Dans la mme rubrique

Rodoben’ny mpanohitra Namoaka ny dosien’ny fitondrana tetezamita

16/07/2020

Namoaka ireo teboka lehibe voarakitra ao amin’ny fanadihadiana nataon’ny banky iraisam-pirenena momba ny resaka paradisa fiskaly

Rodoben’ny mpanohitra Namoaka ny dosien’ny fitondrana tetezamita

Hamaky ny tohiny...

Antoko Otrikafo “Aleo ny fokontany no hampizarana fanampiana isan-tokantrano”

16/07/2020

Manaraka akaiky ny raharaham-pirenena, indrindra fa ity resaka Covid 19 ity, ny antoko politika Otrikafo, hoy ny sekretera jeneraliny, Elia Rabevahiny.

Antoko Otrikafo “Aleo ny fokontany no hampizarana fanampiana isan-tokantrano”

Hamaky ny tohiny...

Nosy Manodidina “Fifampiresahana ihany no ahitana vahaolana iombonana”

15/07/2020

Mbola resabe eo anivon` ny fiarahamonina sy eo anivon` izao tontolo izao ny resaka Nosy Manodidina.

Nosy Manodidina “Fifampiresahana ihany no ahitana vahaolana iombonana”

Hamaky ny tohiny...

Serge Zafimahova “Akaiky ny fipoahana ara-tsosialy”

10/07/2020

Olana be rehefa mihiboka na ekena aza fa misy ny aretina. Tokony hisy fandinihina ara-stratejika bebe kokoa ataon’ny mpitondra fa efa tsy tafavoaka intsony ilay izy satria efa miha manakaiky foana ny fipoahana ara-tsosialy.

Serge Zafimahova “Akaiky ny fipoahana ara-tsosialy”

Hamaky ny tohiny...

Antenimierandoholona 11 volana, tsy voatendry ny solon’i Mbade Jeannine

10/07/2020

63 ny isan’ireo Loholona mandrafitra ny Antenimierandoholona, izay andrimpanjakana faharoa eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara.

Antenimierandoholona 11 volana, tsy voatendry ny solon’i Mbade Jeannine

Hamaky ny tohiny...

Tsy fanarahana ny toromarika Mila mandini-tena ny mpitondra fanjakana

10/07/2020

Tao anatin’ny 3 andro niverenan’ny fihibohana tapak’andro izao no nahitana fa sarotra ho an’ny olom-pirenena ny tsy hifanaretsaka amin’ireo toerana fitadiavany isan’andro. Isotry, 67ha, Ambanidia,

Tsy fanarahana ny toromarika Mila mandini-tena ny mpitondra fanjakana

Hamaky ny tohiny...

Hemerson Andrianetrazafy –mpahay tantara “Marefo sy tsy tsara faka ny demokrasia eto”

10/07/2020

Rehefa tsy eo amin’ny fitondrana ireo nitondra taloha vao mody misaina, hoy ny mpahay tantara, Hemerson Andrianetrazafy.

Hemerson Andrianetrazafy –mpahay tantara “Marefo sy tsy tsara faka ny demokrasia eto”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Tetibola ho an’ny CLD “Tokony hotantanin’ny kaominina mivantana”

17/10/2019

Ny komity ifotony ho an’ ny fampandrosoana(CLD), hatramin’izay, dia ny eo anivon’ny distrika sy ny depiote no nitantana azy.

 

 Tsara raha ny kaominina mivantana no mitantana izany, hoy Andriamanjato Liantsoa Bina, depioten’ny distrika ao Andramasina sady filoham-baomiera misahana ny fampitaovana sy fotodrafitrasa. Manamfy ny fahaizana   manao eny ifotony izany sady mangarahara satria miainga eny ifotony ny filàna rehetra fa tsy avy aty amin’ny fanjakana foibe no mampiditra ny tetikasa mankany ifotony. Mila fahaleovantena ara-bola ny kaominina, hoy izy. Notsindriny koa fa ny tohana avy amin’ny fanjakana (subvention) dia tara lava, hany ka lasa sahirana ny kaominina. Rehefa anjara vola ho an’ny kaominina dia avy hatrany dia mivantana any, amin’izay tsy misy mpanelanelana. Tokony hampiana ny CLD ary atao arakaraka ny isan’ny kaominina no hitsinjarana azy io fa tsy atao safo be mantsina, hoy izy, ary efa nanomana tolo-dalàna momba izany. Amin’izay na ny fampitaovana na koa ny fotodrafitrasa dia mandeha araka tokony ho izy, hoy hatrany ny fanazavana. Nomarihany manokana fa ao anatin’ny fandinihana ny lalàna mifehy ny tetibola 2020, ka tokony hasondrotra ny vola ho an’ny CLD.  Mahakasika ny CLD manokana dia olana mateti-pitranga ny fahataran’ ny famoahana ny vola. Ela ny fametrahana ny dingana rehetra tamin’ny CLD, tratra aoriana ny fametrahana ny rafitry ny CLD, izay entin’ny depiote. Eo koa ny fahasarotana tamin’ny fametrahana ny lamina sy ny fombafomba  amin’ny fahazoana sy fampiasana ny vola.

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana