Politique
Fivorian’ny Parlemantera maneran-tany Manana solontena lasa any Serbie isika
17/10/2019
Manana delegasionina manatrika ny fihaonambe iraisam-pirenena ho an’ny parlemantera mpikambana ao anatin’ny Mirenena Mikambana na ny UIP (Union Interparlementaire) andiany faha-141 nanomboka ny 13 hatramin’ny rahampitso 18 oktobra any
Belgrade Serbie i Madagasikara. Mitarika izany ny depiote RABENIRINA Jean Jacques, Filoha lefitry ny antenimieram-pirenena, RANOMANTSOA Tsirimaharo Ny Aina, Mpampakateny lefitra; RAHARIMAMPIONONA depioten’Ikalamavony ; RASOLOMANANA Beby Olivier (Mandritsara) ; BERNANDO Germain Berton Ndrianasy (Anosibe An’Ala) ary ny sekretera jeneralin’ny antenimieram-pirenena RANDRIAMAHAFANJARY Calvin. Maherin’ny 1700 ireo parlemantera mandray anjara amin’izany miampy ny firaisamonim-pirenena avy amin’ny lafivalon’izao tontolo izao. Lohahevitra amin’io ny famamafisana ny zo iraisam-pirenena sy ny andraikitra sy adidin’ny parlemantera manoloana izany, ary ny anjara biriky hoentiny. Lahadinika ihany koa ny momba ny filaminana sy fandriampahalemana iraisam-pirenena (paix et sécurité internationale), momban'ny fampandrosoana maharitra, famatsiam-bola, varotra (développement durable, financement et commerce), ankizy sy ny tanora, zon’olombelona…. Tany amin’ny taona 1889 no nanangana ny UIP, ka faharoa izao no nandraisan’i Seribie ny fampiantranoana ny fihaonambe. Isan’ny hivoitra ny fametrahana programa sy ny tanjona ho amin’ny fampandrosoana lovain-javy manomboka izao ka hatramin’ny 2030. Irariana mba hitondra vokatra ho an’ny firenentsika ny tahaka izao.
Toky R