na ianao te ho faty”

11/04/2020

Hentitra ny Minisitry ny atitany sady Filohan’ny CCO Covid-19 Razafimahefa Tianarivelo amin’ny fampanajana ny fihibohana izay hita ho goragora.

Minisitry ny Atitany “Na ianao te ho velona, na ianao te ho faty”

Hamaky ny tohiny...

NAINA ANDRIANTSITOHAINA

11/04/2020

“Nahafaly ahy ny nanatrika ny fizaran-tsakafo teo Ankazomanga sy Antohomadinika, niarahana tamin'ny CRA.

NAINA ANDRIANTSITOHAINA

Hamaky ny tohiny...

Gilbert Raharizatovo “Ny ady gasy no nahavonjy antsika”

10/04/2020

Naneho ny heviny manoloana ny fiainam-pirenena ny mpanao politika sady mpanao gazety Gilbert Raharizatovo.

Gilbert Raharizatovo “Ny ady gasy no nahavonjy antsika”

Hamaky ny tohiny...

TENCE MENA

09/04/2020

Nivoaka ihany ny marina momba an'i Tence Mena ary nety nanazava ny nanjo azy izy.

TENCE MENA

Hamaky ny tohiny...

NIANDRY ORA MARO IREO MPANDEHA

08/04/2020

Raha efa niaritra tapak’andro ny taxi-brousse izay vao nahazo alàlana tetsy Andohatapenaka.

NIANDRY ORA MARO IREO MPANDEHA

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

SAHIRANA NY MPANALA FANADINANA

02/10/2019

Tao anatin’ny oram-be tanteraka no nirava ny mpianatra izay avy niatrika ny fanadinam-panjakana Bakalorea omaly.

 

 

 Sahirana izy ireo tsy afaka ny nialoka firy satria mbola nikajy ny lera kely izay hahafahana manao famerenana farany any an-trano no koa mba hialàna sasatra kely. Ny taksibe moa dia fisisihana hatrany ary ny rano teny amin’ny arabe niakatra. Azo sary an-tsaina amin’izany ny ady mafy niainan’ireo tanora omaly. Niady irery tanteraka.

MATIN’NY PESTA

Efa olona roa izao no matin’ny aretina pesta hatramin’izao ao Ankazobe. Lehilahy iray 40 taona sy ny zanany lahy ireo maty ireo. Ilay zanany no maty voalohany ary avy hatrany dia nalevin’ny olona na dia mbola fanahiana fotsiny aza ny amin’ny hoe pesta. Nifindra tamin’ilay raimpianakaviana ny pesta avy eo ka nahafaty azy koa. Olona 11 no efa hanaoana fizahana fahasalamana satria nifanerasera tamin’izy ireo ka atahorana ho nifindrana. Ahiana mafy ny hiparitahan’ity valan’aretina ity raha tsy voafehy haingana amin’izao fahatongavan’ny orana izao.

NIFONA RASOAMAROMAKA

Nanao fifonana imasom-bahoaka tao am-piangonana omaly i Hery Rasoamaromaka izay vao voatendry ho governoran’Analamanga. Nahatsapa ny tenany fa nisy ny fiteny sy fihetsika tsy mendrika nataony hatramin’izay ka nangataka famelana ho an’izay voakasika ny tenany. Mampifona tokoa ny fanaovana politika rehefa te hadio eo imason’ny hafa. Ny sasany izany mahavita ranomasom-boay ihany. 

ORANA MISESY

Efa tafiditra tanteraka ao anaty ny vanim-potoanan’ny fahavaratra isika amin’izao, hoy ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampasapito. Tsy hijanona intsony ny orana manomboka izao ary hisesisesy izany ato anaty ny andro vitsy raha ny fanazavan’ny manampahaizana hatrany. Tsy mbola misy kosa aloha na izany ny rivodoza mananontanona. Raha zohina amin’izany dia tsy misy intsony izany ny vanim-potoana lohataona. Miova tanteraka ny toetry ny andro.

LALANA MIFEHY NY MPANOHITRA

 Mbola haverina dinihina amin'ny fivoriana ara-potoana manaraka indray ilay lalàna mifehy ny mpanohitra. Mangataka ny hitondran'ireo loholona ny soso-kevitr'izy ireo ny Antenimieram-pirenena amin'ity lalàna ity ary tsy horaisin'izy ireo anefa izany raha toa ka tsy mifanaraka amin'ny lalàna. Efa hita taratra tokoa ny tsy fifankahazoan'ny Antenimiera roa tonta.

AMBOHITRIMANJAKA

Tsy eken'ireo mponina ao Ambohitrimanjaka ny hananganana ny Tanamasoandro eo amin'ny tanimbaran'izy ireo. Efa maherin'ny 40 ha ny velarantany alaina amin'ny vahoaka madinika hanaovana an'ity fotodrafitrasa ity. Fatra-pisehoseho ny mpitondra fa efa milamina ny fifampiresahana amin'ny vahoaka kanefa tsy dia izay loatra no mitranga. Ny tena tsy zakan'ny mponina, ireo sinoa izay hanao ny tetikasa no mitady handroaka an'izy ireo amin'ny taniny.


TAKSIBE KITOATOA

Mifatotra fingotra ny "rotules de direction" an'ilay fiara tasibe izay nivadika tetsy Tsarasaotra-Ivato. Izany dia mbola manaporofo hatrany ny fisian'ny kolikoly eo amin'ny sampan-draharaha misahana ny fitsirihana ara-teknika. Fiara toy izany ve dia mbola tokony hahazo hiasa, indrindra fa hitatitra olona ? Betsaka izay efa maty izay noho ny olana ara-teknika amin'ny fiara ary mila mandray fepetra matotra momba ny fitsirihana ara-teknika izay matetika hanjakan'ny kolikoly.

MINISITRA MPAMONO AFO

Miezaka mamono afo ara-bakiteny mihitsy ny minisitry ny serasera Lalatiana Rakotondrazafy momba ny fahamaizan'ny alan'Ankarafantsika. Nandiso ny tsaho izay miely fa may ny ala ary tsy misy fandraisan'andraikitra izy. Tamin'ny 27 septambra no tapitra ny fahamaizana raha ny vaovao avoakan'izy ireo ary tsy nitohy intsony izany, omaly anefa dia mbola nisy ny nahita fa efa ho tonga eo amin'ny arabe mihitsy ny afo.

VAZAHA HITA FATY

Vazaha iray miboridana no hita faty natsingevan'ny ranomasina teo amin'ny mifanandrify ny seranan-tsambon'i Toamasina. Novonoina izy io dia natsipy tao anaty ranomasina raha araka ny fanamarihan'ny polisy siantifika. Tsy nisy naka ny razana raha tsy efa hariva be ny sabotsy teo noho ny fifanilihana andraikitra teo amin'ny mpamonjy voina an'ny kaominina sy ny an'ny ladoany.

KOLIKOLY

Mpikarakara ny raharaha mahakasika ny fifandraisana iraisam-pirenena eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika no nampanantsoin’ny Bianco ary nentian teo anivon’ny fampanaovana miady amin’ny kolikoly omaly. Fanodinkodinam-bolam-panjakana avy amin’ny fanaovana kolikoly no vesatra nanenjehana azy. Izao sahady izany dia efa nahazo volon-tany ny mpiasam-panjakana ambony, indrindra ireo izay nomena fahatokisana ary tan-dapa. Tamin’ny ora nanoratana dia mbola nitohy ny fihainoan’ny mpitsara mpanao famotorana azy.


 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana