Dans la mme rubrique

Clément Jaona Hiady ho an’i Faniry Ernaivo ny SMM

12/11/2019

Izy tenany no nampahafantatra ahy fa voaroaka izy ary tamin’ny alalan’ny “compte fake” fa hatreto tsy mbola nisy fanambarana ofisialy avy amin’ny Filankevitra ambonin’ny Mpitsara (CSM),

Clément Jaona Hiady ho an’i Faniry Ernaivo ny SMM

Hamaky ny tohiny...

Savorovoro ao amin’ny JIRAMA Tale maromaro nesorina

12/11/2019

Nirarakopana ny fanesorana tompon’andraikitra tao amin’ny orinasa Jirama omaly.

Savorovoro ao amin’ny JIRAMA Tale maromaro nesorina

Hamaky ny tohiny...

Aretin’ny voasarin’Ambohijafy Nahitan’ny VSM fanafana

12/11/2019

Nankalazaina tetsy amin’ny Tahala Rarihasina omaly ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Siansa.

Aretin’ny voasarin’Ambohijafy Nahitan’ny VSM fanafana

Hamaky ny tohiny...

Ady tanin’ny Silamo sy ny Hindou Niravona ihany 150 taona aty aoriana

12/11/2019

Nampahafantarina tetsy amin’ny masoivohon’i India tetsy Tsaralàlana omaly ny fivoahan’ny didim-pitsarana mahakasika ny ady tany nifanaovan’ny Silamo sy ny Hindou eo amin’ilay tempoly Babri- Ram Janambhoomi.

Ady tanin’ny Silamo sy ny Hindou Niravona ihany 150 taona aty aoriana

Hamaky ny tohiny...

Faniry Ernaivo Noroahina tsy ho mpitsara intsony

11/11/2019

Noroahin’ny filankevitra ambonin’ny mpitsara (CSM) tsy ho mpitsara intsony ny Filohan’ny Sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM) teo aloha Fanirisoa Ernaivo ny 7 novambra teo.

Faniry Ernaivo Noroahina tsy ho mpitsara intsony

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Ambohitrimanjaka Iray no namoy ny ainy

11/11/2019

Nanatontosa fotoam-pivavahana teo amin’ny kianjan’Anelitsara Ambohitrimanjaka ny sabotsy teo ireo mponin’ny kaominin’Ambohitrimanjaka mba hangatahana ny tolo-kevitra avy amin’Andriamanitra hahafahan’izy ireo mijery ny tokony hanohizana ny tolona, raha ny fanazavan’ireo mpitari-tolona.

Raharaha Ambohitrimanjaka Iray no namoy ny ainy

Hamaky ny tohiny...

Tanimbary eny Ambohitrimanjaka sy ny manodidina Miteraka asa 640 000 ao anatin’ny taona iray

08/11/2019

Miisa 10 ny asa atao eny amin’ny tanimbary farafahakeliny dia ny miasa taninketsa, mamafy ketsa, miavo-ketsa, miasa tanimbary, mihosy, manetsa, miava vary, mijinja,

Tanimbary eny Ambohitrimanjaka sy ny manodidina Miteraka asa 640 000 ao anatin’ny taona iray

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Raharaha Ambohitrimanjaka Niditra an-tsehatra ny Loholona

22/10/2019

Nanatanteraka fidinana ifotony teny Ambohitrimanjaka omaly alatsinainy 21 oktobra 2019 ireo Loholon’i Madagasikara avy amin’ny Faritanin’Antananarivo izay nahitana ny Loholona Ramalason Olga,

Ramahavalisoa Hanitra, Rakotoarisoa Bakolinirainy,, Rakotozafy Martin, Randriamalalarison Xavier, Ramparison Luc ary Randriamanatsoa Jafetra izay Loholona avy amin’iny Faritra iny. Amin’ny maha mpiahy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ny Antenimierandoholona , dia nandray andraikitra izy ireo, nandeha nidina ifotony teny an-toerana, nijery sy namantatra izay tena zava-misy marina. Fidinana ifotony nifampiresahana sy nihainoana ny feon’ny Vahoakan’Ambohitrimanjaka. Nilaza Atoa Eric sonlotenan’ny vahoaka eny an-toerana nandritra ny fandraisam-pitenenany fa tsy manda io tetikasa Tana-masoandro io ny mponin’Ambohitrimanjaka fa mba mangataka ny hijeren‘ny fitondram-panjakana toerana hafa hanatanterana izany fotodrafitrasa izany. Nohamafisiny ihany koa fa Ambohitrimanjaka dia mpamatsy vary an’Antananarivo, ka mangataka izy ireo ny mba tsy hanotofana ny tanimbary. Manoloana izany, nanambara ny Loholona Rakotozafy Jean Martin fa ny fifampiresahana ihany no tena zava-dehibe, ahafahana mamaha olana, nampanantena ny hitondra ny hetahetan’ny vahoakan’Ambohitrimanjaka eny amin’ny tompon’andraikitra voasahana amin’ny tetikasa ary koa nampanantena ny hampihaona ireto vahoaka ireto amin’ny governemanta.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana