Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Tsy fandriampahalemana Hamoaka antontan’isa ny polisy sy ny INSTAT

02/10/2019

Andrasana ny vaovao mari-pototra izay voasokajy araka ny toerana sy ny vanim-potoana eto Madagasikara. Omaly 1 oktobra no nanatanterahana ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana teo amin’ny INSTAT sy ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka

 

 

 

mahakasika ny fametrahana fandriam-pahalemana maharitra manerana ny Nosy. Anisan’ny ezaka ho tanterahina ny fametrahana tahirin-kevitra fototra tokana izay ahafahana manara-maso ny fivoaran’ny tahan’ny tsy fandriam-pahalemana sy ny fandikan-dalàna eto Madagasikara. Ny Polisim-pirenena manokana efa manana statistika sy salan’isa izay azo avy amin’ny fanangonana ireo vaovao avy amin’ireo sampan-draharaha isan-tsokajiny izay misy ao aminy. Ahitàna ny fivoaran’ireo raharaha izay kirakiraina eo anivon’ny Polisim-pirenena, ireo fandikan-dalàna araky ny sokajiny avy, ny isa sy ny mombamoba ireo olona voarohirohy mba ahafahana mandray mialoha ireo fepetra rehetra mba hanatsarana ny fandrindràna ny fandriam-pahalemana sy mba ahafahana manome vaovao mari-pototra ho an’ireo olom-pirenena tsy an-kanavaka. Etsy andaniny kosa ny INSTAT hamokatra vaovao sosialy ho amin’ny tetikasam-pandrosoana, ary mametraka ny lafiny fandriam-pahalemana ho anisan’ny laharam-pahamehana amin’ny andavanandron’ny mponina. Izany indrindra no maha zava-dehibe ny famoahana ireo antontan’isa azo antoka ary mari-pototra avy amin’ireo vaovao ofisialy avy amin’ny Polisim-pirenena.

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana