Dans la mme rubrique

Fanafihana « CASH POINT » Ampefiloha « Efa vita tetika mialoha ny tifitr’ireo jiolahy mpandroba»

22/10/2019

Tifitra in-telo no nahazo ilay lehilahy raha vao niala ny môtô izay nanaterany ny vadiny sy ny sakaosy nisy vola hampiasaina amin’ny toeram-pandraisana sy fametrahana vola manoloana ny efitrano fidiovam-bahoaka manamorona ny lalamby Ampefiloha.

Fanafihana « CASH POINT » Ampefiloha « Efa vita tetika mialoha ny tifitr’ireo jiolahy mpandroba»

Hamaky ny tohiny...

Asan-jiolahy eto Iarivo 6 hetsy no vidin’ny basy iray

21/10/2019

Tra-tehaka ny mpivarotra basy poleta sy bala efatra izay mbola anaty fonony.

Asan-jiolahy eto Iarivo 6 hetsy no vidin’ny basy iray

Hamaky ny tohiny...

Mpanendaka teny 67Ha Nofandrihan’ny polisy miendrika sivily

21/10/2019

Lehilahy roa no voasambotry ny polisy miasa ao Isotry ny sabotsy 19 oktobra teo teny amin’ny faritra CENAM 67ha iny tamin’ny

Mpanendaka teny 67Ha Nofandrihan’ny polisy miendrika sivily

Hamaky ny tohiny...

AMBODIN’ISOTRY Voasambotra ny mpanendaka mpamerin-keloka

21/10/2019

Miandrandra fanavaozana ny lalàna fanafaizana ireo mpamerin-keloka ho fitandroana ny fandriampahalemana ny mpanara-baovao. Nandritra ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana no fantatra fa efa mpamerin-keloka ireo roalahy avy eny Ambodin’Isotry nifanenjehana ka voasambotry ny polisy teny 67ha.

AMBODIN’ISOTRY Voasambotra ny mpanendaka mpamerin-keloka

Hamaky ny tohiny...

Talatamaty Maty tsy tra-drano ilay mpitondra môtô

18/10/2019

Tsy an-kijanona intsony lozam-pifamoivoizana izay mahafaty ny mpandeha moto. Omaly dia nisy iray hafa indray namoy aina tetsy Talatamaty.

Talatamaty Maty tsy tra-drano ilay mpitondra môtô

Hamaky ny tohiny...

Zandary mamo nitifitra tamin’ny basiny Divi-janahary no tsy nahavoa ilay tovolohy

18/10/2019

Karohina ilay manamboninahitra izay “commandant de compagnie” teo aloha tao Ampanihy-Andrefana voalaza ho nanaotao foana ny talata teo.

Zandary mamo nitifitra tamin’ny basiny Divi-janahary no tsy nahavoa ilay tovolohy

Hamaky ny tohiny...

AMBATOMARO Mpifoka rongony nifanenjehan’ny polisy

18/10/2019

Vao nahita ireo mpitandro filaminana ireo mpifoka rongony eny Ambatomaro dia nirifatra nitsoaka.

AMBATOMARO Mpifoka rongony nifanenjehan’ny polisy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Bakalorea Andramasina Rotiky ny oram-baratra ny taratasim-panadinana

04/10/2019

Rotiky ny rambondanitra ny kopia na ny taratasin’ny valim-panadinan’ny mpianatra nanala bakalôrea tao Andramasina, ny talata tolakandro teo, araka ny fampitam-baovaon’ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena any an-toerana.

 

 

 

 

 Tafiotra mahery vaika narahina orana sy tselatra ary kotrobaratra no nianjady ny sekolim-panjakana izay  ivon-toeram-panadinana teo amin’ ity renivohitry ny distrika ity, raha voaendaky ny rivo-mahery ny tafo. Tapaka noho izany ny fanatanterahan’ireo kilasy famaranana ny taranja tamin’ny fanadinam-panjakana tamin’io  hariva io. Araka ny voalazan’ny loharanom-baovao any an-toerana, potika koa ny tranom-panjakana sasany tahaka ny biraon’ny distrika, ny ampahany amin’ny biraon’ny zandary ary tranon’ny fianakavaina iray izay nianjeran’ny hazo lehibe nidoroboka. Ankoatra ny renivohitry ny distrika, misy tanàna maro ihany koa niharam-pahavoazana teny amin’ny manodidina.

Famerenana fanadinana

Maro ireo ivontoeram-panadinana no nahitana olana, ankoatra ity niharan’ny loza voajanahary ity ka azo heverina ny ho famerenana amin’ny ampahany ny fanadinan’ireo mpianatra, raha tsy izany very ny ezaka nandritra ny herintaona. Marihina fa vao vita izao fanadinam-panjakana izao, indrindra ny mpianatry ny teknika dia hiroso amin’ny taom-pianarana vaovao avy hatrany ka tsy hisy fialantsasatra ho an’ireo izay mety tsy mahomby. Vao mainka hampadonto ireo tsy nambinina hatrany izany tsy fisian’ny fakana aina izany.

Haja Nirina

Ravan’ny tafiotra ny fanadinana bakalôrea sy ny tafon-trano maro tao Andramasina

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana