Dans la męme rubrique

Nombana kely Niharan’ny areti-maso mampiahiahy…

12/11/2019

Mandray ny fahatelo taonany i Nombana Rakotoarison, monina any Talata Volonondry no tratran’ny areti-maso mampivarahontsana. Raha ny filazan’ny ray aman-dreniny, herinandro taorian’ny fakany fialantsasatra tany Mahajanga no niseho ny soritr’aretina.

Nombana kely Niharan’ny areti-maso mampiahiahy…

Hamaky ny tohiny...

Lalana amboarina etsy Besarety Amin’ny 14 desambra vao azo handehanana

12/11/2019

Tapaka nanomboka ny sabotsy lasa teo ny lalana amboarina etsy Besarety. Amin’ny 14 desambra ho avy izao, vao azo ampiasaina tanteraka ity lalana ity, hoy ireo mpiasa.

Lalana amboarina etsy Besarety Amin’ny 14 desambra vao azo handehanana

Hamaky ny tohiny...

Beloha Androy Tra-tehaka ireo 8 lahy nandroba 20 tapitrisa ariary…

12/11/2019

Ny talata 22 oktobra teo, nisehoana fanafihana mitam-piadiana nataona andian-jiolahy maromaro tao amina tokantrano iray tao amin'ny kaominina Tranoroa,

Beloha Androy Tra-tehaka ireo 8 lahy nandroba 20 tapitrisa ariary…

Hamaky ny tohiny...

Torapasika Mahajanga Taovam-biby fa tsy an’olombelona ilay hita

11/11/2019

“Voamarina fa taovam-biby fa tsy an’olombelona ilay hita tany amin’ny torapasik’i Mahajanga, hoy

Torapasika Mahajanga Taovam-biby fa tsy an’olombelona ilay hita

Hamaky ny tohiny...

Vono olona in-telo nisesy tao Antsohihy “Efa tao am-ponja vao navoakan’ny olona ilay jiolahy”

11/11/2019

Diso ny filazana teo amin’ny tambajotran-tserasera fa teo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana no azon’ireo mpamaly faty ny lehilahy iray nandratra ka nahatafy ny naman’izy ireo.

Vono olona in-telo nisesy tao Antsohihy “Efa tao am-ponja vao navoakan’ny olona ilay jiolahy”

Hamaky ny tohiny...

Tarika Mahaleo Ireo tsiambaratelo, tora-po sy hafatra…

08/11/2019

Akaiky an’i Dadah Mahaleo izay natao veloma farany tao amin’ny katedraly Analakely no nizara ny tsiambaratelony.

Tarika Mahaleo Ireo tsiambaratelo, tora-po sy hafatra…

Hamaky ny tohiny...

Fiara nipitika avy eny ambony tetezana Roa maty, naratra avokoa ireo mpandeha

08/11/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tamin’ny lalam-pirenena fahafito, omaly atoandro teo amin’ny tetezan’Ankadilalana, anelanelan’i Behenjy sy Ambatolampy.

Fiara nipitika avy eny ambony tetezana Roa maty, naratra avokoa ireo mpandeha

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Akaiky ny fifidianana Vola sandoka 400 tapitrisa ariary sarona

17/10/2019

Vola sandoka mitentina 20 tapitrisa ariary no sarona tao Vavatenina ny talata 15 oktobra 2019.

 

 

 

 Rehefa nahazo vaovao avy tamin'olona tsara sitrapo iray ny zandarimaria tao Fenoarivo Atsinanana fa misy olona mitondra vola sandoka maro ho any Vavatenina dia natao haingana ny fijerena ifotony sy fanaovana sakana fitsirihana (barrage). Tao Vavatenina no tratra ny fiara 4x4 pickup Ford Ranger iray izay nitondra vola sandoka 20 tapitrisa Ariary sy vola tena izy 80 tapitrisa Ariary. Olona miisa dimy no efa voasambotra ary nitohy hatramin’ny omaly ny fisavana ny tranon'izy ireo ahitana ny nametrahany ny vola sandoka ambiny. Tena betsaka izany vola sandoka 400 tapitrisa izany, ary manomboka sesilany ny tranga tahaka itony amin’izao fotoana akaiky fifidianana izao.sy ity tranga tao Vavatenina ity ihany fa efa nisy ny hafa sarona. Vao tamin’ny alatsinainy teo ihany koa ohatra no niakatra fitsarana teny amin’ny PAC (Pôle Anti-Corrumption) ny raharaha vola sandoka 40 tapitrisa ariary tamin’ny volana aprily 2018, ka olona 14 no nidoboka eny Tsiafahy. Rehefa tsy fifidianana dia ny resaka fividianana lavanila no ahitana vola sandoka. Miparitaka ny vola amin’ireo fotoana ireo, indrindra fa amin’ny propagandy na amin’ny fotoam-pifidianana mihitsy hividianana ny safidim-bahoaka. Tany amin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo, dia toerana maro no nisiana fahadisoam-panantenan’ireo olona nizarana vola, toy ny tao Ambatondrazaka, Toliara,… Mety ho zavatra hafa mihitsy ihany koa anefa no kotrehina amin’ireny fa tsy resaka fividianana ara-politika ihany.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana