Dans la mme rubrique

Fifidianana eto Iarivo Miketrika mafy ny karana …

18/11/2019

Kihon-dalana farany ho an’ny fampielezan-kevitry ny fifidianana ben’ny tanàna ity herinandro ity. Amin’ny heriny anio dia ny alatsinainy 25 novambra no hikatona tanteraka izany.

Fifidianana eto Iarivo Miketrika mafy ny karana …

Hamaky ny tohiny...

Constant Raveloson « Mbola manjaka ny kiantranoantrano eto e ! »

18/11/2019

Nitondra ny heviny mahakasika ny fiainam-pirenena ny mpanao politika, Constant Raveloson.

Constant Raveloson « Mbola manjaka ny kiantranoantrano eto e ! »

Hamaky ny tohiny...

Fitakiana ireo Nosy Malagasy Tsy mora fa tsy maintsy atao

18/11/2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny sabotsy teo ny antoko politika Otrikafo manoloana ny fisian’ny fihaonana eo amin’ireo

Fitakiana ireo Nosy Malagasy Tsy mora fa tsy maintsy atao

Hamaky ny tohiny...

Imbiki Herilaza « Ho avy ny fihantsiana sy ady an-kolaka”

18/11/2019

Anio ny fihaonana voalohany eo amin'ny an-daniny Malagasy sy ny an-kilany Frantsay handinihana ny famerenana ny Nosy Malagasy ao amin'ny ranomasimbe indiana.

Imbiki Herilaza « Ho avy ny fihantsiana sy ady an-kolaka”

Hamaky ny tohiny...

Fitakiana ny “Iles Eparses” Ho fandresena tahaka ny an’ny Barea ve ?

18/11/2019

Nanentana ny fitondram-panjakana fa tokony hanangana ny sainam-pirenena fotsy, mena, maitso ny Malagasy rehetra anio alatsinainy 18

Fitakiana ny “Iles Eparses” Ho fandresena tahaka ny an’ny Barea ve ?

Hamaky ny tohiny...

Fananganana tanàna vaovao Azo atao tsara any amin’ny RN1

15/11/2019

Raha tsy maintsy hanao tanàna vaovao ihany, andao apetraka ny fotodrafitrasa mifanandrify amin` izany.

Fananganana tanàna vaovao Azo atao tsara any amin’ny RN1

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa Tanà-masoandro Manomboka milavo lefona Rajoelina…

15/11/2019

Napetraka omaly ny vatofototry Akademiam-pirenena ho an’ny Kolontsaina sy ny zava-kanto Malagasy na ny ANAC (Academie Nationale des Arts et de la Culture)

Tetikasa Tanà-masoandro Manomboka milavo lefona Rajoelina…

Hamaky ny tohiny...


Politique

Antoko PSD “Masina amintsika ny fototry ny Repoblika”

15/10/2019

« Feno 61 taona ny nahazoantsika malagasy ny Repoblika, izay tsiahivina fa azontsika tamin'ny 14 oktobra 1958.

 

Foana teo ny didim-pitondrana  fanjanahan'ny frantsay antsika tamin'ny 6 aogositra 1896. Tsy azo adinoina ny datin'ny 14 oktobra 1958 izay manan-danja tokoa satria sady fahafahana tamin'ny fangejàna izy io no fototra niorenan'ny Repoblikantsika », hoy i Eliana Bezaza, sekretera nasionalin'ny antoko PSD. Ny Repoblika dia manana ny soatoavina izay nimatimatesan'ny ray aman-dreny mpanorona dia ny fiarahamonina mirindra ao anatin'ny fitovian-jon'ny rehetra, ny zon'ny tsirairay mba hivoatra amin'ny fiainany amin'ny talenta sy natiora izay azontsika tsirairay tamin'ilay Nahary ary ny fanomezana hery mitovy ny tsirairay (égalité des chances) na mijaly na manam-bola, na lehilahy na vehivavy na fotsy na mainty na inona firehana politika sy fivavahana, dia ny fianarana, ny finiavana sy ny fiezahana handroso amin'ny fiainana no loharanon'ny fahombiazana ary anjaran'ny fitondram-panjakàna no mametraka sy mampirindra ny tontolom-piarahamonina, ekonomika sy politika izay mifanaraka amin'izany. Araka ny fanambarana hatrany dia natsangana ho foto-kevitra iorenan'ny politikan'ny antoko PSD, miady ho an'ny rariny ara-tsosialy (justice sociale) mba ahitana fiarahamonina mirindra sy tombontsoan'ny maro an'isa. Masina amintsika ny fototry ny Repoblika ka izay no antony tsy azo hanadinoana ny fankalazana ny 14 oktobra. Mitohy hatrany ny tolona mba hankalazan'ny fitondram-panjakana indray ity daty malaza ity, izay tsy nahazoana valin-teny mahafapo hatramin'izao. Ny tsy fankalazàna io daty io dia tsy fanisiana hasina ny votoatin'ny Repoblika sy ny soatoavina fonosiny ary ny fototra iorenan'ny fanjakana malagasy. Tsy mahagaga raha hitsakitsahina ny lalàna fototra, mihavery isan'andro ny soatoavina, indrindra ny fitovian-jo eo amin'ny samy malagasy ka mitarika korontana ara-piarahamonina tsy manam-petra. Koa tsy mitsahatra ny mampahatsiahy izahay fa ny fototra no maha firenena ny firenena koa manentana ny fanjakàna mahefa mba hitodika an-doharano, dia ny fanomezan-danja indray ny Repoblika mba hitarika amin'ny fifanajana, famokarana, filaminana, hoy hatrany ny fanambarana.

 

 

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana