Dans la mme rubrique

Marc Ravalomanana “Akatony ny MBS raha sahy ianareo”

11/08/2020

Ny 30 jolay teo no nandefasan’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Naina Andriantsitohaina taratasy manambara ny fanafoanana ny fifanarana fampiasana tany an-taonany maro na “bail amphytéotique”

Marc Ravalomanana “Akatony ny MBS raha sahy ianareo”

Hamaky ny tohiny...

RMDM Hiantso hetsika lehibe aorian’ny fihibohana

11/08/2020

Ny RMDM sy ny mpanohitra rehetra, dia manameloka ny tsy fisian’ny demokrasia sy ny tsy fanajana ny zon’olombelona sy ny tany tsy tan-dalàna nodradradrain’ny mpitondra ankehitriny nakana fahefana.

RMDM Hiantso hetsika lehibe aorian’ny fihibohana

Hamaky ny tohiny...

Emilien Ramboasalama “Fiaikena tsy fahombiazana ny kabarin’ny filoha”

11/08/2020

Kabary fiaikena tsy fahombiazana tao anatin’izay 4 bolana mahery nitantanana ny ahamehana ara-pahasalamana izay no fahitako ireny kabarin’ny filoham-pirenena ireny, hoy ny solombavambahoakan’ny boriborintany faha 4, Emilien Ramboasalama.

Emilien Ramboasalama “Fiaikena tsy fahombiazana ny kabarin’ny filoha”

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao “Hanaparam-pahefana fotsiny ilay fahamehana”

11/08/2020

Fanaparam-pahefana ny mbola fanohizana ny hamehana ara-pahasalamana izay efa andiany faha-11 izao, raha ny nambaran-dRakotovao Rivo, izay sady Filohana andrim-panjakana no mpandrindra ny antoko HVM.

Rivo Rakotovao “Hanaparam-pahefana fotsiny ilay fahamehana”

Hamaky ny tohiny...

Julien Andriamorasata “Tsy hijanona eo ny krizy ara-tsosialy”

11/08/2020

Tsara ny mandray andraikitra sy manao zavatra, hoy ny manampahaizana manokana momba ny fitantanana raharaham-panjakana, Julien Andriamorasata, naneho ny heviny mikasika ny fepetra vaovao noraisina momba ny hahamehana ara-pahasalamana amin’ity tapabolana manaraka ity.

Julien Andriamorasata “Tsy hijanona eo ny krizy ara-tsosialy”

Hamaky ny tohiny...

Riribe Miantso ny mpanohitra hanitsy ny mpitondra

11/08/2020

Mandalo fotoan-tsarotra ara-politika, toekarena, sosialy ankehitriny ny firenentsika, hoy ny filoha nasionalin’ny federasionin’ny gadra politika, Henry Rakotomalala na Riribe, noho izao valanaretina Coronavirus izao.

Riribe Miantso ny mpanohitra hanitsy ny mpitondra

Hamaky ny tohiny...

Aoka izay ny fifanenjehana Miantso firaisankinam-pirenena ny HMF

10/08/2020

Nanao antso ho fiombonam-po amin’ny famongorana ny valanaretina mamely ny firenena ny hetsiky ny mpitondra fivavahana (HMF) tarihin’ny Pastera

Aoka izay ny fifanenjehana Miantso firaisankinam-pirenena ny HMF

Hamaky ny tohiny...


Politique

Trosa ampibabena ny Malagasy Tsy tonga any amin’ny vahoaka akory…

17/10/2019

Mindram-bola na omen’ny mpamatsy vola vahiny maimaimpoana i Madagasikara hamatsiana ny asa fampandrosoana. Efa ela no niainan’ny firenena izany nefa toa vao mainka aza mihemotra fa tsy mandroso ny Malagasy.

 

 

 

Nahatratra 14 miliara dolara ny totalin’ny vola voaangona tamin’ny fihaonana iraisam-pirenena tany Lyon. 1.5 lavitrisa euros ny fandraisana anjara ho an’ny frantsay izay hanomezana 5% ho an’ireo mampiasa amin’ny ampahany na manotolo ny teny frantsay. Nihaona manokana tammin’ny filoha frantsay Emmanuel Macron i Andry Rajoelina ary nihaona tamin’i Bill Gates ihany koa, izay filoha mpanorina ny Microsoft sady voasokajy ho mpanankarena eran-tany. Nandritra ny fihaonana no niresahana ny tanjon’i Madagasikara hamongotra ny tazo moka amin’ny alalan’ny toeram-pitiliana sy toeram-pitsaboana ary fitaovana manerana an’ireo distrika. Marary tokoa mantsy ny sehatry ny fahasalamana eto Madagasikara. Eo ihany koa, ny zava-misy eny amin’ny hopitalim-panjakana, vidiana ny fanafody sy ny fitaovana rehetra ilaina. Na tsy andoavam-bola aza ny saram-pitsaboana dia mbola mavesatra ho an’ny tsy manana ireo fanafody sy fitaovana ireo. Mazava loatra fa ny hoenti-manana izany no tena olana.  Tsy vao ela ihany koa no nanambana ny tsy fahampian’ny ra teo anivon’ny « banque de sang » ao amin’ny HJRA. Mitaintaina ny manana marary mila ra raha nisy izany. Fitaovana fandresen-dahatra matanjaka be isaky ny fampielezan-kevitra ny fanatsarana ny fahasalam-bahoaka satria fantatry ny rehetra ihany fa io no fototra. Toa mitsipozipozy hatrany anefa ity sehatra ity. Dia mipetraka ny fanontaniana hoe : inona no tombony rehefa lany ny famatsiam-bola tamin’ny fanatanterahana tetikasa ? Milamina ny mpamatsy vola satria niasa ny mpanjifa ny volany. Ny mpanjifa kosa tsy nahazo tombony akory !

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana