Dans la mme rubrique

Andapa Tsy mitombina ilay “halatra taova”

18/11/2019

Mihidy mialoha ny amin’ny 9 ora alina ny toeram-pisotroana, mitohy ny fanentanan’ny manampahefana any Andapa fa tsy mitombina ny feo niely tamin’ny tambajotran-tserasera mahakasika ny

Andapa Tsy mitombina ilay “halatra taova”

Hamaky ny tohiny...

AMBATONDRAZAKA Lehilahy mpanao biriky maty nilatsaham-baratra

18/11/2019

Teo am-panaovana biriky no nilatsaham-potaka ny raim-pianakaviana iray ka maty tsy tra-drano, tao Didy Ambatondrazaka.

AMBATONDRAZAKA Lehilahy mpanao biriky maty nilatsaham-baratra

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Nipotsaka ny atidohan’ilay zaza…

15/11/2019

Sesilany ny lozam-pifamoivoizana amoizana ain’olona na eto Antananarivo na any amin’ny faritra. Nahitana zaza iray voadonan'ny fiara tsy mataho-dalana teny Anosibe omaly tolakandro, ka maty tsy tra-drano.

Loza mahatsiravina Nipotsaka ny atidohan’ilay zaza…

Hamaky ny tohiny...

Antanimeva distrikan’i Morombe Omby zaton’Atoa Soatogno indray no lasibatry ny miaramila

14/11/2019

Tsy mitsahatra mandroba ny ombin’ny Antandroy ao amin’ny distrikan’i Morombe ny miaramila sy ny sasantsasany amin’ny Dinabe any an-toerana ka mampiasa andian-jiolahy miaraka

Antanimeva distrikan’i Morombe Omby zaton’Atoa Soatogno indray no lasibatry ny miaramila

Hamaky ny tohiny...

Fanafihana mitam-basy Antananarivo Voatifitra ny iray, azo sambo-belona ny jiolahy enina

14/11/2019

Fikambanan-jiolahy « bande de 10 » mpanao fanafihana mitam-piadiana teto an-drenivohitra no ravan’ny polisy,

Fanafihana mitam-basy Antananarivo Voatifitra ny iray, azo sambo-belona ny jiolahy enina

Hamaky ny tohiny...

Hajo Andrianainarivelo « Miroso tsara ny fifampiresahana”

14/11/2019

Antontan-taratasy maro no efa voaray eo anivon`ny birao manokana napetraka hisahana ny fifandraisana amin`ireo mponina voakasiky ny tetikasa Tanà-masoandro etsy amin`ny Village Voara Andohatapenaka.

Hajo Andrianainarivelo « Miroso tsara ny fifampiresahana”

Hamaky ny tohiny...

Vonjy taitra sy hain-trano Hifanampy ny polisy sy ny mpamonjy voina

13/11/2019

Notanterahina omaly nandritra ny fivoriana isan-kerinandron’ny kaomisaria Antananarivo Renivohitra, teo amin’ny polisim-pirenena Tsaralalana, ny fifanaraham-piaraha-miasa eo anivon’ny polisim-pirenena sy ny sampana mpamonjy voina.

Vonjy taitra sy hain-trano Hifanampy ny polisy sy ny mpamonjy voina

Hamaky ny tohiny...


Tranga

AMBODIN’ISOTRY Voasambotra ny mpanendaka mpamerin-keloka

21/10/2019

Miandrandra fanavaozana ny lalàna fanafaizana ireo mpamerin-keloka ho fitandroana ny fandriampahalemana ny mpanara-baovao. Nandritra ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana no fantatra fa efa mpamerin-keloka ireo roalahy avy eny Ambodin’Isotry nifanenjehana ka voasambotry ny polisy teny 67ha.

 

Maro ny raharaha mahakasika fanendahana nisamborana sy nanaovana fanadihadiana azy ireo teo anivon’ny CSP4 Isotry, saingy rehefa avy mifonja izy ireo dia mamerina ny asa ratsiny ihany.

Nampikaikaika ny mponina eny amin’ny faritra Isotry sy 67ha iny no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny CSP4 Isotry sy CSP7 67ha rehefa nokarohina nandritra ny fotoana maharitra. Tamin’ity zoma 18 oktobra  teo  tamin’ny 7 ora maraina no nahazo vaovao ny polisy mahakasika ny fisiana lehilahy roa mitondra antsy lava mampiahiahy ny mponina teo ambodin’Isotry. Tonga teny an-toerana avy hatrany ny polisy ka vao nahatazana ireto farany izy roalahy dia nandositra nihazo an’ny 67ha.

 Tamin’izany no niditra an-tsehatra nanenjika ireo olon-dratsy ihany koa ny polisy avy ao amin’ny CSP7. Vokany, voasambotra izy roalahy, ary mbola tratra teny aminy ilay antsy lava. Mirongatra indray ity fitondrana antsy lava eto andrenivohitra, raha efa nisy fotoana nanaovana fisavana sy namoahana sazy ho an’ireo izay tratra mitondra izany.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana