Dans la męme rubrique

Clément Jaona Hiady ho an’i Faniry Ernaivo ny SMM

12/11/2019

Izy tenany no nampahafantatra ahy fa voaroaka izy ary tamin’ny alalan’ny “compte fake” fa hatreto tsy mbola nisy fanambarana ofisialy avy amin’ny Filankevitra ambonin’ny Mpitsara (CSM),

Clément Jaona Hiady ho an’i Faniry Ernaivo ny SMM

Hamaky ny tohiny...

Savorovoro ao amin’ny JIRAMA Tale maromaro nesorina

12/11/2019

Nirarakopana ny fanesorana tompon’andraikitra tao amin’ny orinasa Jirama omaly.

Savorovoro ao amin’ny JIRAMA Tale maromaro nesorina

Hamaky ny tohiny...

Aretin’ny voasarin’Ambohijafy Nahitan’ny VSM fanafana

12/11/2019

Nankalazaina tetsy amin’ny Tahala Rarihasina omaly ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Siansa.

Aretin’ny voasarin’Ambohijafy Nahitan’ny VSM fanafana

Hamaky ny tohiny...

Ady tanin’ny Silamo sy ny Hindou Niravona ihany 150 taona aty aoriana

12/11/2019

Nampahafantarina tetsy amin’ny masoivohon’i India tetsy Tsaralàlana omaly ny fivoahan’ny didim-pitsarana mahakasika ny ady tany nifanaovan’ny Silamo sy ny Hindou eo amin’ilay tempoly Babri- Ram Janambhoomi.

Ady tanin’ny Silamo sy ny Hindou Niravona ihany 150 taona aty aoriana

Hamaky ny tohiny...

Faniry Ernaivo Noroahina tsy ho mpitsara intsony

11/11/2019

Noroahin’ny filankevitra ambonin’ny mpitsara (CSM) tsy ho mpitsara intsony ny Filohan’ny Sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM) teo aloha Fanirisoa Ernaivo ny 7 novambra teo.

Faniry Ernaivo Noroahina tsy ho mpitsara intsony

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Ambohitrimanjaka Iray no namoy ny ainy

11/11/2019

Nanatontosa fotoam-pivavahana teo amin’ny kianjan’Anelitsara Ambohitrimanjaka ny sabotsy teo ireo mponin’ny kaominin’Ambohitrimanjaka mba hangatahana ny tolo-kevitra avy amin’Andriamanitra hahafahan’izy ireo mijery ny tokony hanohizana ny tolona, raha ny fanazavan’ireo mpitari-tolona.

Raharaha Ambohitrimanjaka Iray no namoy ny ainy

Hamaky ny tohiny...

Tanimbary eny Ambohitrimanjaka sy ny manodidina Miteraka asa 640 000 ao anatin’ny taona iray

08/11/2019

Miisa 10 ny asa atao eny amin’ny tanimbary farafahakeliny dia ny miasa taninketsa, mamafy ketsa, miavo-ketsa, miasa tanimbary, mihosy, manetsa, miava vary, mijinja,

Tanimbary eny Ambohitrimanjaka sy ny manodidina Miteraka asa 640 000 ao anatin’ny taona iray

Hamaky ny tohiny...


Actualités

Solika Hiakatra ny vidiny?

21/10/2019

Tsy fantatra intsony izay tena marina fa maro ny toby fivarotan-tsolika tsy nanana solika teto Antananarivo tamin’iny faran’ny herinandro iny. Tsy vao izao io fa matetika tato ho ato.

 

Ny olana koa dia tsy misy serasera mazava fa toa takontakonana dia lazaina foana hoe milamina, kanefa taorian'iny fampidinana vidin-tsolika noteren’ny filoha Rajoelina iny dia nanomboka nisy olana ny fitaterana ny solika ary tsy ny eto Antananarivo ihany fa ny any amin’ny faritra indrindra indrindra. Hafahafa ny toe-javatra hoe inona marina izany no antony ? Akaiky ny faran’ny volana, izay matetika eo no hisian’ny fiovam-bidin’ny solika. Ahiana hiakatra io, ka manomboka taitairina ny sain’ny olona hiomana amin’izany. Raha eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, dia nisy fiantraikany be tamin’ny vidin-tsolika ny daroka nahazo ny toeram-pamokarana soliky ny Aramco tany Arabia Saodita tamin’ny alalan’ny « drône » ny 14 septmbra teo, ka nisy fiakarany hatrany amin’ny 15% ny vidiny teo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Voatery nampidina ny famokarana sy fanondrana ny Saodianina mpamokatra solika voalohany eto ambonin’ny tany, ka misy fahabangana 5,7 tapitrisa barila isan’andro tamin’izany, izay nanome ny 6% amin’ny fandaniana manerana izao tontolo izao. Nisy fiantraikany maneran-tany io ary hatramin’ny firenen-dehibe tahaka an’I Etazonia sy Chine aza voa. Mazava ho azy fa mety hipaka aty amintsika. Matetika aza miteraka fanararaotana aty amintsika  izany hoe: vao miakatra ny any am-potony dia manaraka amin’izany ny eto andro vitsy aorian’izay. Isam-bolana ny sambo mamatsy solika, ary nisy fahatarany kely ny sambo, hoy ny Tale Jeneralin’ny Ofisim-pirenena momba ny Akoran’afo (OMH) Atoa Laurent Rajaonarivelo, izany hoe izao izany vao tonga aty ny solika novidiana tamin’ilay fisiana tranga iraisam-pirenena izay ambony ny mason-karena. “Nisy ny feo nandeha fa tsy hisy solika teto Antananarivo ny faran’ny herinandro teo. Nandrisika ny mpanjifa haka solika bebe kokoa noho ny filana isan’andro izany. Izay no nahatonga ny tobin-tsolika maromaro tsy nisy tahirin-tsolika. Nanomboka omaly ihany, dia nisy ny kamio citerne namatsy ireny. Ampy ny tahiry raha ohatra ka tsy misy filana be loatra mihoatra ny tokony ho izy ho an’ireo mpampiasa fiara. Ampy ny tahiry mandra-pahatonga ny sambo mamatsy izay tonga isam-bolana. Nisy fahatarana kely io sambo io, fa ny tahiry dia ampy mandra-pahatongan’io sambo”, hoy ny Tale jeneralin’ny OMH Atoa omaly hariva. Tato ho ato fa tsy vao izao dia tsikaritra ny tranga tsy fahampiana io, saingy tsy hisy tompon’andraikitra hilaza izany fa misy tsy milamina mba tsy hampikoropaka ny olona. Maromaro ny tanàn-dehibe no tsy misy solika, hoy ny mpanjifa. Raha ampy ny tahiry sy ny fitsinjarana azy na hanao “plein” avokoa aza ny vahoaka dia tokony hirindra izany. Angaha ferana tsy hahazo hanao izany ny mpanjifa ? Ahiana ho efa fanomanan-tsaina amboariana izao !

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana