Dans la mme rubrique

Antanimeva distrikan’i Morombe Omby zaton’Atoa Soatogno indray no lasibatry ny miaramila

14/11/2019

Tsy mitsahatra mandroba ny ombin’ny Antandroy ao amin’ny distrikan’i Morombe ny miaramila sy ny sasantsasany amin’ny Dinabe any an-toerana ka mampiasa andian-jiolahy miaraka

Antanimeva distrikan’i Morombe Omby zaton’Atoa Soatogno indray no lasibatry ny miaramila

Hamaky ny tohiny...

Fanafihana mitam-basy Antananarivo Voatifitra ny iray, azo sambo-belona ny jiolahy enina

14/11/2019

Fikambanan-jiolahy « bande de 10 » mpanao fanafihana mitam-piadiana teto an-drenivohitra no ravan’ny polisy,

Fanafihana mitam-basy Antananarivo Voatifitra ny iray, azo sambo-belona ny jiolahy enina

Hamaky ny tohiny...

Hajo Andrianainarivelo « Miroso tsara ny fifampiresahana”

14/11/2019

Antontan-taratasy maro no efa voaray eo anivon`ny birao manokana napetraka hisahana ny fifandraisana amin`ireo mponina voakasiky ny tetikasa Tanà-masoandro etsy amin`ny Village Voara Andohatapenaka.

Hajo Andrianainarivelo « Miroso tsara ny fifampiresahana”

Hamaky ny tohiny...

Vonjy taitra sy hain-trano Hifanampy ny polisy sy ny mpamonjy voina

13/11/2019

Notanterahina omaly nandritra ny fivoriana isan-kerinandron’ny kaomisaria Antananarivo Renivohitra, teo amin’ny polisim-pirenena Tsaralalana, ny fifanaraham-piaraha-miasa eo anivon’ny polisim-pirenena sy ny sampana mpamonjy voina.

Vonjy taitra sy hain-trano Hifanampy ny polisy sy ny mpamonjy voina

Hamaky ny tohiny...

Lozam-pifamoivoizana RN2 Resin-tory ny mpamily, niala an-dalana ny fiara

13/11/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizana tany Ampasimadinika, 60 km tsy hiditra an’i Toamasina, tamin’ny lalam-pirenena faha 2, avy aty an-drenivohitra.

Lozam-pifamoivoizana RN2 Resin-tory ny mpamily, niala an-dalana ny fiara

Hamaky ny tohiny...

Nombana kely Niharan’ny areti-maso mampiahiahy…

12/11/2019

Mandray ny fahatelo taonany i Nombana Rakotoarison, monina any Talata Volonondry no tratran’ny areti-maso mampivarahontsana. Raha ny filazan’ny ray aman-dreniny, herinandro taorian’ny fakany fialantsasatra tany Mahajanga no niseho ny soritr’aretina.

Nombana kely Niharan’ny areti-maso mampiahiahy…

Hamaky ny tohiny...

Lalana amboarina etsy Besarety Amin’ny 14 desambra vao azo handehanana

12/11/2019

Tapaka nanomboka ny sabotsy lasa teo ny lalana amboarina etsy Besarety. Amin’ny 14 desambra ho avy izao, vao azo ampiasaina tanteraka ity lalana ity, hoy ireo mpiasa.

Lalana amboarina etsy Besarety Amin’ny 14 desambra vao azo handehanana

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fanafihana « CASH POINT » Ampefiloha « Efa vita tetika mialoha ny tifitr’ireo jiolahy mpandroba»

22/10/2019

Tifitra in-telo no nahazo ilay lehilahy raha vao niala ny môtô izay nanaterany ny vadiny sy ny sakaosy nisy vola hampiasaina amin’ny toeram-pandraisana sy fametrahana vola manoloana ny efitrano fidiovam-bahoaka manamorona ny lalamby Ampefiloha.

 

 

Raha ny filazan’ny nanatrimaso, tsy taitra akory ireo jiolahy nony vita ny « opération » teo aimin’ilay « cash point » ny zoma atoandro teo. « Heverina fa efa narahiny avy any ireo mpivady nitondra vola, vantany vao niala ny kodiaran-droa dia tifitra variraraka no nahazo ilay lehilahy. Nalain’ireo jiolahy tsy misaron-tava ny kitapo nitondrana vola ary nandeha an-tongotra niadana tahaka ny olon-drehetra izy ireo nihazo an’Andavamamba. Tsy nisy nahetsika ny manodidina, noho ny hery tsy mitovy», hoy ny renim-pianakaviana iray izay nanatri-maso ny ra latsaka raha sendra nandalo teny an-toerana. Araka ny fampitam-baovaon’ity nanatri-maso ny fanafihana ity,  voalaza fa tsy tana ny ain’ilay raim-pianakaviana. Sahiran-tsaina ny olom-pirenena Malagasy ka lasa miraviravy tanana manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana. Anisan’ny asa mihatra aman’aina na miteraka risika mantsy ity “cash point” ity satria vola no lalaovina nefa tsy anaty trano arifomba ahitana mpiambina tahaka ireo banky.

Haja Nirina

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana