Dans la mme rubrique

Fifaninanana mamorona Robot Tsy lasa any Arménie ny solontenan’i Madagasikara

11/11/2019

Tamin’ny faran’ny herinandro teo no tokony ho niainga nankany Arménie ny ekipa malagasy Girls Robotika Madagascar izay saika hiatrika ny fifaninanana iraisam-pirenena mamorona Robot ( Robotex Armenia 2019).

Fifaninanana mamorona Robot Tsy lasa any Arménie ny solontenan’i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Tontolon’ny oniversite Mitokona ny Seces Antananarivo sy Toliara

08/11/2019

Nanao fanambarana omaly ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra na Seces, sampana Antananarivo, fa tsy mbola nisy vokatra azo tsapain-tanana hatramin’izao mikasika ny fangatahan’izy ireo.

Tontolon’ny oniversite Mitokona ny Seces Antananarivo sy Toliara

Hamaky ny tohiny...

Tontolon’ny fampianarana Ahiana hikorontana ireo CISCO manerana ny nosy

07/11/2019

Mahagaga sy mampiahiahy ny zavatra misy ao amin`ny minisiteran` ny fanabeazam-pirenena (MENETP).

Tontolon’ny fampianarana Ahiana hikorontana ireo CISCO manerana ny nosy

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana ambaratonga ambony Kivy amin’ny minisitera ry zareo Seces

06/11/2019

Na ny mpianatra aza dia efa mahalala fa ao aorian’ny fifampidinihana hitadiavana vahaolana amin’izay olana miseho ka midona amin’ny rindrina tsy misy mihaino dia misy ny fahafahana manao ny antsoina hoe « Préavis de grève ».

Fampianarana ambaratonga ambony Kivy amin’ny minisitera ry zareo Seces

Hamaky ny tohiny...

Tanora Malagasy Sahirana amin’ny fitadiavana lalam-piofanana sy asa

30/10/2019

Ny 13, 14, 15 novambra izao no hotontosaina etsy Antaninarenina ny andiany voalohany amin’ny hetsika “Salon de l’étudiant et de l’emploi” izay hifarimbonan’ny minisiteran’ny

Tanora Malagasy Sahirana amin’ny fitadiavana lalam-piofanana sy asa

Hamaky ny tohiny...

Bakalörea 2 ème session Nizotra tamim-pilaminana

24/10/2019

Nizotra tamim-pilaminana ny fanadinana bakalôrea andiany faharoa manokana izay notanterahina nanomboka omaly alarobia 23 oktobra, haharitra efatra andro.

Bakalörea 2 ème session Nizotra tamim-pilaminana

Hamaky ny tohiny...

Mpianatra diso safidy amin’ny lalam-piofanana Hanampy azy ireny ny sekoly ambony UPRIM

24/10/2019

Betsaka amin’ireo mpianatra vao afa-panadinana Bakalôrea no tsy mahalala akory izay lalam-piofanana tokony harahiny.

Mpianatra diso safidy amin’ny lalam-piofanana Hanampy azy ireny ny sekoly ambony UPRIM

Hamaky ny tohiny...


Fampianarana

Raharaha bakalorea 43 nosamborina, 6 nidoboka am-ponja,…

11/10/2019

Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny zandarimariam-pirenena amin’ny famongorana ireo fanetriben’ny firenena tamin’ny famoahana ireo laza adina Bakalôrea mialoha ny fotoana,

 

 nitranga ny herinandro lasa teo. Olona 43 isa hatreto no efa nosamborina ka ny 6 amin’ireo no efa any am-ponja, mpianatra ny iray. Roapolo kosa ireo navela halalaka kely  aloha, 9 tsy afaka mivoaka ivelan’Antananarivo ary araha-maso akaiky. Toerana maromaro no nisamborana ireo olona ireo toy ny teto Antananarivo, Imerintsiatosika, Fianarantsoa, Alakamisinitenina ary Ihosy. Ity distrika farany ity izay nahasamborana olona miisa valo ka ny roa mpampianatra ary ny enina ambiny mpianatra. Vao mainka hihalalina ny fanadihadiana hatao ary hitohy, hoy ny jeneraly Randrianjanaka Njatoarisoa, raha nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety ny tenany sy ireo ekipa notarihiny omaly. Miantso ny ray aman-dreny mba ho tony izy ireo amin’ny fiatrehana ny bakalôrea  “2ème session” ary mampanantena fa hanao izay ho afany amin’ireo andraikitra sahaniny. Anisan’ireny ny  fanaraha-maso ireo mpampianatra mitoka-monina manamboatra ny laza adina, ny fitondrana ny laza adina hatrany amin’ny foibem-panadinana ary ny fanaraha-maso ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny foibem-panadinana mialoha ny hiatrehan’ny mpiadina ny fanadinana. Mikasika ny zava-nitranga tao Ambatondrazaka manokana moa dia nomarihin’izy ireo fa “fraude” no nitranga tany an-toerana fa tsy famoahana laza adina mialoha ka mpianatra iray no tratra nanao izany.

 

Pati / J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana