Dans la męme rubrique

Tsy toa teny, very ny fahatokisana

10/07/2020

Tena ilaina amin’ny fitondrana ny firenena, amin’ny fifampitondrana ao anaty fiarahamonina, amin’ny fitantanana orinasa,…

Tsy toa teny, very ny fahatokisana

Hamaky ny tohiny...

Mirary ny soa tokoa

09/07/2020

Mirary ny soa tokoa manoloana izao ady hatrehin’ny firenena sy izao tontolo izao izao.

Mirary ny soa tokoa

Hamaky ny tohiny...

Tsy mifidy saranga

08/07/2020

Vanim-potoana isan’ny mafy teto Madagasikara ny nisian’ny valanaretina pesta tamin’ny fanjakana Rajaonarimampianina. Somary nosokajiana ho aretin’ny mahantra sy ny sahirana satria noho ny loto sy ny fako rahateo no isan’ny nampirongatra azy.

Tsy mifidy saranga

Hamaky ny tohiny...

Fitoniana sy firaisankina

06/07/2020

Ny valanaretina COVID-19 izao no zava-dehibe, maika, tsy azo ihodivirana. Eran-tany ary tsy afa-miala amin` izany i Madagasikara.

Fitoniana sy firaisankina

Hamaky ny tohiny...

Lasibatra hatrany an-dapa...

03/07/2020

Tsy alohalika intsony ny ranombary, fa efa tena hatrany an-tenda. Mora ny nanamaivana ny valanaretina coronavirus tany aloha fa tsy mahery noho ny pesta sy kôlera, saingy indrisy fa efa tena loza mihantra aman’aina no miseho eto.

Lasibatra hatrany an-dapa...

Hamaky ny tohiny...

Edito Reraka ambony ihany!

02/07/2020

Tsy mitsahatry ny mitombo avo roa heny ny tarehimarika ofisialy vaovao momba ireo mararin’ny COVID 19 eto Madagasikara. Mitombo ihany koa ny isan’ny maty.

Edito Reraka ambony ihany!

Hamaky ny tohiny...

Resabe tsy nihinanan-kanina !

01/07/2020

Telo volana latsaka herinandro izay no nilazan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny 8 aprily 2020, fa hisy ny fanisam-bahoaka hametrahana ilay antsoina hoe: “digitalisation”

Resabe tsy nihinanan-kanina !

Hamaky ny tohiny...


Edito

Ny mpanohitra foana e !

21/10/2019

Mbola ity resaka fifanolanana noho ny raharaha Tana-masoandro ity izao no mitana ny sain’ny maro.

 

 Samy manana ny heveriny fa rariny sy hitsiny avy any aminy avy na ny vahoaka tompon’ny tany na ny vahoaka. Ny mahagaga, toa tsy tena manana porofon-kevitra mafonja ny fanjakana, fa be loatra ny kinanga ary mipoitra tsikelikely, toy ilay taratasim-panjakana diso na niniana nodisoina ny daty. Rehefa tena halalinina ny zava-misy, tsy misy tena fakana ny hevitry ny vahoaka madinika tompon’ny tany, fa toa mahatoky tena amin’ny di-doha sy ny amboletra fanao hatrizay. Toa izay miteny rehetra zary lasa fihomehezana noho ny hevitra taingina sy toa tsy mitombina na ilay antsoin’ny vazaha hoe: “argument bidon”. Ny tena re dia ny hoe zon’ny fanjakana no maka ny tany ho an’ny tombontsoan’ny besinimaro. Besinimaro iza avy aloha io fa tsy mazava ? Nambaran’ny minisitra iray aza, fa oharina amin’ny tokantrano izay ohatra akaiky, hono, ka raha hitarina ve ny tokantrano iray eto an-drenivohitra fa tsy ampy mpianakavy mety 2 tany aloha ka nitombo lasa 6 dia any Ivato, fa tsy eo ihany. Ilay tokotaniny izany no tokony hanitarana azy, ka totofana ohatra ny tanimboly na zaridaina eo akaiky hahafahana manitatra. Fa izy mianakavy kely ve no hisitraka ilay hatsangana eo amin’ilay fanitarana sa ho lasan’ny mpanam-bola mety ho vahiny na tompon-tany ? Ny ankizy izany mety ho lasa mpiasa an-trano na mpanampy ao amin’ilay homena hanototra sy hanitatra, ary ilay fambolena na fivelomana kely teo ivelany efa lasa nasiana zavatra hafa tsy azy. Fihemorana sa fandrosoana raha miainga amin’ny fiainan’ilay ankohonana iray ? Mora ny manamaivana resaka rehefa tsy eo amin’ny toeran’ny mety ho lasibatra. Eto ihany koa tsy misy manohitra ny tetikasa, izay tsara sy tokony hotanterahina, saingy ny fomba hoenti-manao azy, ny toerana no olana, saingy ny kely tsy mba mamindro sy ny amboletra, ny tsy fihainoana ny hafa,… no fomba fiasa. Zary voizina aza ny hoe: ny mpanohitra no ambadik’io.  Ny tsy fahombiazana rehetra dia ny mpanohitra fa ny zavatra tsara nataon’ireo notoherina fahiny izay tsy nisasarana kanefa hireharena ankehitriny lazaina fa velirano fa tsy hoe : ny mpanohitra no tena nanao an’io.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana