Dans la mme rubrique

Tafika ana habakabaka Tena ilaina amin’ny fametrahana fandriampahalemana

05/09/2019

Nanatanteraka fitsirihana teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato sy teny amin’ny kianja « Soamandrakizay » ny praiminisitra ny harivan`ny 03 septambra 2019 ary niaraka tamin’izany dia nisy ny lanonana namoahana mpanamory angidimby tamin’ny fomba ofisialy, notanterahina tao amin’ny foiben’ny Tafika ana habakabaka Malagasy.

Tafika ana habakabaka Tena ilaina amin’ny fametrahana fandriampahalemana

Hamaky ny tohiny...

Tsy filaminana eto amin’ny firenena “Misy andraikitra tsy efan’ny fitondrana.”

27/08/2019

Malahelo amin’ny fisian’ny tsy filaminana eto amin’ny firenena izahay mpiaro ny zon’olombelona, hoy ny filohan’ny fikambanana Zon’olombelona mampandroso vahoaka sy Zon’olombelona mijoro,

Tsy filaminana eto amin’ny firenena “Misy andraikitra tsy efan’ny fitondrana.”

Hamaky ny tohiny...

Polisim-pirenena Nahazo tale vaovao telo

16/08/2019

Lanonana telo sosona no notanterahina teo anivon’ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka ny alarobia 14 aogositra 2019 teo, dia ny fifamindram-pitantanana teo anivon’ny DRH (Direction des Ressources Humaines),

Polisim-pirenena Nahazo tale vaovao telo

Hamaky ny tohiny...

Mpanao politika efa adinodino Mety hipoitra indray

08/08/2019

Na tsy mbola fantatra aza ny tena daty ofisialy dia naman’ny azo lazaina foana hoe akaiky ny fifidianana ben’ny tanàna. Be ny zava-nanaitra teo amin’ny tontolo politika tato ho ato.

Mpanao politika efa adinodino Mety hipoitra indray

Hamaky ny tohiny...

Fakana an-keriny sy asan-dahalo Mpanao “kidnapping” 5 lahy tratra

05/08/2019

Tratra ny jiolahy miisa 5 naka an-keriny zazalahy 12 taona tany Betela Morarano Kraoma, distrikan’Amparafaravola ny harivan'ny 16 jona 2019.

Fakana an-keriny sy asan-dahalo Mpanao “kidnapping” 5 lahy tratra

Hamaky ny tohiny...

BETROKA Nisy namaky ny vala nanagiazana ireo omby halatra

30/07/2019

Nisy nikasa hiditra an-keriny ny toerana nanagiazan'ny kaominina ireo omby azo avy any Soahazo Mangalahy. Ny sabotsy lasa teo no tsikaritra fa nisy nanapitsoka ny toerana nitazonan’ny kaominina Betroka ireo omby saron'ny zandary ireo.

BETROKA Nisy namaky ny vala nanagiazana ireo omby halatra

Hamaky ny tohiny...

Ratsimindriona Aida Hardy « Folo isan’andro ny fasana vaky any Taolagnaro”

29/07/2019

“Laharam-pahamena ny ady amin`ny tsy fandriampahalemana » hoy Rtoa Ratsimindriona Aida Hardy, solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Distrikan’i Taolagnaro.

Ratsimindriona Aida Hardy « Folo isan’andro ny fasana vaky any Taolagnaro”

Hamaky ny tohiny...


Fandriampahalemana

IMERIMANDROSO Tsy omby intsony fa olona no alain’ny dahalo

15/10/2019

Miaina anaty fitaintainana tanteraka ireo mponina ao anatin’ny kaominina Imerimandroso, distrikan’Ambohidratrimo.

Lohalaharana ny tsy fandriampahalemana izay tena mahazo vahana tokoa. Dahalo mirongo basy miisa 30, andro vitsy lasa izay, no nanohitra fokonolona handeha hanenjika omby very miisa telo ka niveri-maina fotsiny ireto farany. Mandefa feo indray ny dahalo nanomboka ny faran’ny herinandro teo raha araka ny vaovao azo omaly fa olona indray no alaina hanaraka azy manomboka eto fa tsy omby intsony. Tsy vitsy amin’ireo zaza amam-behivavy no tsy sahy mivoaka ny trano intsony na dia handeha ho any an-tsaha aza sao dia misy maka. Eo an-danin’izay, diso be loatra ireo olona milaza ho tompon’andraikitra any ambanivohitra any raha araka ny fijoroana vavolombelona nataon’ireo mponina hatrany. Anisan’ireny ireo milaza ho dahalo niova fo ary vonona ny hiaro ny vahoaka toy ny zaza mainty sy ny zaza mena. Eo ihany koa ny DAS izay tsy maintsy handoavan’ny olona feno taona  vola 800 Ar isam-bolana mba hiambina azy  ka mahatsiaro ho sahirana ny mponina. Miantso ny fitondram-panjakana hijery akaiky ny zava-misy any ambanivohitra ireo mponina ao Imerimandroso. Tonga nihaino izany teny an-toerana omaly ny solombavambahoaka Johnny Rakotoarisoa, voafidy tao anatin’ny distrikan’Ambohidratrimo ary nampanantena fa handray ny andraikiny. Nisy ihany koa ny tatitra natao taorian’ny telo volana nandraisany ny andraikitra amin’ny maha solombavambahoaka azy.

 

Pati

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana