Dans la mme rubrique

KIDNAPPING AMBOHIMANGAKELY 10 no voarohirohy hiakatra fampanoavana anio

16/10/2019

Olona folo no voarohirohy tamin’ny kidnapping zazavavy kely 1 taona sy tapany teo Ambohimangakely ny faran’ny herinandro teo. Mbola mitohy hatrany ny famotorana raha ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena.

KIDNAPPING AMBOHIMANGAKELY 10 no voarohirohy hiakatra fampanoavana anio

Hamaky ny tohiny...

Entana tamina fiarabe nampiahiahy Sarona teny amin’ny lalam-pirenena faha-7

16/10/2019

Olona efatra mpiray tsikombakomba miaraka amin’ny mpamilin’ilay fiara feno entana tsy nazava no voarohirohy ary eo am-panohizana ny fanadihadiana ny vondron-tobim-paritry ny zandary ao Ambatolampy.

Entana tamina fiarabe nampiahiahy Sarona teny amin’ny lalam-pirenena faha-7

Hamaky ny tohiny...

TSY FANARAHAN-DALANA Manadio ny olony ny polisim-pirenena

16/10/2019

Fiverenana an-doharano. Manoloana ny tsy fanarahan-dalana hita eo amin’ireo mpitandro filaminana, tapa-kevitra tanteraka ny tomponandraikitra eo anivon’ny polisim-pirenena fa atomboka amin’ireo mpianatra ny fisorohana izany.

TSY FANARAHAN-DALANA Manadio ny olony ny polisim-pirenena

Hamaky ny tohiny...

TALATA-VOHIMENA MANANDRIANA Dahalo 1 lavo, kalaky 1 azon’ny fokonolona

15/10/2019

Resin’ny tanam-polo ny dahalo 30 nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika.

TALATA-VOHIMENA MANANDRIANA Dahalo 1 lavo, kalaky 1 azon’ny fokonolona

Hamaky ny tohiny...

TANANDAVA BEKILY Mpiandry vala lavo, omby 56 tafaverina

15/10/2019

Efa naverina amin'ny tompony ao Satra Tanandava ny omby miisa 56 raha maty voatifitra ny 3.

TANANDAVA BEKILY Mpiandry vala lavo, omby 56 tafaverina

Hamaky ny tohiny...

Mpamaky trano tetsy Mandroseza Noraisim-potsiny niaraka tamin’ny basy kilalao

11/10/2019

Tratra teny amin’ireo roalahy mpamaky trano ny fitaovana entina mampihorohoro izay hotafihany, dia ny basy kilalao sy antsy lava iray.

Mpamaky trano tetsy Mandroseza Noraisim-potsiny niaraka tamin’ny basy kilalao

Hamaky ny tohiny...

AMBOHIMAHITSY SY AMBATOMARO Mpanendaka efa gadralava sarona

11/10/2019

Rehefa nohadihadian’ny polisy ireo lehilahy roa, 20 sy 25 taona voasambotra teny Ambatomaro sy Makoline/Ambohimahitsy ny

AMBOHIMAHITSY SY AMBATOMARO Mpanendaka efa gadralava sarona

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Asa ratsy anaty finday sy facebook Mitohy ny fikarohana ireo mpisoloky laza adina bakalorea

08/10/2019

4 tamin’ireo 7 izay voarohirohy tamin’ny fakana tahaka bakalôrea tao Arivonimamo no efa any am-ponja miandry ny fitsarana.

 

 

Ankoatra ireo efa anaovan’ny zandary fanadihadiana tahaka ny ao Fianaratsoa, mbola karohina ireo rehetra tanaty vondrona  na “groupe”  ao amin’ny facebook mahakasika io fanaparitahana laza adina io. Efa maro ny voasoloky tamin’ny finday sy ny fesiboky tamin’ny sehatra hafa, mahatratra 50 ny fitarainana voarain’ny polisim-pirenena hatramin’ny janoary 2019. Araka ny fanazavan’ny sampan-draharahan’ny «Cybercriminalité » an’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka, ny fangalarana mampiasa kaotin’olona amin’ny facebook mba hangatahana vola amin’ny fianakaviany no isehoany. Misy koa ny varotra ao anaty Facebook, ka mangataka vola mialoha, kanefa tsy mandefa ny entana akory avy eo.

Valisoa fitaka

Ao koa ny endrika fisolokiana amin’ny  fitononana ho mpiasan’ny tambazotram-pifandraisana Telma na Orange na Airtel, ary mampanantena tombotsoa ho an’ireo mpanjifa raha manatanteraka izay torolalana lazainy, kanefa ny haka ny volan’ireto mpanjifa no tanjony. Tsy ny trangam-pisolokiana rehetra anefa no raisin’ny sampan-draharahan’ny « Cybercriminalité » an-tanana fa izay misy hifandraisany amin’ny « internet » sy ny tambazotran-tserasera ihany.

Haja Nirina

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana