Politique
Tsena moran’ny fanjakana Miharihary ny fanaovana propagandy
21/10/2019
Mifanandrify tanteraka amin’ny vanim-potoanan’ny fifidianana ny tsena mora tanterahin’ny fanjakana amin’izao fotoana.
Tena propagandy mivantana mihitsy aza no miseho, raha tarafina amin’ny zava-niseho teny Ambavahaditokana, izay nanaovana antso amin’ny peta-drindrina hoe tongava hisitraka ny tsena mora, ary ampiarahana amin’ny sarin’ny kandida ben’ny tanàna tohanan’ny IRD. An’ny fanjakana sa an’ny sa an’ny kandida ity Tsena Mora ity? Tambazana vary mora izany ny olona hifidy ny kandidam-panjakana. Ambara fa hoenti-mamaha sy mitsinjo ny Malagasy ao anatin’ny fahasahiranana. Amin’ny lafiny iray, dia mety hitombina ihany izany, saingy tsy tena mahavaha ny olan’ny sarambabem-bahoaka io, ary karazana vonjitavanandro sy mamofona kajy politika hatrany. Raha tena hanao ny fanjakana, dia ny fampiakarana ny fahefa-mividin’ny olona no atao. Tahaka ny natao tamin’ny vary mora ihany hoe misy olom-bitsy mety hahazo tombontsoa sy hisitraka an’izany, fa ny tantsaha Malagasy izay 80% any ho any dia lasibatra. Ny orinasa Malagasy, ny mpaninjara, ny mpivarotra, no tataovan’ny fanjakana hetra sy haba isan-karazany, miditra mankany amin’ny kitapom-bolam-panjakana. Ny fanjakana ihany anefa avy eo no mamorona ny tsena mora hifaninana amin’ireo izay mazava ho azy fa ho lafo kokoa noho ny zavatra hamidy ao amin’ilay tsena mora hatsangany. Efa politika natao teto tamin’ny tetezamita io, saingy tsy nitondra nankaiza fa toa zary fitaovana politika hanjonoana olona fotsiny, indrindra fa amin’ny fotoam-pifidianana tahaka izao. Mila mitady fomba matihanina sy vahaolana matotra kokoa ny fanjakana, fa tsy tsena mora isan-kerinandro velively no hahavaha ny olana ara-tsosialy ankehitriny.
Toky R