Dans la męme rubrique

Marc Ravalomanana “Be loatra ny tsy mety sy ny alahelom-bahoaka…”

29/05/2020

Nijery ifotony ny fanamboarana eny amin’ny Rova i Marc Ravalomanana omaly maraina ary nanao fandaharana manokana ny hariva.

Marc Ravalomanana “Be loatra ny tsy mety sy ny alahelom-bahoaka…”

Hamaky ny tohiny...

Riribe “Ady angamba no tadiavin’ny fitondrana”

29/05/2020

Tsy mitsipaka ny ady ataon’ny fanjakana amin’ny Covid 19 izahay, hoy ny kandida ho solombavambahoaka teo aloha sady solontenan’ny zanak’I Toamasina, Henry Rakotomalala na Riribe, omaly.

Riribe “Ady angamba no tadiavin’ny fitondrana”

Hamaky ny tohiny...

Vatovavy Fitovinany Hafanafana ny fiandrasana ny fizaram-paritra

29/05/2020

Efa fampanantenana nataon'ny filoham-pirenena nandritra ny fampielezan-kevitra nataony ary efa nifampiresaha nivantana tamin'ireo Tangalamena sy Olobe taty an-toerana,

Vatovavy Fitovinany Hafanafana ny fiandrasana ny fizaram-paritra

Hamaky ny tohiny...

Jeneraly Richard Ravalomanana Takian’ireo depiote ny fanesorana azy

29/05/2020

Nanao tatitra mahakasika ny asany nanoloana ireo solombavambahoaka ireo Tompon’andraikitra ambony ao amin’ny governemanta miantsoroka ny fandriampahalemana omaly.

Jeneraly Richard Ravalomanana Takian’ireo depiote ny fanesorana azy

Hamaky ny tohiny...

Resaka Rova sy tsindrona amin’ny Covid 19 Miantso fifanatonana sy fifampidinihana ny CFM

29/05/2020

Manana ny andraikiny voafaritry ny lalana ny filankevitry ny fampihavanana malagasy na CFM. Voafaritra ao amin’ny 2016 – 027 fa miandraikitra ny mba tsy hisian’ny korontana eto amin’ny firenena izahay, hoy ny filohany, Maka Alphonse.

Resaka Rova sy tsindrona amin’ny Covid 19 Miantso fifanatonana sy fifampidinihana ny CFM

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Hanao fanambarana anio

28/05/2020

“Hitafa aminareo mpiray tanindrazana aho. Ny alakamisy 28 mey 2020 no fotoanantsika”, hoy ny hafatra nataon’i Marc Ravalomanana tao amin’ny pejiny manokana ao amin’ny tambajotran-tserasera.

Marc Ravalomanana Hanao fanambarana anio

Hamaky ny tohiny...

Sata mifehy ny mpanohitra “Tokony hiezaka ny parlemanta roa tonta”

28/05/2020

Ny sata mifehy ny mpanohitra sy ny hijoroana mpanohitra ara-pomba demokratika dia efa voalazan’ny lalam-panorenana. Efa nisy dingana goavana nametrahana azy io ny taona 2011, hoy ny mpahay lalàna, Ranesa Firiana, nanazava ny fahitany ny mampitarazoka ny raharaha ankehitriny.

Sata mifehy ny mpanohitra “Tokony hiezaka ny parlemanta roa tonta”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Filaminana amin` ny fifidianana Manana anjara lehibe ny haino aman-jery

03/10/2019

Nanatanteraka fifanakalozan-dresaka momba ny fanavaozana ny haino aman-jery ny tetikasa manohana ny fisorohana sy ny fitantanana ny resa-pifidianana sy ny herisetra eto Madagasikara (PEV Madagascar),

 


 
 izay nitondra ny lohahevitra hoe « ahoana no hamelomana ny zava-bita fifidianana ny fifidianana tamin'ny taona 2019? »Anisan` ireo nandray anjara tamin` izany hetsika izany i  Ravaoharinirina Hanitriniaina Liliane, sekretera mpanatanteraka ao amin'ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (CENI), Gérard Rakotonirina, filohan'ny holafitry ny mpanao gazety(OJM), Soava Andriamarotafika, mpanao gazety ary i Ghislain Arsène Velo, mpikambana ao amin'ny vondron` ny mpanao gazety misahana ny fisorohana ny  herisetra (Collectif des journalistes sensibles aux conflits). Niresaka momba ny anjara toeran'ny haino aman-jery amin'ny fampiroboroboana ny fifidianana izy ireo. Ny tanjona ankapobeny amin'ny adihevitra dia ny fanentanana ireo olom-boafidy, indrindra fa ireo mpisehatra miasa ao amin'ny tontolon'ny fampahalalam-baovao, hiaraka amin' ireo haino aman-jery mba hitandro ny fandriam-pahalemana amin'ny fotoam-pifidianana. Tsy ho tratra ny tanjona raha tsy miray hina ny rehetra ary samy mahatsiaro ho tomponandraikitra amin` ny anjara adidiny avy. Tokony hampita vaovao amin-kitsim-po sy amim-pahamatorana ny mpanao gazety. 

 

Legende : Nandritra ny fifanakalozan-dresaka tetsy Ibis Hotel Ankorondrano omaly

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana